Daniela 8:1-27

8  Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Belsazara+ Mpanjaka, dia nahita fahitana izaho Daniela, taorian’ilay hitako tamin’ny voalohany.+  Ary nanomboka nijery an’izay naseho tao amin’ilay fahitana aho. Koa raha mbola nijery aho, dia hitako fa tao an-dapan’i Sosana,+ any amin’ny faritanin’i Elama,+ no nisy ahy. Eny, nijery an’izay naseho tao amin’ilay fahitana aho. Ary teo amoron’ny reniranon’i Olay+ aho, tamin’izay.  Dia nanopy ny masoko aho ka nahita ondrilahy+ iray nijoro teo akaikin’ilay renirano. Nanana tandroka roa izy io, ary lava ireo tandroka ireo. Lava noho ny iray ny iray, nefa ilay lava kokoa no nipoitra farany.+  Ary hitako nanoto niankandrefana sy nianavaratra ary nianatsimo ilay ondrilahy. Tsy nisy bibidia nahajanona teo anatrehany, ary tsy nisy nahavonjy an’izay teny an-tanany.+ Nanao araka izay sitrapony izy, ary nirehareha be.  Ary mbola nijery aho, ka nahita osilahy+ iray avy any amin’ny filentehan’ny masoandro. Dia nitety ny tany manontolo izy io nefa tsy nitehi-tany. Ary nisy tandroka niharihary be teo anelanelan’ny masony.+  Nihananatona izy mba hanafika an’ilay ondrilahy manana tandroka roa, izay hitako nijoro teo akaikin’ilay renirano. Dia nihazakazaka nankany amin’ilay ondrilahy izy, sady romotry ny hatezerana.  Hitako tonga teo amin’ilay ondrilahy ilay osilahy, ary tezitra taminy. Dia namely an’ilay ondrilahy izy, ka nahatapaka ny tandrony roa. Tsy nanan-kery hanoherana azy ilay ondrilahy, ka nazerany tamin’ny tany sady nohitsakitsahiny. Ary tsy nisy nahavonjy an’ilay ondrilahy avy teny an-tanany.+  Nirehareha+ loatra ilay osilahy. Raha vao natanjaka anefa izy, dia tapaka ilay tandroka lehibe, ary nisy tandroka efatra nipoitra nisolo azy io. Niharihary be izy ireo, ary nitodika tany amin’ny rivotra efatry ny lanitra.+  Ary nisy tandroka kely iray nipoitra avy tamin’ny iray tamin’ireo tandroka ireo.+ Nihalehibe izy io, ka nanondro nianatsimo sy niantsinanana ary nanondro an’ilay Tany Kanto.*+ 10  Dia nihalehibe foana izy io, ka nipaka hatrany amin’ny tafiky ny lanitra.+ Nazerany tamin’ny tany ny sasany tao amin’izany tafika izany, mbamin’ny kintana+ sasany, ka nohitsakitsahiny.+ 11  Ary hatramin’ilay Andrianan’ny+ tafika aza nianjonanjonany. Nesorina tamin’io Andriana io koa ny fanatitra atolotra tsy tapaka,+ ary narodana ilay toerana masina efa nataony mafy orina.+ 12  Ary noho ny fandikan-dalàna,+ dia navela hanjakazakan’ilay tandroka ny tafika+ sy ny fanatitra atolotra tsy tapaka.+ Nazerany tamin’ny tany+ koa ny fahamarinana,+ ary nanao araka izay sitrapony izy sady nahomby.+ 13  Ary nandre anjely masina iray+ niteny aho, ary nisy iray koa nanontany toy izao an’ilay niteny: “Haharitra hafiriana ireo zava-mitranga voalazan’ilay fahitana, dia ilay fahitana momba ny fanatitra atolotra tsy tapaka,+ sy ny fandikan-dalàna mahatonga faharavana,+ ary ny fanitsakitsahana ny toerana masina sy ny tafika?”+ 14  Dia hoy izy tamiko: “Mandra-pahatapitry ny telonjato sy roa arivo andro.* Avy eo, dia haverina amin’ny laoniny tokoa ilay toerana masina.”+ 15  Ary raha mbola nijery an’izay naseho tao amin’ilay fahitana izaho Daniela, ka niezaka hahazo ny heviny,+ dia nisy olona nijoro teo anoloako, ary toy ny lehilahy tomady no fahitana azy.+ 16  Ary nandre feon’olona teo afovoan’i Olay+ aho. Niantsoantso ilay feo hoe: “Ry Gabriela+ ô, ampahafantaro azy ny hevitr’ilay zavatra hitany.”+ 17  Dia nankeo amin’ilay nijoroako i Gabriela. Rehefa tonga teo izy, dia natahotra mafy aho, ka niankohoka. Ary hoy izy tamiko: “Aoka ho azonao,+ ry zanak’olona,+ fa ho tanteraka amin’ny fotoanan’ny farany ilay fahitana.”+ 18  Ary raha mbola niresaka tamiko izy, dia renoky ny torimaso aho, ka nihohoka tamin’ny tany.+ Dia nokasihiny aho, ka natsangany teo amin’ilay nijoroako.+ 19  Ary hoy izy: “Hampahafantariko anao izay hitranga any amin’ny faran’ny fanamelohana, satria ho tanteraka amin’ny fotoana voatondro ilay fahitana, eny, amin’ny fotoanan’ny farany.+ 20  “Ilay ondrilahy hitanao, izay manana tandroka roa, dia ireo mpanjakan’i Media sy Persa.+ 21  Ilay osilahy lava volo dia ny mpanjakan’i Gresy,+ ary ilay tandroka lehibe teo anelanelan’ny masony dia ny mpanjaka voalohany.+ 22  Ary satria tapaka io tandroka io ka nisy efatra nipoitra nisolo azy,+ dia hisy fanjakana efatra hitsangana avy amin’ny fireneny, saingy tsy hitovy hery aminy. 23  “Ary rehefa hifarana ny fanjakan’izy ireo, eny, rehefa tafahoatra loatra ny fahotan’ireo mpandika lalàna, dia hitsangana ny mpanjaka iray masiaka endrika, izay mahay ny dikan’ny teny saro-pantarina.+ 24  Ary hitombo hery izy, nefa tsy noho ny herin’ny tenany.+ Hahatonga faharavana tanteraka izy,+ ary hahomby amin’izay ataony sady hahefa an’izay kasainy. Dia hataony mitondra faisana ny mahery sy ny olona masina.+ 25  Lalin-tsaina izy ka hahomby ny fitaka hataony.+ Hirehareha be ao am-pony izy.+ Amin’ny fotoana tsy hisian’ny fanahiana+ no hataony mitondra faisana ny maro. Ary hitsangana hanohitra an’ilay Andrianan’ny andriana izy,+ kanjo ho torotoro nefa tsy hisy tanana hamely azy.+ 26  “Ary marina ilay fahitana efa voalaza,+ dia ilay fahitana momba ireo andro.* Fa ianao kosa, hazòny ho zava-miafina ilay fahitana, satria mbola andro maro any aoriana vao ho tanteraka izany.”+ 27  Dia reraka be izaho Daniela ka narary andro vitsivitsy.+ Niarina aho avy eo, ka niasa ho an’ny mpanjaka,+ nefa hoatran’ny mbola tsy tonga saina aho noho ilay zavatra hitako. Ary tsy nisy nahazo ny hevitr’ilay fahitana.+

Fanamarihana

Na: “Ravaka.”
A.b.t.: “takariva sy maraina.”
A.b.t.: “takariva sy maraina.”