Daniela 9:1-27

9  Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Dariosy,+ zanak’i Ahasoerosy, taranaky ny Medianina,+ izay notendrena ho mpanjaka teo amin’ny fanjakan’ny Kaldeanina,+  eny, tamin’ny taona voalohany nanjakany, izaho Daniela dia nandinika an’izay noraketin’ny boky, ka nahafantatra ny isan’ireo taona aharavan’i Jerosalema,+ araka ny tenin’i Jehovah tonga tamin’i Jeremia mpaminany.+ Fantatro àry fa fitopolo taona+ izany.  Koa nitodika+ tamin’i Jehovah Andriamanitra aho mba hitady azy, ka nivavaka+ sy nitalaho taminy sy nifady hanina ary niakanjo gony sy nihosin-davenona.+  Dia nivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitro aho, ka nibaboka hoe:+ “Jehovah ô, Andriamanitra lehibe+ sy mendrika hatahorana ianao. Manaja ny fifanekena+ nifanaovanao tamin’ireo tia anao sy ireo mitandrina ny didinao+ ianao, sady maneho hatsaram-panahy feno fitiavana+ amin’izy ireo.  Efa nanota izahay,+ ka nanao fahadisoana sy nanao ratsy ary nikomy.+ Tsy nanaraka ny didinao sy ny didim-pitsaranao izahay.+  Tsy nohenoinay ny mpaminany mpanomponao,+ nefa tamin’ny anaranao no nitenenany tamin’ny mpanjakanay sy ny andriananay sy ny razanay ary ny vahoaka manontolo.+  Anao ny fahamarinana, Jehovah ô, fa anay kosa ny henatra toy ny amin’izao anio izao,+ eny, anay mponin’i Joda sy Jerosalema mbamin’ny Israely rehetra, na ny lavitra na ny akaiky, dia izay any amin’ny tany rehetra nanaparitahanao azy noho izy nivadika taminao.+  “Anay ny henatra, Jehovah ô, anay sy ny mpanjakanay sy ny andriananay ary ny razanay, satria efa nanota taminao izahay.+  Anao, ry Jehovah Andriamanitray, ny famindram-po+ sy ny famelan-keloka,+ nefa nikomy taminao izahay.+ 10  Ary tsy nankatò ny teninao izahay, ry Jehovah Andriamanitray, ka tsy nanaraka ny lalàna nomenao anay tamin’ny alalan’ny mpaminany mpanomponao.+ 11  Nandika ny lalànao ny Israely rehetra, sady tsy nankatò ny teninao.+ Koa nampiharinao taminay ny ozona sy ny fianianana+ voasoratra ao amin’ny lalàn’i Mosesy mpanomponao, satria nanota taminao izahay. 12  Ary notanterahinao ny teny nanamelohanao anay+ sy ny mpitsara anay.+ Koa nahatonga loza lehibe taminay ianao, ka na taiza na taiza tetỳ ambanin’ny lanitra, dia mbola tsy nisy loza sahala amin’ny nanjo an’i Jerosalema.+ 13  Nihatra taminay izany loza rehetra izany,+ araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Mosesy.+ Tsy mba nitady sitraka taminao izahay, ry Jehovah Andriamanitray, ka tsy niala tamin’ny fahadisoanay,+ sady tsy navelanay hisy heriny teo amin’ny fiainanay ny nahalalanay fa tia ny fahamarinana ianao.+ 14  “Efa tao an-tsainao foana ilay loza, Jehovah ô, ka nampiharinao taminay tamin’ny farany.+ Manao ny rariny mantsy ianao, ry Jehovah Andriamanitray, amin’izay rehetra ataonao, fa izahay no tsy nankatò ny teninao.+ 15  “Ry Jehovah Andriamanitray ô, efa nitondra ny olonao nivoaka avy tany Ejipta tamin’ny tanana mahery ianao,+ ary nampahalaza ny anaranao hatramin’izao anio izao.+ Ary ankehitriny, nanota+ sy nanao ratsy izahay. 16  Jehovah ô, nanao ny rariny foana ianao.+ Koa aoka re tsy ho tezitra intsony ianao e, na hisafoaka amin’i Jerosalema tanànanao sy tendrombohitrao masina.+ Fa noho ny fahotanay sy ny fahadisoan’ny razanay+ no nahatonga an’i Jerosalema sy ny olonao holatsain’izay rehetra manodidina anay.+ 17  Koa henoy izao vavaka sy fitalahoan’ny mpanomponao izao, ry Andriamanitray ô! Ary noho ny anaranao, Jehovah ô, dia aoka ianao hankasitraka+ ny toeranao masina efa rava.+ 18  Aoka ianao hanongilan-tsofina ka hihaino,+ ry Andriamanitro ô! Ahirato ny masonao ka jereo ny faharavan’ny tanànanay izay nantsoina tamin’ny anaranao.+ Fa tsy noho ny fahamarinanay no italahoanay eto anatrehanao,+ fa noho ny famindram-ponao lehibe.+ 19  Mihainoa,+ Jehovah ô! Mamelà heloka,+ Jehovah ô! Mihainoa ka manaova zavatra,+ Jehovah ô! Aza ela,+ ry Andriamanitro ô, noho ny anaranao, fa nantsoina tamin’ny anaranao ny tanànanao sy ny olonao.”+ 20  Raha mbola niteny sy nivavaka ary niaiky ny fahotako+ sy ny fahotan’ny Israely fireneko+ aho, ary nitalaho famindram-po teo anatrehan’i Jehovah Andriamanitro momba ilay tendrombohitra+ masin’Andriamanitro, 21  eny, raha mbola nivavaka aho, dia tonga teo anilako ilay lehilahy atao hoe Gabriela,+ izay efa hitako tao amin’ny fahitana tamin’ny voalohany.+ Ary tamin’ny fotoana fanaterana ny fanatitra takariva+ no nahatongavany. Tena reraka be aho tamin’izay. 22  Dia nanampy ahy hahazo ny hevitry ny zava-drehetra izy, ka niteny hoe: “Ry Daniela ô, tonga aho hanampy anao hahafantatra sy hahazo tsara kokoa ny hevitry ny zava-drehetra.+ 23  Vao nanomboka nitalaho ianao, dia nirahina aho ka tonga mba hampita hafatra aminao, satria tena tiana+ ianao. Koa diniho+ izay holazaiko aminao, ka aoka ho azonao ny hevitr’izay hitanao. 24  “Fitopolo herinandro no atokana ho an’ny firenenao+ sy ny tanànanao masina+ mba hamaranana ny fandikan-dalàna,+ sy hampitsaharana ny ota,+ sy handrakofana ny fahotana,+ sy hampisy ny fahamarinana hatramin’ny fotoana tsy voafetra,+ sy hanisiana tombo-kase+ ny fahitana sy ny faminaniana, ary hanosorana ny Masina Indrindra.+ 25  Ary aoka ho fantatrao sy ho azonao tsara fa manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ny didy+ hanarenana an’i Jerosalema sy hanamboarana azy,+ mandra-pahatongan’ny Mesia+ Mpitarika,+ dia hisy fito herinandro sy roa amby enimpolo herinandro.+ Haorina indray i Jerosalema ka hamboarina, sady hasiana tany malalaka sy hadivory. Ao anatin’ny fotoam-pahoriana anefa no hanaovana izany. 26  “Aorian’ireo roa amby enimpolo herinandro, dia hovonoina ny Mesia,+ ka tsy hanana na inona na inona intsony.+ “Ary ny tanàna sy ny toerana masina+ dia horavan’ny tafiky ny mpitarika iray ho avy.+ Ary horavan’ny tondra-drano manafotra ilay toerana masina. Ary hisy ady mandra-pahatongan’ny farany. Araka ny didy navoaka, dia hisy faharavana.+ 27  “Ary hataony manan-kery ho an’ny maro, mandritra ny herinandro,+ ny fifanekena.+ Hampitsahatra ny sorona sy ny fanatitra atao fanomezana izy, rehefa misasaka io herinandro io.+ “Ary amin’ny elatry ny zava-maharikoriko no hahatongavan’ny mpandrava.+ Hihatra amin’ilay efa rava koa ny didim-pitsarana, mandra-pahatongan’ny fandringanana tanteraka.”+

Fanamarihana