Deoteronomia 1:1-46

1  Ireto avy ny tenin’i Mosesy tamin’ny Israely rehetra tao amin’ny faritr’i Jordana,+ tany an-tany efitra, teny amin’ny lemaka karakaina tandrifin’i Sofa, anelanelan’i Parana+ sy Tofela sy Labana sy Hazerota+ ary Dizahaba.  Lalana iraika ambin’ny folo andro avy any Horeba i Kadesi-barnea,+ raha any an-tendrombohitra Seira no lalana.  Ary tamin’ny andro voalohan’ny volana fahiraika ambin’ny folo, tamin’ny taona fahefapolo,+ dia nolazain’i Mosesy tamin’ny zanak’Israely izay rehetra nasain’i Jehovah nolazaina tamin’izy ireo,  taorian’ny nandresen’i Mosesy an’i Sihona+ mpanjakan’ny Amorita, ilay nonina tany Hesbona, sy Oga+ mpanjakan’i Basana, ilay nonina tany Astarta,+ tany Edrehy.+  Tao amin’ny faritr’i Jordana, any amin’ny tany Moaba, no nanazavan’i Mosesy izao lalàna+ izao:  “Hoy i Jehovah Andriamanitsika tamintsika tany Horeba:+ ‘Efa ela no nonenanareo teo amin’io faritra be tendrombohitra+ io,  ka mandehana any amin’ny faritra be tendrombohitra misy ny Amorita+ sy ny faritra rehetra manodidina, izany hoe Araba+ sy ny faritra be tendrombohitra+ sy Sefela sy Negeba+ ary ny morontsiraka.+ Mandehana any amin’ireo tanin’ny Kananita+ ireo, hatrany Libanona+ sy ilay renirano lehibe, dia ny reniranon’i Eofrata.+  Ataoko eo anoloanareo ilay tany, ka midira ao ary alaivo ho fanananareo io tany io, izay nianianan’i Jehovah tamin’ny razanareo. Efa nianiana tamin’i Abrahama sy Isaka+ ary Jakoba+ mantsy izy fa hanome io tany io azy ireo sy ny taranany.’+  “Ary hoy aho taminareo tamin’izay fotoana izay: ‘Tsy vitako irery ny hitondra anareo.+ 10  Efa nataon’i Jehovah Andriamanitrareo maro ianareo, ka toy ny kintana eny amin’ny lanitra ny hamaroanareo+ izao. 11  I Jehovah Andriamanitry ny razanareo anie hampitombo anareo+ ho avo arivo heny noho izao, ka hitahy+ anareo araka izay nampanantenainy anareo!+ 12  Mavesatra amiko anefa ny mitondra anareo, ary enta-mavesatra amiko ianareo, ka hataoko ahoana no hitondra irery izany sy handamina irery ny fifandiranareo?+ 13  Koa mifidiana lehilahy hendry sy malina+ ary za-draharaha,+ eo amin’ny fokonareo, mba hataoko ho lehibenareo.’+ 14  Dia hoy ny navalinareo ahy: ‘Tsara izany asainao ataonay izany.’ 15  Koa nalaiko ireo lehiben’ny fokonareo ireo, dia lehilahy hendry sy za-draharaha, ka nataoko ho lehibenareo: Lehiben’ny arivo sy lehiben’ny zato sy lehiben’ny dimampolo sy lehiben’ny folo ary mpiadidy teo amin’ny fokonareo.+ 16  “Ary nandidy ny mpitsaranareo aho tamin’izay hoe: ‘Rehefa mihaino ny rahalahinareo hotsaraina ianareo, dia tsarao araka ny rariny+ izay manana ady amin’ny rahalahiny, na amin’ny vahiny+ monina eo aminy. 17  Aza mizaha tavan’olona rehefa mitsara,+ fa henoy sahala amin’ny lehibe ny madinika.+ Aza matahotra olona,+ fa an’Andriamanitra ny fitsarana.+ Ary ento atỳ amiko ny raharaha sarotra loatra aminareo, fa izaho no hihaino izany.’+ 18  Ary nandidy anareo ny amin’ny zava-drehetra tokony hataonareo aho tamin’izay. 19  “Dia niala tany Horeba isika, ka nandeha namakivaky ilay tany efitra lehibe sady mampahatahotra+ izay efa hitanareo. Ary ny lalana mankany amin’ny faritra be tendrombohitra misy ny Amorita+ no narahintsika, araka izay nandidian’i Jehovah Andriamanitsika, ka tonga tao Kadesi-barnea+ isika. 20  Dia hoy aho taminareo: ‘Tonga eto amin’ity faritra be tendrombohitra misy ny Amorita ity ianareo, dia faritra omen’i Jehovah Andriamanitsika antsika.+ 21  Efa natolotr’i Jehovah Andriamanitrao teo an-tananao ity tany ity,+ ka miakara ary alaivo ho anao izany, araka izay nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny razanao taminao.+ Aza matahotra na mihorohoro.’+ 22  “Nanatona ahy daholo anefa ianareo, ka nanao hoe: ‘Aoka isika haniraka olona hialoha antsika, hijery taratra an’ilay tany ka hanao tatitra atỳ amintsika momba izay lalana tokony hiakarantsika sy izay tanàna hidirantsika.’+ 23  Dia hitako hoe tsara izany hevitra izany, ka naka roa ambin’ny folo lahy teo aminareo aho, izany hoe iray isam-poko.+ 24  Koa lasa izy ireo niakatra ho any amin’ilay faritra be tendrombohitra,+ ary tonga hatrany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Eskola,+ ka nijery taratra an’ilay tany. 25  Dia nakan’izy ireo ny vokatry ny tany,+ ka nentiny nidina tany amintsika. Ary nanao tatitra tany amintsika izy ireo hoe: ‘Tsara ilay tany+ homen’i Jehovah Andriamanitsika antsika.’ 26  Tsy nety niakatra+ anefa ianareo, ka nikomy tsy nanaraka ny didin’i Jehovah Andriamanitrareo.+ 27  Dia tsy nitsahatra nimenomenona ianareo tao an-tranolainareo, nanao hoe: ‘Halan’i Jehovah+ isika matoa nentiny nivoaka avy tany Ejipta+ mba hanolorany antsika eo an-tanan’ny Amorita sy handringanany antsika.+ 28  Hiakatra ho aiza isika? Efa nampihorohoro ny fontsika+ ny rahalahintsika rehefa nilaza hoe: “Vaventy sy lava noho isika+ ny olona, ary lehibe ny tanàna sady misy manda manakatra ny lanitra.+ Hitanay tany koa ny taranaky ny Anakita.”’+ 29  “Dia hoy aho taminareo: ‘Aza mivadi-po na matahotra azy,+ 30  fa i Jehovah Andriamanitrareo no mandeha eo alohanareo. Izy no hiady ho anareo,+ araka izay rehetra nataony ho anareo teo ambany masonareo tany Ejipta+ 31  sy tany an-tany efitra.+ Efa hitanareo tany fa tahaka ny fitondran’ny olona an-janany no nitondran’i+ Jehovah Andriamanitrareo anareo, tany amin’ny lalana rehetra nalehanareo mandra-pahatonganareo teto.’+ 32  Na teo aza anefa izany teniko izany, dia mbola tsy ninoanareo ihany i Jehovah Andriamanitrareo+ 33  izay nandeha teo alohanareo teny an-dalana, mba hitady toerana hitobianareo,+ ka afo no nitarihany anareo rehefa alina mba hahitanareo izay lalana tokony haleha, ary rahona kosa rehefa antoandro.+ 34  “Ren’i Jehovah ny teninareo tamin’izany fotoana rehetra izany, dia tezitra izy ka nianiana+ hoe: 35  ‘Tsy hisy na iray aza amin’ity taranaka ratsy fanahy ity hahita ilay tany soa izay nianianako homena ny razanareo,+ 36  afa-tsy i Kaleba zanak’i Jefone.+ Izy no hahita izany, ary izy sy ny taranany no homeko ilay tany izay nodiaviny, satria nanaraka an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo+ izy. 37  Izaho koa aza notezeran’i Jehovah noho ny aminareo, ka nitenenany hoe: ‘Tsy hiditra any koa ianao,+ 38  fa i Josoa zanak’i Nona, izay mitsangana eo anatrehanao, no hiditra any.’+ Koa izy no nampaherezin’Andriamanitra,+ fa izy no hampandova ny Israely an’ilay tany. 39  Ary ny amin’ny zanakareo madinika izay nolazainareo hoe: “Ho lasa babo ireo!”,+ sy ny zanakareo izay mbola tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy akory ankehitriny, dia ireo no hiditra any, ary ireo no homeko ilay tany, ary ireo no haka azy ho fananany. 40  Fa ianareo kosa, mivilia ka mankanesa any an-tany efitra, any amin’ny lalana mankany amin’ny Ranomasina Mena.’+ 41  “Dia izao no navalinareo: ‘Efa nanota tamin’i Jehovah izahay.+ Hiakatra izahay ka hiady, araka izay rehetra nandidian’i Jehovah Andriamanitsika!’ Dia samy nanao ny fitaovam-piadianareo teo amin’ny andilanareo avy ianareo, ary noheverinareo fa ho mora ny hiakatra tany an-tendrombohitra.+ 42  Fa hoy i Jehovah tamiko: ‘Lazao amin’ireo hoe: “Aza miakatra hiady fa tsy eo aminareo aho,+ sao ho resy eo anoloan’ny fahavalonareo ianareo.”’+ 43  Dia niteny taminareo aho, nefa tsy nihaino ianareo, fa nikomy+ tsy nanaraka ny tenin’i Jehovah sady mbola be di-doha, ka nitady hiakatra tany an-tendrombohitra+ ihany. 44  Kanjo nivoaka hifanandrina taminareo ny Amorita, izay nonina tany amin’ilay tendrombohitra, ka nanenjika anareo+ toy ny tantely, ary nanaparitaka anareo tany Seira ka hatrany Horma.+ 45  Dia niverina ianareo ka nitomany teo anatrehan’i Jehovah. Fa tsy nihaino anareo i Jehovah,+ na nanongilan-tsofina hihaino anareo.+ 46  Koa nonina andro maro tao Kadesy ianareo, araka ny hamaroan’ny andro nonenanareo tao.+

Fanamarihana