Deoteronomia 10:1-22

10  “Tamin’izay fotoana izay no nilazan’i Jehovah tamiko hoe: ‘Manamboara takela-bato roa mitovy amin’ireo voalohany+ ka miakara atỳ amiko, atỳ an-tendrombohitra. Manaova koa vata hazo+ iray.  Dia hosoratako eo amin’ireo takela-bato ny teny teo amin’ireo takela-bato voalohany izay novakivakinao. Ary ataovy ao anatin’ilay vata ireo.’  Koa nanao vata tamin’ny hazo akasia aho, ary nanamboatra takela-bato roa nitovy tamin’ireo voalohany.+ Dia niakatra tao an-tendrombohitra aho, ary teny an-tanako ny takela-bato roa.  Ary nosoratany teo amin’ireo ilay soratra tamin’ny voalohany,+ dia ny Teny Folo+ nolazain’i Jehovah taminareo avy tao anaty afo,+ tao an-tendrombohitra, tamin’ny andro namoriana ny fiangonana.+ Dia nomen’i Jehovah ahy ireo takela-bato,  ary nihodina aho ka nidina avy tany an-tendrombohitra.+ Napetrako tao anatin’ilay vata nataoko ireo takela-bato mba ho ao foana, araka izay nandidian’i Jehovah ahy.+  “Dia niala tany Berota Bene-jakana+ ny zanak’Israely mba ho any Mosera. Tao no nahafatesan’i Arona sy nandevenana azy.+ Ary i Eleazara zanany no nanao ny asan’ny mpisorona nandimby azy.+  Dia niala tao izy ireo ka nankany Godgoda, ary avy tao dia nankany Jotbata,+ izay be lohasaha falehan-driaka misy rano.  “Tamin’izay fotoana izay no nanokanan’i Jehovah ny fokon’i Levy+ mba hilanja ny Vata misy ny fifanekena+ nataon’i Jehovah, sy mba hitsangana eo anatrehan’i Jehovah hanompo azy,+ ary mba hitso-drano amin’ny anarany mandraka androany.+  Noho izany, dia tsy manana anjara na lova+ miaraka amin’ny rahalahiny i Levy, fa i Jehovah no lovany, araka izay nolazain’i Jehovah Andriamanitrao taminy.+ 10  Ary nijanona tao an-tendrombohitra efapolo andro sy efapolo alina+ toy ilay tamin’ny voalohany aho. Nihaino ahy koa i Jehovah tamin’izay.+ Tsy te handringana anao i Jehovah.+ 11  Dia hoy i Jehovah tamiko: ‘Mandehana hialoha lalana ny olona mba hitarika azy hiditra ao amin’ilay tany izay nianianako tamin’ny razany homena azy, ka hakany izany ho fananany.’+ 12  “Ary ankehitriny, ry Israely ô, inona moa no angatahin’i Jehovah Andriamanitrao aminao?+ Tsy izao ihany ve: Ny hatahoranao+ an’i Jehovah Andriamanitrao mba handehananao amin’ny lalany rehetra+ sy hitiavanao azy+ sy hanompoanao an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo,+ 13  ary ny hitandremanao ny didin’i Jehovah sy ny lalàny+ izay andidiako anao anio, mba hahasoa anao?+ 14  An’i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra,+ eny fa na dia ny lanitry ny lanitra sy ny tany+ mbamin’izay rehetra eo aminy aza. 15  Ny razanao ihany anefa no niraiketan’ny fon’i Jehovah ka notiaviny. Koa nofidiny teo amin’ny firenena rehetra ny taranany,+ izany hoe ianareo, toy ny amin’izao andro izao. 16  Koa forao ny fonareo,+ ary aza manamafy hatoka intsony.+ 17  Fa Andriamanitry ny andriamanitra+ sy Tompon’ny tompo+ i Jehovah Andriamanitrareo. Izy no Andriamanitra lehibe sy mahery ary mendrika hatahorana,+ izay tsy miangatra amin’iza na iza,+ ary tsy mandray kolikoly,+ 18  fa manome rariny ho an’ny kamboty ray sy ny mpitondratena,+ sady tia ny mpivahiny+ ka manome azy hanina sy lamba fitafy. 19  Ary tiavo koa ny mpivahiny,+ fa efa mba mpivahiny tany Ejipta ihany ianareo.+ 20  “I Jehovah Andriamanitrao no tokony hatahoranao,+ izy no hotompoinao,+ izy no hifikiranao,+ ary amin’ny anarany no hianiananao.+ 21  Izy Ilay tokony hoderainao,+ ary izy no Andriamanitrao, izay nanao ireo zavatra lehibe sy mampahatahotra ireo ho anao, dia izay hitan’ny masonao.+ 22  Rehefa nidina tany Ejipta ny razanao, dia fitopolo monja izy ireo,*+ nefa ankehitriny nataon’i Jehovah Andriamanitrao tonga maro be tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra.+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.