Deoteronomia 11:1-32

11  “Tiavo foana i Jehovah Andriamanitrao,+ ary ataovy mandrakariva ny adidinao aminy, ka tandremo foana ny lalàny sy ny didim-pitsarany+ ary ny didiny.  Fantatrareo tsara ankehitriny fa tsy ny zanakareo no itenenako, dia ny zanakareo izay tsy nahalala sady tsy nahita ny famaizan’i Jehovah+ Andriamanitrareo, sy ny fahalehibeazany,+ sy ny tanany mahery,+ ary ny sandriny nahinjitra.+  Ny zanakareo koa tsy nahita ny famantarana sy ny zavatra nataony tany Ejipta,+ tamin’i Farao mpanjakan’i Ejipta sy ny taniny manontolo,  na ny nataony tamin’ny tafik’i Ejipta sy ny soavalin’i Farao mbamin’ny kalesin’adiny, izay difotry ny ranon’ny Ranomasina Mena rehefa nanenjika anareo,+ ka nataon’i Jehovah ringana mandraka androany.+  Tsy nahita ny nataon’Andriamanitra taminareo, tany an-tany efitra koa izy ireo, mandra-pahatonganareo teto amin’ity toerana ity,  na ny nataony tamin’i Datana sy Abirama+ zanak’i Eliaba taranak’i Robena, rehefa nisokatra ny tany ka nitelina azy, mbamin’ny ankohonany, sy ny tranolainy, ary izay rehetra nanaraka azy teo amin’ny Israely rehetra.+  Ny masonareo kosa no nahita ny asa lehibe rehetra nataon’i Jehovah.+  “Koa tandremo ny didy rehetra+ andidiako anareo anio, mba hihamahery ianareo ka hiditra ao amin’ilay tany halehanareo erỳ ampita, ary haka azy io ho fanananareo.+  Eny, tandremo izany mba ho lava andro iainana ianareo+ eo amin’ilay tany izay nianianan’i Jehovah tamin’ny razanareo homena azy sy ny taranany,+ dia tany tondra-dronono sy tantely.+ 10  “Ilay tany halainao ho fanananao dia tsy hoatran’i Ejipta izay nialanao, eny, i Ejipta izay namafazanao voa sy nampidiranao rano tamin’ny tongotrao tahaka ny zaridaina fambolena legioma. 11  Ilay tany halehanareo erỳ ampita kosa, dia tany be tendrombohitra sy lemaka*+ sady mifoka rano avy amin’ny ranonoran’ny lanitra. 12  Tany voakarakaran’i Jehovah Andriamanitrao io. Mitsinjo azy io mandrakariva ny mason’i+ Jehovah Andriamanitrao, manomboka amin’ny fiandohan’ny taona ka hatramin’ny faran’ny taona. 13  “Ary raha mankatò an-tsakany sy an-davany ny didy+ izay andidiako anareo anio ianareo, ka tia an’i Jehovah Andriamanitrareo sy manompo azy amin’ny fonareo manontolo sy ny tenanareo manontolo,+ 14  dia handatsaka orana amin’ny fotoanany+ eo amin’ny taninareo aho, dia oram-pararano sy oran-dohataona.+ Ary hanangona ny varimbazahanareo sy ny divay mamy ary ny menakareo ianareo. 15  Dia hampaniriko zavamaniry ho an’ny biby fiompinareo+ ny sahanareo. Ary hihinan-kanina ianareo ka ho voky.+ 16  Tandremo anefa sao voafitaka ny fonareo,+ ka mivily hanompo andriamani-kafa ianareo ary miankohoka eo anatrehany.+ 17  Dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’i Jehovah, ka hanidy ny lanitra izy mba tsy hisy orana,+ ary tsy hahavokatra ny tany. Ary tsy ho ela ianareo dia ho ripaka tsy ho eo amin’ilay tany soa omen’i Jehovah anareo.+ 18  “Alatsaho ao am-ponareo+ sy ampiharo amin’ny tenanareo ireo teniko ireo. Dia afatory ho famantarana eo amin’ny tananareo izany, ary ataovy fehiloha eo amin’ny handrinareo.+ 19  Ampianaro ny zanakao koa izany, ka resaho na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha eny an-dalana, na mandry, na mifoha.+ 20  Ary soraty eo amin’ny tolàm-baravaran’ny tranonao sy eo amin’ny vavahadinao+ izany, 21  mba ho maro andro+ ianao sy ny taranakao eo amin’ilay tany izay nianianan’i Jehovah tamin’ny razanao homena azy,+ eny, ho maro andro tahaka ny haharetan’ny lanitra ambonin’ny tany.+ 22  “Fa raha mitandrina an-tsakany sy an-davany ny didy+ rehetra andidiako anareo ianareo ary mankatò izany, ka tia an’i Jehovah Andriamanitrareo+ sy mandeha amin’ny lalany rehetra+ ary mifikitra aminy,+ 23  dia horoahin’i Jehovah noho ny aminareo ireo firenena rehetra ireo.+ Ary ianareo handroaka firenena lehibe sady maro an’isa noho ianareo.+ 24  Ho lasanareo ny toerana rehetra hodiavin’ny tongotrareo.+ Ary ny sisin-taninareo dia hanomboka any an-tany efitra ka hatrany Libanona, ary hanomboka any amin’ny Renirano, izany hoe ny reniranon’i Eofrata, ka hatrany amin’ny ranomasina andrefana.+ 25  Tsy hisy hahatohitra anareo,+ fa hataon’i Jehovah Andriamanitrareo mihorohoro sy matahotra anareo ny tany rehetra+ hodiavinareo, araka izay nampanantenainy anareo. 26  “Koa ataoko eo anatrehanareo anio ny fitahiana sy ny ozona,+ 27  eny, fitahiana raha toa ianareo ka mankatò ny didin’i Jehovah Andriamanitrareo,+ izay andidiako anareo anio, 28  ary ozona+ kosa, raha toa ianareo ka tsy mankatò ny didin’i Jehovah Andriamanitrareo,+ fa mivily miala amin’ny lalana andidiako anareo anio ka manaraka andriamani-kafa tsy fantatrareo. 29  “Ary rehefa ampidirin’i Jehovah Andriamanitrao ao amin’ilay tany halehanao ianao,+ dia tonòny eo amin’ny Tendrombohitra Gerizima ilay fitahiana,+ ary eo amin’ny Tendrombohitra Ebala kosa ilay ozona.+ 30  Tsy eny ampitan’i Jordana ve ireo, amin’ilay ilany manandrify ny filentehan’ny masoandro, any amin’ny tanin’ny Kananita monina any Araba,+ tandrifin’i Gilgala,+ eo anilan’ny hazoben’i More?+ 31  Fa efa hiampita an’i Jordana ianareo mba hiditra ao amin’ilay tany omen’i Jehovah Andriamanitrareo anareo, ary haka izany ho fanananareo ka honina ao. + 32  Koa araho tsara ny fitsipika sy ny didim-pitsarana+ rehetra ataoko eo anatrehanareo anio.+

Fanamarihana

A.b.t.: “lohasaha lemaka.”