Deoteronomia 13:1-18

13  “Raha misy mpaminany+ na mpanonofy+ eo aminareo ka milaza famantarana na fambara,+  ary tanteraka ilay famantarana na fambara nolazainy,+ fony izy nanao hoe: ‘Andao hanaraka andriamani-kafa tsy fantatrao, ary andao hanompo azy’,  dia aza mihaino ny tenin’izany mpaminany na mpanonofy izany,+ fa mitsapa toetra+ anareo i Jehovah Andriamanitrareo mba hahalalany raha tia an’i Jehovah Andriamanitrareo amin’ny fonareo manontolo sy ny tenanareo manontolo+ ianareo.  I Jehovah Andriamanitrareo no tokony harahinareo, ary izy no tokony hatahoranareo. Ny didiny no hotandremanareo, ary ny feony no hohenoinareo. Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.+  Fa hovonoina ho faty+ izany mpaminany+ na mpanonofy izany, satria efa nitaona anareo hikomy tamin’i Jehovah Andriamanitrareo izay nitondra anareo nivoaka avy tany Ejipta, sy nanavotra anareo avy tany amin’ny trano fanandevozana. Eny, nitaona anareo hikomy izy, mba hampiala anareo amin’ny lalana nasain’i Jehovah Andriamanitrareo haleha.+ Esory tsy ho eo aminareo ny ratsy.+  “Raha mitady hitaona anao mangingina ny rahalahinao zanaky ny reninao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny vady malalanao, na ny namanao akaiky izay efa toy ny tenanao,+ ka manao hoe: ‘Andao hanompo andriamani-kafa’+ tsy fantatrao sady tsy fantatry ny razanao,  izay andriamanitry ny firenena manodidina, na akaiky na lavitra, manomboka any amin’ny faran’ilay tany ka hatrany amin’ny faran’ilay tany,  dia aza manao izay tiany na mihaino azy.+ Aoka tsy hiantra azy ny masonao, ary aza mangoraka+ azy, na manarontsarona ny ataony mba hiarovana azy,  fa vonoy ho faty+ izy. Ny tananao no voalohany hamely azy ho faty, avy eo vao ny tanan’ny olona rehetra.+ 10  Ary hitora-bato azy ho faty+ ianao, noho izy efa nitady hampiala anao tamin’i Jehovah Andriamanitrao, izay nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta, avy tany amin’ny trano fanandevozana.+ 11  Handre izany ny Israely rehetra, dia hatahotra ka tsy hanao zava-dratsy toy izany intsony eo aminareo.+ 12  “Raha ao amin’ny iray amin’ny tanàna omen’i Jehovah Andriamanitrao anao mba honenanao no andrenesanao filazana hoe: 13  ‘Misy olona tsy manjary avy eo aminareo,+ ary mitady hampiala ny mponina ao an-tanànany amin’Andriamanitra+ izy, ka manao hoe: “Andao hanompo andriamani-kafa”, izay tsy fantatrao’, 14  dia hikaroka sy hamotopototra ary hanadihady tsara+ ianao. Koa raha voaporofo fa marina izany, ary natao teo aminareo tokoa izany zava-maharikoriko izany, 15  dia tsy maintsy hasianao amin’ny lelan-tsabatra+ ny mponin’izany tanàna izany. Aringano+ tanteraka amin’ny lelan-tsabatra ny tanàna sy izay rehetra ao aminy, mbamin’ny biby fiompiny. 16  Ary angony eo afovoan’ny tany malalaky ny tanàna ny zava-drehetra nobaboina tao, ka dory miaraka amin’ilay tanàna,+ ho fanatitra dorana manontolo ho an’i Jehovah Andriamanitrao. Aoka ho lasa korontam-bato miavosa ilay tanàna, mandritra ny fotoana tsy voafetra.+ Tsy tokony haorina intsony izy io. 17  Aza alaina ho anao ny zavatra voarara izay efa voatokana,+ dia tsy hirehitra intsony ny fahatezeran’i Jehovah+ ary hamindra fo aminao izy ka hiantra+ anao, ary hahamaro anao, araka izay nianianany tamin’ny razanao.+ 18  Tokony hihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hitandrina ny didiny rehetra+ izay andidiako anao anio, mba hanaovanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah Andriamanitrao.+

Fanamarihana