Deoteronomia 14:1-29

14  “Zanak’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.+ Koa aza didididiana ny vatanareo,+ ary aza haratana+ ny volomasonareo,* rehefa misy maty.  Fa vahoaka masina+ ianareo amin’i Jehovah Andriamanitrareo, ary nofidin’i Jehovah avy tamin’ny firenena rehetra etỳ ambonin’ny tany, mba ho vahoakany sy ho fananany manokana.+  “Aza mihinana zava-maharikoriko, na inona izany na inona.+  Fa izao no karazam-biby azonareo hanina:+ Omby, ondry aman’osy,  serfa, gazela, serfa kely,+ osidia, antilopa, ondridia, samoà,  ary ny biby mandinika* rehetra izay mivaky kitro ka misaraka roa tsara ny kitrony.+ Azonareo hanina izany.  Izao ihany no biby tsy azonareo hanina amin’ny biby mandinika na mivaky kitro ka misaraka tsara ny kitrony: Ny rameva+ sy ny bitrodia+ ary ny bitrom-bato,+ satria mandinika ireny, saingy tsy mivaky kitro. Maloto aminareo ireny.  Toy izany koa ny kisoa,+ satria mivaky kitro izy, nefa tsy mandinika. Maloto aminareo izy. Tsy misy azonareo hanina ny henan’ireny, ary aza kasihina ny fatiny.+  “Izao no azonareo hanina amin’izay rehetra ao anaty rano: Izay misy vombony sy kirany no azonareo hanina.+ 10  Izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa tsy azonareo hanina.+ Maloto aminareo izany. 11  “Azonareo hanina ny vorona madio rehetra. 12  Fa ireto no tsy azonareo hanina: Ny voromahery, ny hitsikitsika mpihinan-trondro, ny vaotoro mainty,+ 13  ny papango mena, ny papango mainty,+ ny karazana papango rehetra, 14  ny karazana goaika+ rehetra, 15  ny aotirisy,+ ny vorondolo, ny varevaka, ny karazana hitsikitsika lehibe rehetra, 16  ny vorondolo kely, ny vorondolo lava sofina,+ ny gisa mpanidina, 17  ny gisandrano,+ ny vaotoro, ny sakaizamboay, 18  ny vanobe, ny karazana vano rehetra, ny takodara, ary ny ramanavy.+ 19  Ny bibikely rehetra manana elatra sady mifanaretsaka dia maloto aminareo,+ ka tsy tokony hohanina. 20  Ny biby manidina rehetra izay madio dia azonareo hanina. 21  “Aza mihinana biby maty ho azy.+ Azonao omena ny vahiny monina ao an-tanànanao kosa izany, ka izy no hihinana azy. Azo amidy amin’ny hafa firenena koa izany. Fa vahoaka masina ianao amin’i Jehovah Andriamanitrao. “Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.+ 22  “Aoka ianao hanome ny ampahafolon’ny vokatra rehetra avy amin’ny voa nafafinao, dia izay vokatry ny saha isan-taona.+ 23  Eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao, any amin’izay toerana hofidiny hampitoerana ny anarany no hihinananao ny ampahafolon’ny varimbazahanao+ sy ny divainao vaovao sy ny menakao, ary hihinananao ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinao,+ mba hianaranao hatahotra an’i Jehovah Andriamanitrao mandrakariva.+ 24  “Raha lavitra loatra ny lalan-kaleha,+ satria lavitra loatra ho anao ny toerana hofidin’i Jehovah Andriamanitrao hametrahana ny anarany+ ka tsy ho zakanao entina ireo, satria hitahy anao i Jehovah Andriamanitrao,+ 25  dia avadiho ho vola ireo, ary tazòny eny an-tananao ny vola, ka mandehana any amin’ny toerana hofidin’i Jehovah Andriamanitrao. 26  Vidio amin’ilay vola izay rehetra irinao+ na omby na ondry na osy na divay na toaka,+ ary izay zavatra tianao. Hihinana izany eo anatrehan’i Jehovah ianao any, ary hifaly+ ianao sy ny ankohonanao. 27  Aza atao tsirambina ny fikarakarana ny Levita+ izay ao an-tanànanao, fa tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy.+ 28  “Isaky ny telo taona, dia ento manontolo ny ampahafolon’ny vokatrao amin’ilay taona fahatelo,+ ka apetraho ao an-tanànanao. 29  Aoka ho avy ny Levita+ satria tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy, ary aoka koa ho avy ny mpivahiny+ sy ny kamboty ray ary ny mpitondratena+ izay ao an-tanànanao, dia hihinana izy ireo ka ho voky. Dia hotahin’i Jehovah Andriamanitrao+ ianao amin’izay rehetra hataon’ny+ tananao.

Fanamarihana

Na: “aza haratana ny handrinareo.”
Jereo Le 11:3 f.a.p.