Deoteronomia 15:1-23

15  “Isaky ny fito taona, dia asio fotoam-panafahana.  Toy izao no anaovana ilay fanafahana:+ Hamoy izay trosa mety hananany any amin’ny namany ny tompon-trosa rehetra. Tsy hotereny handoa+ izany ny namany na ny rahalahiny, satria hisy antso avo manambara fanafahana+ ho voninahitr’i Jehovah.  Ny hafa firenena+ no azonao terena handoa trosa, fa izay anananao any amin’ny rahalahinao kosa dia aoka hafoinao.  Tsy tokony hisy ho lasa mahantra anefa eo aminao, satria hitahy anao tokoa i Jehovah+ ao amin’ilay tany omen’i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, sy halainao ho fanananao,+  raha tena mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka mitandrina tsara izao didy rehetra andidiako anao anio izao.+  Ary hitahy anao tokoa i Jehovah Andriamanitrao, araka izay nampanantenainy anao. Koa hampisambotra+ ny firenena maro ianao sady haka antoka, fa ianao kosa tsy mba hisambotra. Ary hifehy firenena maro ianao, fa ireny kosa tsy mba hifehy anao.+  “Raha misy amin’ny rahalahinao lasa mahantra ao amin’ny iray amin’ny tanànanao, ao amin’ny taninao izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao, dia aza manamafy fo, ary aza mafy tanana amin’ny rahalahinao mahantra.+  Fa tokony hanokatra ny tananao aminy ianao ka halala-tanana,+ dia hampisambotra azy sady haka antoka, ary hanome azy izay ilainy nefa tsy ananany.  Koa tandremo sao mitsiry ao am-ponao ny hevi-dratsy+ hoe: ‘Efa akaiky ny taona fahafito, taom-panafahana.’+ Dia hanjary ho kahihitra ianao rehefa mijery ny rahalahinao mahantra,+ ka tsy hanome azy na inona na inona. Ary hitaraina amin’i Jehovah momba anao izy,+ ka ho fahotana ho anao izany.+ 10  Tena tokony homenao izy,+ ary tsy tokony ho kahihitra ny fonao rehefa manome azy, satria izany no hitahian’i Jehovah Andriamanitrao anao amin’ny asanao rehetra sy izay rehetra hataonao.+ 11  Hisy olo-mahantra foana mantsy eo amin’ilay tany.+ Koa izany no andidiako anao hoe: ‘Tokony hanokatra ny tananao ianao ka halala-tanana amin’ny rahalahinao ory sy mahantra, izay eo amin’ny taninao.’+ 12  “Raha namidy taminao ny rahalahinao, lehilahy hebreo na vehivavy hebreo,+ ka efa nanompo anao enin-taona, dia tokony halefanao ho olona afaka izy amin’ny taona fahafito.+ 13  Aza alefa tanam-polo izy raha alefanao ho olona afaka.+ 14  Tena tokony hanomezanao azy ny ondry aman’osinao sy ny vokatrao avy teny am-pamoloana sy avy tamin’ny famiazan’olivanao sy ny famiazam-boalobokao. Araka izay nitahian’i Jehovah Andriamanitrao anao no tokony hanomezanao azy.+ 15  Tsarovy koa fa andevo tany Ejipta ianao, ary nanavotra anao i Jehovah Andriamanitrao.+ Izany no antony andidiako anao anio mba hanao izany. 16  “Fa raha milaza aminao kosa izy hoe: ‘Tsy hiala eto aminao aho!’ satria tena tiany ianao sy ny ankohonanao fa nety tsara taminy tao aminao,+ 17  dia makà haolo ka teveho amin’iny eo amin’ny varavarana ny sofiny, ary ho lasa mpanomponao mandritra ny fotoana tsy voafetra izy.+ Ataovy toy izany koa ny mpanompovavinao. 18  Aoka tsy ho mafy aminao ny handefa azy hiala eo aminao mba ho olona afaka,+ satria avo roa heny noho ny karaman’ny mpikarama+ iray ny vidin’ny nanompoany anao enin-taona, ka nitahian’i Jehovah Andriamanitrao anao tamin’izay rehetra nataonao.+ 19  “Hamasino ho an’i Jehovah Andriamanitrao ny lahy voalohan-teraka rehetra,+ izay hateraky ny omby aman’ondrinao. Aza mampiasa ny voalohan-teraky ny ombinao, na manety ny volon’ny voalohan-teraky ny ondry aman’osinao.+ 20  Eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao izany isan-taona miaraka amin’ny ankohonanao, eo amin’ny toerana hofidin’i Jehovah.+ 21  Ary aza atao sorona ho an’i Jehovah Andriamanitrao ilay biby raha manan-takaitra: Na malemy tongotra ilay izy, na jamba na manana takaitra ratsy na inona na inona.+ 22  Ao an-tanànanao no hihinananao izany, ary samy mahazo mihinana na ny olona maloto na ny madio,+ tahaka ny ahazoana mihinana gazela sy serfa.+ 23  Ny rany ihany no tsy azonao hanina,+ fa tokony hararakao amin’ny tany toy ny rano.+

Fanamarihana