Deoteronomia 17:1-20

17  “Aza atao sorona ho an’i Jehovah Andriamanitrao ny omby na ondry manan-takaitra, na misy tsininy na inona na inona, fa zava-maharikoriko amin’i Jehovah Andriamanitrao izany.+  “Raha toa ao amin’ny iray amin’ny tanàna nomen’i Jehovah Andriamanitrao anao, ka misy lehilahy na vehivavy manao izay ratsy eo imason’i Jehovah Andriamanitrao, izany hoe mivadika amin’ny fifanekena nataon’Andriamanitra,+  ka lasa manompo andriamani-kafa sy miankohoka aminy, na amin’ny masoandro, na amin’ny volana na amin’izay rehetra eny amin’ny lanitra,+ nefa zavatra tsy mba nandidiako+ izany,  ary nolazaina taminao izany ary renao sady nohadihadinao tsara, ka voaporofo fa marina,+ eny, natao teo amin’ny Israely tokoa izany zava-maharikoriko izany,  dia avoahy ho eny am-bavahadinao ilay lehilahy na vehivavy nanao izany zava-dratsy izany, ka torahy vato ho faty.+  Amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo+ no hamonoana ilay tokony ho faty. Tsy hovonoina ho faty noho ny tenin’ny vavolombelona iray monja+ izy.  Ny tanan’ireo vavolombelona no voalohany hamely azy ho faty, avy eo vao ny tanan’ny olona rehetra.+ Esory tsy ho eo aminao ny ratsy.+  “Raha misy raharaham-pitsarana sarotra loatra aminao+ ao an-tanànanao, toy ny raharaha mahakasika fandatsahan-dra,+ na fampakarana raharaha any amin’ny fitsarana,+ na herisetra, na fifandirana,+ dia miaingà ka miakara any amin’izay toerana hofidin’i Jehovah Andriamanitrao,+  ary mankanesa any amin’ny Levita mpisorona+ sy izay mpitsara+ am-perinasa amin’izany fotoana izany ka anontanio ireo, fa ireo no hilaza aminao ny didim-pitsarana.+ 10  Dia araho izay teny hambarany aminao eo amin’ny toerana hofidin’i Jehovah, ary tandremo tsara izay rehetra asainy ataonao. 11  Izay lalàna hasehony anao sy izay didim-pitsarana hambarany aminao no hataonao.+ Aza miala amin’izay teny holazainy aminao, ka mivily miankavanana na miankavia.+ 12  Fa hovonoina ho faty+ ny olona sahisahy ratsy tsy mihaino an’ilay mpisorona izay mitsangana eo mba hanompo an’i Jehovah Andriamanitrao, na tsy mihaino ny mpitsara.+ Esory tsy ho eo amin’ny Israely ny ratsy.+ 13  Dia handre izany ny olona rehetra ka hatahotra,+ ary tsy ho sahisahy ratsy intsony. 14  “Rehefa tafiditra ao amin’ilay tany omen’i Jehovah Andriamanitrao anao ianao, ary maka izany ho fanananao sady efa monina ao,+ ka manao hoe: ‘Andeha aho mba hametraka mpanjaka hifehy ahy, sahala amin’ny firenena rehetra manodidina ahy’,+ 15  dia izay mpanjaka hofidin’i Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy hapetrakao hifehy anao.+ Avy amin’ny rahalahinao no hakanao olona ho mpanjaka hifehy anao, fa tsy azonao alaina hifehy anao ny hafa firenena, izay tsy rahalahinao. 16  Aoka anefa izy tsy hampitombo ny isan’ny soavaliny,+ na hampiverina ny olona ho any Ejipta mba hahazoana soavaly maro.+ Efa niteny taminareo mantsy i Jehovah hoe: ‘Aza miverina amin’io lalana io intsony.’ 17  Aoka koa izy tsy hampitombo ny isan’ny vadiny, sao hivily ny fony.+ Ary aoka izy tsy hanangona volafotsy sy volamena be dia be ho an’ny tenany.+ 18  Ary rehefa mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakany izy, dia aoka hadikany amin’ny boky mba ho an’ny tenany ity lalàna ity izay tehirizin’ny Levita mpisorona.+ 19  “Ho eo aminy foana izany, ary hovakiny amin’ny andro rehetra iainany,+ mba hianarany hatahotra an’i Jehovah Andriamaniny ka hitandremany sy hankatoavany izay rehetra voalazan’io lalàna io sy ireto fitsipika ireto.+ 20  Amin’izay dia tsy hanandra-tena ho ambony noho ny rahalahiny+ izy, ary tsy hiala amin’ny didy ka tsy hivily hiankavanana na hiankavia,+ mba ho lava andro eo amin’ny fanjakany+ izy sy ny taranany eo amin’ny Israely.

Fanamarihana