Deoteronomia 2:1-37

2  “Dia nivily isika ka niala teo mba ho any an-tany efitra. Ny lalana mankany amin’ny Ranomasina Mena no narahintsika, araka izay nolazain’i Jehovah tamiko.+ Ary nandeha andro maro teny amin’ny manodidina ny Tendrombohitra Seira isika.  Dia hoy i Jehovah tamiko:  ‘Efa ela no nandehananareo teny amin’ny manodidina an’io tendrombohitra io,+ ka mandehana mianavaratra.  Ary lazao amin’ny olona izao didy izao: “Efa handalo eo akaikin’ny sisin-tanin’ny taranak’i Esao rahalahinareo,+ izay monina any Seira,+ ianareo izao. Ary hatahotra anareo+ izy ireo, nefa mitandrema tsara.  Aza mila ady aminy, fa tsy hanomezako anareo ny taniny na dia eram-paladia aza, satria efa nomeko ho fananan’i Esao ny Tendrombohitra Seira.+  Izay hanina vidinareo vola aminy no hohaninareo. Ary izay rano vidinareo vola aminy no hosotroinareo.+  Fa nitahy anao i Jehovah Andriamanitrao tamin’izay rehetra nataon’ny tananao.+ Fantany tsara ny dianao namakivaky ity tany efitra lehibe ity. Ary nomba anao foana i Jehovah Andriamanitrao nandritra izay efapolo+ taona izay, ka tsy ory na inona na inona+ ianao.”’  Koa nandalo lavidavitra an’ireo taranak’i Esao+ rahalahintsika monina any Seira isika, ary nialantsika ny lalana mankany Araba+ sy Elata ary Eziona-gebera.+ “Dia nivily isika ka nandeha tamin’ny lalana mankany an-tany efitr’i Moaba.+  Dia hoy i Jehovah tamiko: ‘Aza mihetraketraka amin’ny Moabita na miady aminy, fa tsy hanomezako ho fanananao ny taniny, satria efa nomeko ho fananan’ny taranak’i Lota+ i Ara.+ 10  —Ny Emima+ no nonina tany fahiny. Firenena mahery sy maro an’isa ary lava toy ny Anakita+ ireny. 11  Ary noheverina ho tahaka ny Anakita+ koa ny Refaima,+ ka nantsoin’ny Moabita hoe Emima. 12  Nonina tany Seira ny Horita+ fahiny, fa nandroaka azy ny taranak’i Esao+ sady nandringana azy ka nonina tany hisolo azy,+ tahaka ny tsy maintsy ataon’ny Israely amin’ilay tany izay homen’i Jehovah azy ho fananany.— 13  Miaingà ankehitriny, ka mandehana mita ny lohasaha falehan-driakan’i Zareda.’+ Koa nita an’ilay lohasaha isika. 14  Ary valo amby telopolo taona no nandehanantsika avy tany Kadesi-barnea ka hatramin’ny niampitantsika ny lohasaha falehan-driakan’i Zareda, mandra-paharipaky ny lehilahy mpiady rehetra tamin’izany taranaka izany, ka tsy nisy intsony tao an-toby, araka izay efa nianianan’i Jehovah tamin’izy ireo.+ 15  Ary namely azy ireo koa ny tanan’i+ Jehovah mba hampisahotaka azy mandra-pahalany ripaka+ azy tsy hisy tao an-toby intsony. 16  “Ary raha vao tapitra maty ny lehilahy mpiady rehetra teo amin’ny vahoaka,+ 17  dia hoy indray i Jehovah tamiko: 18  ‘Izao ianao dia handalo ny faritr’i Moaba, izany hoe Ara,+ 19  ka manatòna ho eo anoloan’ny taranak’i Amona. Aza mihetraketraka aminy na miady aminy, fa tsy hanomezako ho fanananao ny taniny, satria ny taranak’i Lota no efa nomeko izany.+ 20  Noheverina ho tanin’ny Refaima+ koa izy io. Nonina tao mantsy fahiny ny Refaima, izay nantsoin’ny Amonita hoe Zamzomita. 21  Firenena mahery sy maro an’isa ary lava toy ny Anakita+ ireny. Naringan’i Jehovah+ tsy ho eo anatrehan’ny Amonita ireny mba hakan’ny Amonita ny tanin’ireny ka honenan’izy ireo ao hisolo azy, 22  toy ny nataon’Andriamanitra ho an’ny taranak’i Esao, izay monina any Seira.+ Nandringana ny Horita+ tsy ho eo anatrehan’ny taranak’i Esao mantsy Izy, mba hakan’izy ireo ny tanin’ny Horita ka honenany ao hisolo azy, mandraka androany. 23  Ary ny Avita+ izay nonina an-tanàna kely hatrany Gaza,+ dia naringan’ny Kaftorima+ izay avy tany Kaftora,+ mba honenan’izy ireo ao hisolo azy. 24  “‘Koa mitsangàna, ary miaingà ka mità ny lohasaha falehan-driakan’i Arnona.+ Efa natolotro teo an-tananao i Sihona+ Amorita mpanjakan’i Hesbona. Koa alaivo ho fanananareo amin’izay ny taniny, ary miadia aminy. 25  Ary manomboka anio dia hataoko mihorohoro sy matahotra anao ny olona ambanin’ny lanitra rehetra izay handre momba anao. Dia hitebiteby izy ary hanaintaina toy ny mihetsi-jaza noho ny aminao.’+ 26  “Dia nandefa iraka avy tany an-tany efitr’i Kedemota+ aho hankany amin’i Sihona+ mpanjakan’i Hesbona, mba hitondra teny fangataham-pihavanana,+ nanao hoe: 27  ‘Avelao aho handalo ao amin’ny taninao, fa ny lalambe ihany no hizorako ka tsy hivily hiankavanana aho na hiankavia.+ 28  Izay hanina hamidinao vola amiko no hohaniko, ary izay rano hamidinao vola amiko no hosotroiko. Fa avelao fotsiny aho handalo ao amin’ny taninao.+ 29  Namela ahy handalo tao amin’ny taniny mantsy ny taranak’i Esao monina any Seira,+ sy ny Moabita+ any Ara, mandra-piampitako ny Reniranon’i Jordana ho any amin’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitray anay.’+ 30  Fa tsy namela antsika handalo tao amin’ny taniny i Sihona mpanjakan’i Hesbona, satria navelan’i Jehovah Andriamanitrao hikiribiby+ amin’ny heviny sy hanamafy ny fony izy, mba hanolorana azy eo an-tananao toy ny amin’izao andro izao.+ 31  “Dia hoy i Jehovah tamiko: ‘Manomboka izao dia atolotro eo an-tananao i Sihona sy ny taniny. Koa alaivo ho fanananareo amin’izay ny taniny.’+ 32  Ary rehefa nivoaka hiady tamintsika tao Jahaza i Sihona sy ny olony rehetra,+ 33  dia natolotr’i Jehovah Andriamanitsika teo an-tanantsika+ izy. Koa resintsika izy+ sy ny zanany ary ny olony rehetra, 34  ary azontsika daholo ny tanànany tamin’izay fotoana izay, ka naringantsika tanteraka+ ny tanàna tsirairay sy ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy madinika. Tsy nasiantsika niangana izy na iray aza. 35  Ny biby fiompy ihany no nalaintsika, mbamin’ny fananana tao amin’ireo tanàna azontsika.+ 36  Nanomboka tany Aroera,+ eo an-tsisin’ny lohasaha falehan-driakan’i Arnona, sy ny tanàna ao an-dohasaha falehan-driaka, ka hatrany Gileada, dia tsy nisy tanàna avo loatra ho antsika,+ fa natolotr’i Jehovah Andriamanitsika teo an-tanantsika daholo izy rehetra. 37  Fa tsy nohatoninao kosa ny tanin’ny taranak’i Amona,+ dia ny sisiny rehetra amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Jaboka,+ na ny tanàna ao amin’ny faritra be tendrombohitra, na izay rehetra nandraran’i Jehovah Andriamanitsika antsika.

Fanamarihana