Deoteronomia 21:1-23

21  “Raha misy maty novonoin’olona ka hita miampatra any an-tsaha, ao amin’ilay tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao mba halainao ho fanananao, ary tsy fantatra izay namono azy,+  dia hivoaka ny anti-panahy sy ny mpitsara+ eo aminao, ka handrefy manomboka eo amin’ilay faty ka hatreny amin’ireo tanàna manodidina,  mba hahitana hoe iza no tanàna akaiky indrindra an’ilay faty. Ary haka vantotr’ombivavy mbola tsy nampiasaina sady mbola tsy nitondra zioga ny anti-panahin’izany tanàna izany,  ka hitondra an’ilay ombivavy hidina ho any amin’ny lohasaha falehan-driaka misy rano, dia lohasaha mbola tsy nasaina na namafazam-boa. Ary hovelezin’izy ireo eo amin’ilay lohasaha ny hatok’ilay ombivavy mba hahafaty azy.+  “Ary hanatona eo ny mpisorona taranak’i Levy, satria izy ireo no nofidin’i Jehovah Andriamanitrao hanompo azy+ sy hitso-drano+ amin’ny anaran’i Jehovah, ary ny tenin’izy ireo no hoenti-mandamina ny adihevitra rehetra momba ny herisetra isan-karazany.+  Dia hanasa ny tanany+ eo ambonin’ilay vantotr’ombivavy ny anti-panahy rehetra ao amin’ilay tanàna akaiky indrindra an’ilay faty, rehefa avy novelezina teo amin’ny lohasaha ny hatok’ilay ombivavy.  Ary hiteny izy ireo hoe: ‘Tsy nandatsaka an’io ra io ny tananay, sady tsy nahita ny nanaovana izany ny masonay.+  Aza isaina ho heloky ny Israely olonao izay navotanao+ izany, Jehovah ô! Ary aza asaina mibaby ny heloka noho ny fandatsahana ran’olona tsy manan-tsiny+ ny Israely olonao.’ Koa tsy hisaina ho helok’izy ireo ilay fanamelohana ho nandatsa-dra.  Dia hesorinao tsy ho eo aminao ny fanamelohana ho nandatsaka ran’olona tsy manan-tsiny,+ satria hanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah+ ianao. 10  “Raha mivoaka hiady amin’ny fahavalonao ianao, ary atolotr’i Jehovah Andriamanitrao eo an-tananao+ izy ireo ka entinao ho babo,+ 11  ary mahita vehivavy tsara bika eo amin’ireo babo ianao, ary raiki-pitia aminy+ ka maka azy ho vady, 12  dia ento ao an-tranonao izy. Ary hanaratra ny lohany+ sy hanapaka ny hohony izy, 13  sady hanaisotra ny lamba fitafy nanaovany tamin’izy babo, ary hitoetra ao an-tranonao sy hitomany mandritra ny iray volana+ katroka noho ny amin’ny rainy sy ny reniny. Dia hanao firaisana aminy ianao aorian’izany ka haka azy ho fanananao, ary ho lasa vadinao izy. 14  Ary raha tsy mahafinaritra anao izy, dia alefaso handeha+ araka izay tiany fa aza amidy hahazoam-bola. Ary aza lozabe+ aminy rehefa avy nampietry azy. 15  “Raha misy lehilahy manana vady roa, ka ny iray tiany ary ny iray halany, nefa samy niterahany zanakalahy izy roa, ka ny zanak’ilay halany no lahimatoa,+ 16  dia tsy ho azony atao lahimatoany ny zanak’ilay tiany ka hasolony ny zanak’ilay halany, izay tena lahimatoany,+ rehefa tonga ny andro anomezany ny fananany ho lovan’ireo zanany lahy. 17  Tokony hekeny fa ny zanak’ilay halany no lahimatoany, ka homeny anjaran’olon-droa amin’izay rehetra ananany.+ Izy io mantsy no porofo voalohany fa afaka manan-janaka+ izy, ka an’io ny zon’ny lahimatoa.+ 18  “Raha misy lehilahy manan-janaka mafy loha sy manohitra,+ izay tsy mihaino ny tenin-drainy na ny tenin-dreniny,+ ary efa nahitsin’izy ireo izy fa tsy nety nihaino,+ 19  dia haka azy ny rainy sy ny reniny ka hitondra azy any amin’ny anti-panahin’ny tanànany sy eo am-bavahadin’ny tanànany.+ 20  Ary hilaza amin’ny anti-panahin’ny tanànany ireo hoe: ‘Mafy loha sy manohitra ity zanakay ity, ary tsy mihaino ny teninay+ fa tendan-kanina+ sy mamo lava.’+ 21  Dia hitora-bato azy ho faty ny olon-drehetra ao an-tanànany. Esory tsy ho eo aminao ny ratsy. Ary handre izany ny Israely rehetra ka hatahotra+ tokoa. 22  “Raha misy olona manao fahotana mahameloka azy ho faty, ka novonoina+ ary nahantona teo amin’ny tsato-kazo,+ 23  dia tsy tokony hajanona eo mandritra ny alina ny fatiny,+ fa tokony halevina ny androtr’iny ihany, satria voaozon’Andriamanitra izay mihantona eo amin’ny tsato-kazo.+ Aza lotoina ny taninao izay omen’i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.+

Fanamarihana