Deoteronomia 23:1-25

23  “Tsy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’i Jehovah ny lehilahy izay torotoro ny vihiny+ na nesorina ny filahiany.  “Tsy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’i Jehovah ny zazasary.+ Na hatramin’ny taranany fahafolo aza tsy misy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’i Jehovah.  “Tsy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’i Jehovah na ny Amonita na ny Moabita.+ Na hatramin’ny taranany fahafolo aza tsy misy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’i Jehovah, mandritra ny fotoana tsy voafetra.  Tsy nanampy anareo+ mantsy izy ireo ka tsy nanome anareo mofo sy rano teny an-dalana, fony ianareo nivoaka avy tany Ejipta.+ Ary nokaramainy hanozona anareo i Balama+ zanak’i Beora, avy any Petora, any Mezopotamia.  Tsy nety nihaino an’i Balama anefa i Jehovah Andriamanitrao,+ fa noho ny aminao no nanovan’i Jehovah Andriamanitrao an’ilay ozona ho tsodrano,+ satria tia anao i Jehovah Andriamanitrao.+  Koa aza mitady izay hahasoa an’ireny na izay hiadanany, mandritra ny androm-piainanao, hatramin’ny fotoana tsy voafetra.+  “Aza mankahala Edomita, fa rahalahinao izy.+ “Aza mankahala Ejipsianina, fa efa mba mpivahiny tany amin’ny taniny ihany ianao.+  Mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’i Jehovah ny zafiafin’izy ireo.  “Raha mandeha ianao ka mitoby mba hiady amin’ny fahavalonao, dia mitandrema amin’ny zava-dratsy rehetra.+ 10  Raha misy lehilahy tsy madio eo aminao, satria nivoaka tsirinaina+ tamin’ny alina, dia aoka izy hankany ivelan’ny toby. Tsy mahazo mankao an-toby izy.+ 11  Hisasa amin’ny rano izy rehefa harivariva ny andro, ka afaka mankao an-toby rehefa milentika ny masoandro.+ 12  Tokony hisy toeram-pivoahana azonao ampiasaina eny ivelan’ny toby, ka any no handehananao. 13  Ary tokony hisy hazo maranitra any aminao, miaraka amin’ny fitaovanao hafa, ka rehefa hipetraka hininginingina eny ivelany ianao dia mihadia lavaka amin’ilay hazo, ary mitodiha ka totofy ny dikinao.*+ 14  Mandehandeha ao an-tobinao mantsy i Jehovah Andriamanitrao, mba hanafaka anao+ sy hanolotra ny fahavalonao eo an-tananao.+ Koa aoka ho masina+ ny tobinao mba tsy hahita zavatra manafintohina eo aminao izy, ka hiala ary tsy hiaraka aminao intsony.+ 15  “Aza atolotra amin’ny tompony ny mpanompo raha mandositra avy any amin’ny tompony ka mankany aminao.+ 16  Aoka izy hiara-monina aminao, eo amin’izay toerana hofidiny ao amin’ny iray amin’ny tanànanao,+ any amin’izay tiany. Ary aza mampijaly azy.+ 17  “Aoka tsy hisy zanakavavin’ny Israely na zanakalahin’ny Israely ho mpivaro-tenan’ny tempoly.+ 18  Aza entina ao an-tranon’i Jehovah Andriamanitrao mba hanefana voady ny karaman’ny mpivaro-tena+ na ny vidin’alika,*+ satria samy zava-maharikoriko amin’i Jehovah Andriamanitrao ireny. 19  “Aza maka tombony amin’ny rahalahinao+ rehefa mampisambotra vola na sakafo+ na zavatra hafa mety ho azo akana tombony. 20  Azonao akana tombony ny hafa firenena+ rehefa mampisambotra azy ianao, fa ny rahalahinao kosa aza akana,+ mba hitahian’i Jehovah Andriamanitrao anao amin’izay rehetra ataonao eo amin’ilay tany izay halehanao sy halainao ho fanananao.+ 21  “Raha mivoady amin’i Jehovah+ Andriamanitrao ianao dia aza ela fanefa,+ satria tena hampamoahin’i Jehovah Andriamanitrao ny amin’izany ianao ka ho fahotana ho anao tokoa izany.+ 22  Tsy ho fahotana ho anao kosa izany raha tsy nivoady ianao.+ 23  Tano ny teninao,+ ary araka izay voadinao tamin’i Jehovah Andriamanitrao no ataovy fa toy ny fanatitra an-tsitrapo naloaky ny vavanao izany.+ 24  “Raha mankeny amin’ny tanimboalobok’olona ianao, dia mihinàna izay voaloboka hahavoky anao fa aza misy atao ao anatin’ny haronao+ izany. 25  Raha mankeny amin’ny vokatr’olona mbola eny an-tsaha ianao, dia miotaza salohy masaka amin’ny tananao, nefa aza jinjaina amin’ny antsy fijinjana ny vokatr’olona.+

Fanamarihana

Ny Malagasy sasany milaza hoe “tay.”
Azo inoana fa lehilahy manao firaisana amin-dehilahy, indrindra fa amin’ankizilahikely.