Deoteronomia 29:1-29

29  Izao no voalazan’ny fifanekena nasain’i Jehovah nataon’i Mosesy tamin’ny zanak’Israely tany Moaba, ankoatra an’ilay fifanekena nifanaovany tamin’izy ireo tany Horeba.+  Dia nantsoin’i Mosesy ny Israely rehetra, ka nilazany hoe: “Ianareo no nahita izay rehetra nataon’i Jehovah teo imasonareo tany Ejipta, tamin’i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny manontolo,+  dia ny fizahan-toetra lehibe izay efa hitan’ny masonareo,+ ary koa ny famantarana+ lehibe sy fahagagana.+  Mandraka androany anefa dia tsy nomen’i Jehovah fo mba hahalalanareo ianareo, na maso mba hahitanareo, na sofina mba handrenesanareo.+  ‘Nandritra ny efapolo taona nitarihako anareo tany an-tany efitra,+ dia tsy tonta ny fitafiana nanaovanareo, ary tsy simba ny kapa teny an-tongotrareo.+  Tsy nihinana mofo+ na nisotro divay sy toaka ianareo. Nikarakara anareo anefa aho mba hahafantaranareo fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo.’  Farany, dia tonga teto amin’ity toerana ity ianareo. Ary nivoaka hiady tamintsika i Sihona mpanjakan’i Hesbona+ sy Oga+ mpanjakan’i Basana, nefa resintsika.+  Dia nalaintsika ny taniny ka nomentsika ho lovan’ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’ny Manasita.+  Koa tandremo izay voalazan’ity fifanekena ity ka ankatoavy, mba hahomby izay rehetra ataonareo.+ 10  “Eto anatrehan’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo rehetra ankehitriny, dia ny lehiben’ny fokonareo, ny anti-panahy sy ny mpiadidy eo aminareo, ny lehilahy rehetra eo amin’ny Israely,+ 11  ny zanakareo madinika, ny vadinareo,+ ary ny vahiny+ monina ao an-tobinareo, hatramin’ny mpaka kitay ka hatramin’ny mpantsaka rano.+ 12  Eny, eto ianareo mba hiditra amin’ny fifanekena+ ataon’i Jehovah Andriamanitrareo, sy ny fianianana ataon’i Jehovah Andriamanitrareo aminareo anio,+ 13  mba hifidianany anareo ho vahoakany+ anio ary izy ho Andriamanitrareo,+ araka izay nampanantenainy anareo, sy nianianany tamin’i Abrahama+ sy Isaka+ ary Jakoba+ razanareo. 14  “Tsy aminareo ihany anefa no anaovako ity fifanekena sy fianianana ity,+ 15  fa amin’izay mitsangana eto amintsika androany koa, eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitsika, sy amin’izay tsy miaraka amintsika eto androany,+ 16  —fantatrareo tsara mantsy izay niainantsika tany Ejipta sy ny nandalovantsika tao amin’ny tanin’ireo firenena nolalovantsika.+ 17  Ary hitanareo ny zava-maharikoriko notompoin’izy ireo sy ny sampy maharikoriko+ izay tany aminy, dia vato aman-kazo sy volafotsy ary volamena— 18  mba tsy hisy aminareo na lehilahy na vehivavy na fianakaviana na foko, hiova fo ka hiala amin’i Jehovah Andriamanitsika anio mba handeha hanompo ny andriamanitr’ireo firenena.+ Amin’izay koa dia tsy hisy aminareo ho lasa faka manome voan’ny zavamaniry misy poizina sy voan’ny zavamaniry mangidy.+ 19  “Ary raha misy olona mandre izay voalazan’ity fianianana ity,+ ary mikasa handripaka ny tany azon-drano sy ny tany karakaina, sady mirehareha anakampo hoe: ‘Hiadana ihany aho+ na dia hanaraka ny ditran’ny foko+ aza’, 20  dia tsy hety hamela ny helony i Jehovah.+ Fa hirehitra*+ aminy ny fahatezeran’i Jehovah+ sy ny fahavinirany,+ ka tena hihatra aminy ny ozona rehetra voasoratra ato amin’ity boky ity.+ Ary hofoanan’i Jehovah tsy ho eny ambanin’ny lanitra ny anarany. 21  Koa hosarahin’i Jehovah+ amin’ny foko rehetran’ny Israely izy mba hanjo azy ny loza, araka ny ozona rehetra ao amin’ilay fifanekena voasoratra ato amin’ity boky misy ny lalàna ity. 22  “Ary tsy maintsy hanontany ireo taranaka ho avy, dia ny zanakareo handimby anareo, mbamin’ny vahiny avy any an-tany lavitra, rehefa mahita ny loza sy ny aretina ataon’i Jehovah amin’io tany io,+ 23  sy ny solifara sy ny sira+ ary ny afo+ mandoro, izay hahatonga ilay tany manontolo tsy hamafazam-boa sady tsy hisy voa hitsimoka na zavatra haniry. Toy izany no nandravana an’i Sodoma sy Gomora+ sy Adma+ ary Zeboima,+ izay noravan’i Jehovah tao anatin’ny fahatezerany sy ny fahavinirany.+ 24  Eny, tsy maintsy hanontany ny firenena rehetra hoe: ‘Nahoana re no dia nataon’i Jehovah toy izao io tany io?+ Nahoana no mirehitra mafy toy izao ny fahatezerany?’ 25  Dia hilaza ireo hoe: ‘Satria izy ireo nivadika tamin’ilay fifanekena,+ izay nataon’i Jehovah Andriamanitry ny razany fony izy nitondra azy ireo nivoaka avy tany Ejipta.+ 26  Lasa nanompo andriamani-kafa izy ireo, sady niankohoka teo anatrehan’ireny, izay andriamanitra tsy fantany sady tsy navelan’Andriamanitra hotompoiny.+ 27  Dia nirehitra tamin’ilay tany ny fahatezeran’i Jehovah, ka nataony nihatra taminy ny ozona rehetra voasoratra ato amin’ity boky ity.+ 28  Koa tezitra sy vinitra ary nisafoaka i Jehovah, ka nanongotra azy ireo tsy ho eo amin’ilay tany,+ ary nanipy azy tany an-tany hafa, toy ny amin’izao andro izao.’+ 29  “An’i Jehovah Andriamanitsika ny zavatra nafenina,+ fa antsika sy ny taranatsika mandritra ny fotoana tsy voafetra kosa ny zavatra naharihary,+ mba hankatoavantsika izay voalazan’ity lalàna+ ity.

Fanamarihana

A.b.t.: “hanetroka.”