Deoteronomia 3:1-29

3  “Dia nivily lalana isika ka niakatra nanaraka ny lalana mankany Basana. Ary nivoaka hiady tamintsika tao Edrehy+ i Oga+ mpanjakan’i Basana, sy ny olony rehetra.  Koa hoy i Jehovah tamiko: ‘Aza matahotra azy+ fa hatolotro eo an-tananao tokoa izy sy ny olony rehetra ary ny taniny. Ary toy ny nataonao tamin’i Sihona+ mpanjakan’ny Amorita, izay nonina tao Hesbona, no ataovy aminy.’  Dia natolotr’i Jehovah Andriamanitsika teo an-tanantsika tokoa i Oga mpanjakan’i Basana, sy ny olony rehetra. Ary nataontsika tsy nisy niangana ny olony na iray aza.+  Nalaintsika ny tanànany rehetra tamin’izay fotoana izay ka tsy nisy tsy azontsika ireo tanàna enimpolo+ nanerana ny faritr’i Argoba,+ izay anisan’ny fanjakan’i Oga tany Basana.+  Samy tanàna voaro mafy misy manda avo sy vavahady misy bara hidiny daholo ireo, afa-tsy ny tanàna kely maro be tany ambanivohitra.  Naringantsika tanteraka+ anefa ireny, toy ny nataontsika tamin’i Sihona mpanjakan’i Hesbona, rehefa naringantsika tanteraka ny tanàna rehetra sy ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy madinika.+  Ary nalaintsika ho antsika ny biby fiompy rehetra sy izay azo nobaboina tao an-tanàna.+  “Ary nalaintsika avy teo am-pelatanan’ny mpanjaka roan’ny Amorita+ tany amin’ny faritr’i Jordana ny taniny, nanomboka teo amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Arnona+ ka hatrany an-tendrombohitra Hermona.+  Ny Sidonianina niantso an’i Hermona hoe Siriona,+ fa ny Amorita niantso azy hoe Senira.+ 10  Nalaintsika koa ny tanàna rehetra teny amin’ny lembalemba sy nanerana an’i Gileada sy Basana, hatrany Saleka+ sy Edrehy+ izay tanàna tao amin’ny fanjakan’i Oga tany Basana. 11  I Oga mpanjakan’i Basana ihany no sisa tavela tamin’ny Refaima.+ Filanjana vy no nilanjana ny fatiny. Tsy ao Raban’ny+ taranak’i Amona ve izany filanjana izany? Sivy hakiho* ny lavan’ilay izy, ary efatra hakiho ny sakany, araka ny hakihon-dehilahy. 12  Dia nalaintsika ho fananantsika ilay tany, tamin’izay fotoana izay. Ary nomeko ho an’ny Robenita sy ny Gadita+ ny faritra manomboka eo Aroera,+ izay eo an-tsisin’ny lohasaha falehan-driakan’i Arnona, sy ny antsasaky ny faritra be tendrombohitr’i Gileada ary ny tanàna tao. 13  Nomeko ho an’ny antsasaky ny fokon’i Manase kosa ny ambiny amin’i Gileada+ sy ny faritr’i Basana+ manontolo, izay anisan’ny fanjakan’i Oga. Tsy antsoina hoe tanin’ny Refaima+ ve ny faritr’i Argoba+ manontolo, izay anisan’i Basana? 14  “Nalain’i Jaira+ zanak’i Manase ny faritr’i Argoba+ manontolo hatrany amin’ny faran’ny tanin’ny Gesorita+ sy ny Makatita.+ Ary nampitondrainy ny anarany ireny tanàna kely any Basana ireny, ka nantsoiny hoe Havota-jaira+ mandraka androany. 15  Ary nomeko ho an’i Makira+ i Gileada.+ 16  Nomeko ho an’ny Robenita+ sy ny Gadita kosa manomboka eo Gileada+ ka hatreo afovoan’ny lohasaha falehan-driakan’i Arnona, izay lasa sisin-tany, ary hatrany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Jaboka, izay sisin-tanin’ny taranak’i Amona,+ 17  ary koa i Araba sy ny Reniranon’i Jordana sy ny morony, manomboka any Kinereta+ ka hatrany amin’ny ranomasin’i Araba, dia ny Ranomasin-tsira+ izay eo am-pototry ny tehezan’i Pisga+ manandrify ny fiposahan’ny masoandro. 18  “Koa nandidy anareo aho tamin’izay hoe: ‘Efa nomen’i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity tany ity mba halainareo ho fanananareo. Ho eny ampita ianareo lehilahy mahery fo rehetra, izay samy efa voaomana hiady,+ ka handeha eo alohan’ny zanak’Israely rahalahinareo. 19  Ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo ihany—fantatro tsara fa maro be ny biby fiompinareo—no hijanona ao amin’ireo tanàna nomeko anareo,+ 20  mandra-panomen’i Jehovah fiadanana ho anareo sy ny rahalahinareo, ka ho azon’izy ireo ilay tany eny ampitan’i Jordana, izay omen’i Jehovah Andriamanitrareo azy. Aorian’izay ianareo vao hiverina, ka samy ho any amin’ny tany efa nomeko anareo avy.’+ 21  “Ary nandidy an’i Josoa+ aho tamin’izay hoe: ‘Efa hitan’ny masonao izay rehetra nataon’i Jehovah Andriamanitrareo tamin’ireny mpanjaka roa ireny. Toy izany koa no hataon’i Jehovah amin’izay fanjakana rehetra holalovanao.+ 22  Koa aza matahotra azy, fa i Jehovah Andriamanitrareo no miady ho anareo.’+ 23  “Dia nitalaho tamin’i Jehovah aho tamin’izay mba hamindrany fo, ka hoy aho: 24  ‘Ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Efa nanomboka nasehonao tamin’ny mpanomponao ny fahalehibeazanao+ sy ny sandrinao mahery.+ Fa na any an-danitra na etỳ an-tany, iza moa no andriamanitra mahavita ny vitanao sy mahefa asa lehibe toy ny nataonao?+ 25  Koa mba avelao re aho hiampita e, mba hahita an’ilay tany soa+ eny ampitan’i Jordana, dia ilay faritra be tendrombohitra+ sady tsara, mbamin’i Libanona.’+ 26  Fa mbola tezitra tamiko foana i Jehovah noho ny aminareo,+ ka tsy nihaino ahy. Fa hoy i Jehovah tamiko: ‘Aoka izay! Aza miresaka amiko momba izany intsony. 27  Miakara eo an-tampon’i Pisga,+ ary atopazo miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo sy miantsinanana ny masonao ka mijere, fa tsy hiampita an’io Jordana io ianao.+ 28  Ary tendreo ho mpitarika+ i Josoa, ka ampaherezo sy hatanjaho fa izy no hiampita+ eo alohan’ity firenena ity, ary izy no hampandova azy ilay tany izay ho hitanao.’+ 29  Nonina tany an-dohasaha tandrifin’i Beti-peora+ isika nandritra izany fotoana izany.

Fanamarihana

1 hakiho = 44,5 sm.