Deoteronomia 30:1-20

30  “Rehefa mihatra aminao daholo ireo teny ireo, izany hoe ny fitahiana+ sy ny ozona+ izay ataoko eo anatrehanao, ka raketinao ao am-ponao indray+ izany, any amin’ny firenena rehetra anaparitahan’i Jehovah Andriamanitrao anao,+  ary miverina amin’i Jehovah Andriamanitrao+ ianao ka mihaino ny feony araka izay rehetra andidiako anao anio, eny, ianao sy ny zanakao, sady manao izany amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo,+  dia hampodin’i Jehovah Andriamanitrao ireo olonao babo,+ ary hiantrany+ ianao ka hangoniny avy any amin’ny firenena rehetra nanaparitahan’i Jehovah Andriamanitrao anao.+  Na dia any amin’ny faravodilanitra aza no iparitahan’ny olonao, dia avy any no hanangonan’i Jehovah Andriamanitrao anao, sy hakany anao.+  Ary hampidirin’i Jehovah Andriamanitrao ao amin’ilay tany nalain’ny razanao ho fananany ianao, ka halainao ho fanananao tokoa izany. Dia hanasoa anao izy sady hahamaro anao mihoatra noho ny razanao.+  Ary hoforan’i Jehovah Andriamanitrao ny fonao+ sy ny fon’ny taranakao,+ mba hitiavanao an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo, ka ho velona ianao.+  Ary hampiharan’i Jehovah Andriamanitrao ireo ozona rehetra ireo ny fahavalonao sy ny mpankahala anao, izay mampijaly anao.+  “Fa ianao kosa hiverina ka hihaino ny feon’i Jehovah tokoa, ary hankatò ny didiny rehetra izay andidiako anao anio.+  Dia hataon’i Jehovah Andriamanitrao manana amby ampy ny vokatry ny asa rehetra ataonao,+ ary ho maro ny aloaky ny kibonao, sy ny zanaky ny biby fiompinao,+ ary ny vokatry ny taninao.+ Koa hanam-be+ ianao satria i Jehovah hifaly hanasoa anao indray, tahaka ny nifaliany tamin’ny razanao.+ 10  Hihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao mantsy ianao, mba hitandrina ny didiny sy ny lalàny voasoratra ato amin’ity boky misy ny lalàna ity,+ satria hiverina amin’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ianao.+ 11  “Fa tsy sarotra loatra aminao izany didy andidiako anao anio izany, sady tsy lavitra loatra.+ 12  Tsy any an-danitra izany, ka hisy hilaza hoe: ‘Iza no hiakatra any an-danitra haka izany ho antsika, ka hampahafantatra izany amintsika mba hotanterahintsika?’+ 13  Tsy any ampitan-dranomasina koa izany, ka hisy hilaza hoe: ‘Iza no hiampita ny ranomasina haka izany ho antsika, ka hampahafantatra izany amintsika mba hotanterahintsika?’ 14  Fa tena eo akaikinao, izany hoe eo am-bavanao sy ao am-ponao ny teny,+ mba hotanterahinao.+ 15  “Ataoko eo anatrehanao anio ny fiainana sy ny soa, ary ny fahafatesana sy ny loza.+ 16  Raha mihaino ny didin’i Jehovah Andriamanitrao izay andidiako anao anio ianao, ka tia an’i Jehovah Andriamanitrao+ sy mandeha amin’ny lalany ary mitandrina ny didiny+ sy ny lalàny ary ny didim-pitsarany,+ dia ho velona+ ianao sady hihamaro, ary hitahy anao i Jehovah Andriamanitrao any amin’ilay tany halehanao sy halainao ho fanananao.+ 17  “Fa raha mivily kosa ny fonao, ary tsy mihaino ianao,+ ka voataona hiankohoka eo anatrehan’ny andriamani-kafa ary manompo an’ireny,+ 18  dia lazaiko aminareo marimarina anio, fa ho ripaka tokoa ianareo.+ Tsy ho lava andro iainana ianareo eo amin’ilay tany halehanareo eny ampitan’i Jordana mba halainareo ho fanananareo. 19  Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona hiampanga anareo,+ fa efa nataoko teo anatrehanareo tokoa ny fiainana sy ny fahafatesana,+ ary ny fitahiana+ sy ny ozona.+ Koa mifidiana ny fiainana mba ho velona+ ianao sy ny taranakao,+ 20  ka tiavo i Jehovah Andriamanitrao,+ henoy ny feony, ary mifikira aminy.+ Fa izy no manome anao fiainana sy andro maro,+ mba honenanao eo amin’ilay tany nianianan’i Jehovah homena an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao.”+

Fanamarihana