Deoteronomia 32:1-52

32  “Mihainoa ry lanitra, fa hiteny aho.Ary aoka ny tany handre ny tenin’ny vavako.+   Hirotsaka toy ny orana+ ny fampianarako,Hilatsaka tahaka ny ando+ ny teniko,Eny, tahaka ny erika eny amin’ny ahitra+Sy tahaka ny oram-be eny amin’ny zavamaniry.+   Fa hanambara ny anaran’i Jehovah+ aho.Ekeo ny fahalehibeazan’ny Andriamanitsika!+   Tonga lafatra izay ataon’ilay Vatolampy,+Fa ara-drariny daholo ny lalany.+Andriamanitra mendri-pitokisana+ izy, ary tsy mba manao ny tsy rariny.+Marina sy mahitsy izy.+   Izy ireo no nanao ratsy.+Tsy zanany ireny, ary avy amin’ireny ihany ny kilemany.+Taranaka tsy marina sy ratsy fanahy+ ireny!   I Jehovah ve no ataonareo toy izany lava izao,+Ry adala sy tsy manam-pahendrena?+Tsy izy ve no Rainao niteraka anao,+Izay nanao anao sy nampilamina ny fiainanao?+   Tsarovy ny andro fahiny,+Eritrereto ireo taona lasa hatramin’ny taranaka nifandimby.Anontanio ny rainao, fa afaka miteny aminao izy,+Ary ny lahiantitra eo aminao, fa afaka milaza izany aminao izy.+   Fony nanome lova ho an’ireo firenena+ ilay Avo Indrindra,Fony izy nanasaratsaraka ny taranak’i Adama,+Dia nofaritany ny sisin-tanin’ireo firenena,+Araka ny isan’ny zanak’Israely.+   Fa ny anjaran’i Jehovah dia ny olony,+Ary i Jakoba no anjara lovany.+ 10  Nahita azy tany an-tany efitra Izy,+Tany amin’ny tany karakaina+ misy feom-biby mitaraindraina.Nihodidina azy+ Izy, ka nikarakara azy,+Ary niaro azy toy ny anakandriamasony.+ 11  Toy ny voromahery manaitaitra an’izay ao amin’ny akaniny,Ka manidintsidina eo ambonin’ny zanany kely,+Sy mamelatra ny elany ka mandray azy ireo,Ary mitondra azy ireo eo ambony elany,+ 12  Dia toy izany no nitarihan’i Jehovah azy,+ ary irery Izy rehefa nanao izany,Fa tsy nisy andriamani-kafa niaraka taminy.+ 13  Nampandehaniny teny amin’ireo toerana avo+ teto an-tany izy,Mba hihinana ny vokatry ny saha.+Ary nampitsentsitra azy tantely avy tamin’ny harambato+ izy,Sy menaka avy tamin’ny vatoafo.+ 14  Nanome azy dibera vita tamin’ny rononon’omby izy, ary koa rononon’ny ondry aman’osy,+Sy tavin’ondrilahy,Sy ondrilahy avy any Basana, ary osilahy+Mbamin’ny varimbazaha faran’izay tsara.+Ary ny ran’ny voaloboka no divay+ nosotroinao foana. 15  Nandaka+ i Jesorona+ rehefa nihanatavy.Ry Jesorona ô, lasa natavy sy dongadonga ianao sady voky be.+Dia nahafoy an’Andriamanitra izay nanao azy+ izy,Ary nanamavo an’ilay Vatolampy+ famonjena azy. 16  Nanao izay hahasaro-piaro+ Azy izy ireo noho ireo andriamani-kafa+ nivavahan’izy ireo,Sady tsy nitsahatra nampahatezitra Azy noho ireo zava-maharikoriko.+ 17  Nanao sorona ho an’ny demonia izy ireo, fa tsy ho an’Andriamanitra,+Eny, nanao sorona ho an’andriamanitra tsy fantatr’izy ireo,+Dia andriamanitra vaovao izay vao tonga,+Sady tsy fantatry ny razany. 18  Nohadinoinao ilay Vatolampy+ niteraka anao,Ary tsy tsaroanao intsony Andriamanitra, Ilay narary nihetsi-jaza niteraka anao.+ 19  Nanjary tsy niraharaha an’ireo i Jehovah+ rehefa nahita izany,Satria nanao zavatra mahasosotra ny zanany lahy sy ny zanany vavy. 20  Koa hoy Izy: ‘Aoka hafeniko azy ireo ny tavako,+Dia ho hitako eo izay hiafaran’izy ireo aorian’izay.Fa taranaka ratsy toetra+Sy zanaka tsy mendri-pitokisana+ ireo. 21  Nanao izay hahasaro-piaro ahy izy ireo, noho ny andriamani-tsy izy,+Ary nampahasosotra ahy noho ireo sampiny tsy misy ilana azy.+Ary izaho kosa hanao izay hialonan’izy ireo an’izay tsy vahoaka.+Firenena adaladala no hataoko hampahatezitra azy ireo.+ 22  Nanomboka nirehitra ny afom-pahatezerako,+Ka hirehitra hatrany amin’ny Fasana,* izay toerana ambany indrindra,+Ary handevona ny tany sy ny vokatra eo aminy,+Sady hampirehitra ny fototry ny tendrombohitra.+ 23  Hampitomboiko ny isan’ny loza mihatra aminy,+Ary hotaperiko aminy ny zana-tsipìkako.+ 24  Ho reraka be noho ny hanoanana+ izy ireo, ary ho lanin’ny fanaviana mahery+Sy ny fandringanana mangidy.+Ary halefako ho amin’izy ireo ny biby manaikitra,+Sy ny poizin’ny biby mandady amin’ny vovoka.+ 25  Eny ivelany, dia sabatra no hahafaty azy ireo,+Ary ao anatiny, dia tahotra.+Eny, izany no hahafaty ny tovolahy sy ny virjiny+ eo aminySy ny zaza minono ary ny lehilahy fotsy volo.+ 26  Tokony ho nilaza aho hoe: “Haparitako ireo,+Ary hovonoiko tsy ho eo amin’ny olombelona mety maty ny fahatsiarovana azy.”+ 27  Tsy nanao izany anefa aho, sao hanao izay hahasosotra ahy ny fahavalony,+Ary sao handika vilana an’izany ny rafiny,+Ka hanao hoe: “Ny tanantsika no mahery kokoa,+Fa tsy i Jehovah no nanatanteraka izany rehetra izany.”+ 28  Firenena tsy mieritreritra+ ny IsraelySady tsy misaina.+ 29  Raha mba hendry mantsy izy ireo,+ dia ho nisaintsaina momba izany,+ Ka ho nieritreritra izay hiafarany aorian’izay.+ 30  Ataon’ny olon-tokana ahoana no fanenjika arivo,Ary ataon’ny roa lahy ahoana no fampandositra iray alina?+Raha tsy hoe ny Vatolampiny ihany angaha no efa nivarotra azy+ tamin’ireny,Ary i Jehovah no efa nanolotra azy teo an-tanan’ireny. 31  Fa tsy mitovy amin’ny Vatolampintsika ny vatolampin’ireny,+Ary na ny fahavalontsika aza niaiky an’izany+ koa. 32  Fa avy amin’ny voalobok’i Sodoma ny voalobok’izy ireo,Avy amin’ny tanimboly mikitohatohatr’i Gomora.+Misy poizina ny voalobok’izy ireo,Ary mangidy ny voaloboka amin’ny sampahony.+ 33  Poizin’ny bibilava ngezabe ny divainy,Sady poizina mitera-doza avy amin’ny kôbrà.+ 34  Moa ve izany tsy notehirizina atỳ amiko,Sady nasiana tombo-kase ao amin’ny trano fitehirizako harena?+ 35  Ahy ny famaliana, ary izaho no hamaly.+ Hivembena+ izy ireo amin’ny fotoana voatondro,Satria akaiky ny andro hahitany loza,+Ary avy haingana ny zavatra voaomana hihatra aminy.’+ 36  Fa hitsara ny vahoakany i Jehovah+Ary hanenina izy ka hamindra fo amin’ny mpanompony,+Satria ho hitany fa nanjavona ny herin’izy ireoSady nanjary tsy misy mpiaro sy tsy misy ilana azy sisa izy ireo. 37  Hilaza Izy hoe: ‘Aiza ireo andriamaniny,+Dia ny vatolampy nialokalofany,+ 38  Izay nihinana ny tavin’ny sorona natolotr’izy ireo,+Ary nisotro ny divay nateriny ho fanatitra zava-pisotro?+Aoka ireny hitsangana hanampy anareo,+Ary aoka ireny ho toerana azonareo iafenana.+ 39  Jereo fa izaho no izy,+Ary tsy misy andriamanitra hafa miaraka amiko.+Izaho no mamono ho faty, ary izaho no mamelona.+Izaho no nandratra mafy,+ ary izaho no hanasitrana.+ Tsy misy maharombaka an’izay etỳ an-tanako.+ 40  Manangan-tanana ho amin’ny lanitra aho, ka mianiana+ hoe:“Raha mbola velona koa aho mandritra ny fotoana tsy voafetra”,+ 41  Rehefa mandranitra ny sabatro manjelanjelatra+ aho,Ary mandray an-tanana ny fitsarana,+Dia izaho no hamaly ny nataon’ireo fahavaloko,+Ary hamaly an’ireo mankahala mafy ahy.+ 42  Hataoko mamon-dra ny zana-tsipìkako+Ary ny sabatro hihinana nofo,+Eny, ho mamon’ny ran’ny voavono sy ny ran’ny babo,Ary ny sabatro hihinana ny lehiben’ny mpitarika an’ireo fahavalo.’+ 43  Koa mifalia ianareo hafa firenena sy ny vahoakan’Andriamanitra+Fa hamaly ny ran’ny mpanompony Izy,+Ary hamaly ny nataon’ireo fahavalony+Sy handrakotra ny fahotan’ny tanin’ny vahoakany.” 44  Koa tonga i Mosesy, ary nilaza ilay tononkira manontolo tamin’ny olona+ izy sy Hosea zanak’i Nona.+ 45  Ary rehefa voalazan’i Mosesy tamin’ny Israely rehetra avokoa ireo teny ireo, 46  dia hoy koa izy: “Alatsaho ao am-ponareo ny teny fampitandremana rehetra izay lazaiko aminareo androany,+ mba handidianareo ny zanakareo hankatò tsara ny teny rehetra ato amin’ity lalàna ity.+ 47  Fa tsy teny tsy misy vidiny ireo,+ fa ireo no antoky ny fiainanareo.+ Ary ireo teny ireo no hahalava andro iainana anareo, eo amin’ilay tany halehanareo eny ampitan’i Jordana ka halainareo ho fanananareo.”+ 48  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy tamin’iny andro iny: 49  “Miakara eo amin’io tendrombohitr’i Abarima+ io, dia ny Tendrombohitra Nebo+ ao Moaba, izay manandrify an’i Jeriko. Dia tazano ny tany Kanana izay homeko ho fananan’ny zanak’Israely.+ 50  Ary aoka ianao ho faty ao amin’io tendrombohitra halehanao io ka hangonina any amin’ny razanao,+ tahaka ny nahafatesan’i Arona rahalahinao tao amin’ny Tendrombohitra Hora+ sy nanangonana azy any amin’ny razany. 51  Tsy nanao ny adidinareo tamiko teo anivon’ny zanak’Israely mantsy ianareo roa lahy,+ teo amin’ny ranon’i Meriba+ any Kadesy, tany an-tany efitr’i Zina. Tsy nanamasina ahy teo anivon’ny zanak’Israely+ koa ianareo. 52  Koa hitazana an’ilay tany avy eny lavitra ianao, fa tsy hiditra ao amin’ilay tany homeko ny zanak’Israely.”+

Fanamarihana

Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.