Deoteronomia 33:1-29

33  Izao no tsodrano+ nataon’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra,+ rehefa nitso-drano ny zanak’Israely izy talohan’ny nahafatesany.  Hoy izy: “Tonga avy tany Sinay i Jehovah,+Ka nanjelanjelatra teo amin’izy ireo, eny, nanjelanjelatra avy tao Seira.+Namirapiratra avy tao amin’ny faritra be tendrombohitr’i Parana+ izy.Anjely masina an’alinalina no niaraka taminy,+Ary teo ankavanany ny miaramila mpiadin’izy ireo.+   Tiany tokoa ny vahoakany.+Eo an-tananao daholo ny olo-masin’izy+ ireo.Ary ireo kosa mipetraka eo an-tongotrao,+Ary nisy noraisiny ny teninao.+   Nanome lalàna antsika i Mosesy,+Ho fananan’ny fiangonan’i Jakoba.+   Ary Andriamanitra lasa mpanjaka teo amin’i Jesorona,+Fony nivory ireo lohandohany teo amin’ny vahoaka,+Eny, ny foko rehetran’ny Israely.+   Aoka ho velona i Robena fa tsy ho faty,+Ary aoka tsy hihavitsy ny lehilahy eo aminy.”+  Dia nanohy ny teniny izy, ka nitso-drano an’i Joda+ hoe: “Henoy ny feon’i Joda,+ Jehovah ô,Ary ianao anie hitondra azy any amin’ny olony!Efa niady mba hahazoany izay azy ny sandriny.Ianao anie hanampy azy hamely ny fahavalony!”+  Ny amin’i Levy, dia hoy izy:+ “Ny Tomimanao sy ny Orimanao+ dia an’ilay tsy mivadika aminao,+Eny, ilay notsapainao toetra tany Masa.+Niady taminy ianao teo akaikin’ny ranon’i Meriba.+   Ilay niteny tamin-drainy sy reniny hoe: ‘Tsy hitako izy.’Na ny rahalahiny aza tsy nekeny,+Ary ny zanany tsy fantany.Fa notandremany ny teninao,+Ary nohajainy foana ny fifanekena nataonao taminy.+ 10  Aoka hampianariny an’i Jakoba ny didim-pitsaranao,+Ary hampianariny an’i Israely ny lalànao.+Aoka hanolorany emboka manitra eo am-bavoronao,+Sy fanatitra dorana manontolo eo amin’ny alitaranao.+ 11  Tahio ny heriny,+ Jehovah ô,Ary ianao anie ho finaritra amin’ny asan’ny tanany!+Ataovy maratra mafy ny andilan’izay mitsangana hiady aminy,+Sy izay mankahala mafy azy, mba tsy hiarina intsony ireny.”+ 12  Ny amin’i Benjamina, dia hoy izy:+ “Aoka ilay malalan’i+ Jehovah hitoetra tsy hanana ahiahy eo anilany,+Ary izy hampialoka azy tontolo andro.+Hitoetra eo anelanelan’ny sorony izy.”+ 13  Ny amin’i Josefa, dia hoy izy:+ “Hotahin’i Jehovah mandrakariva anie ny taniny,+Ka hahazo zava-tsoa avy any an-danitra, sy ando,+Sy rano lalina any ambany+ any, 14  Sy zava-tsoa entin’ny masoandro,+Sy zava-tsoa entin’ireo volana mifandimby,+ 15  Sy zavatra tsara indrindra avy any an-tendrombohitra any atsinanana,+Sy zava-tsoa eny amin’ny havoana maharitra hatramin’ny fotoana tsy voafetra, 16  Sy zava-tsoan’ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy,+Ary ny fankasitrahan’Ilay monina ao amin’ny voaroy.+ Ho eo an-dohan’i Josefa anie ireo,+Eny, ho eo an-tampon-dohan’ilay nosinganina tamin’ny rahalahiny!+ 17  Tahaka ny voninahitry ny voalohan-teraky ny omby ny voninahiny.+Tandrok’ombidia ny tandrony,+Ary amin’ireo no hanosehany ny vahoaka,+Izay miaraka hatosiny hatrany amin’ny faran’ny tany.Ireo no alinalin’i Efraima,+Sy arivoarivon’i Manase.” 18  Ny amin’i Zebolona, dia hoy izy:+ “Mifalia, ry Zebolona, amin’ny fandehananao any ivelany+Ary ianao, ry Isakara, mifalia ao an-tranolainao.+ 19  Hantsoin’izy ireo ho any an-tendrombohitra ny vahoaka,Ka any no hanaovan’izy ireo sorona atolotra amim-pahamarinana.+Fa hitsentsitra ny harem-ben’ny ranomasina+Mbamin’ny harena miafina ao amin’ny fasika izy ireo.” 20  Ny amin’i Gada, dia hoy izy:+ “Mahazo fitahiana ilay manitatra ny sisin-tanin’i Gada.+Honina tahaka ny liona izy,+Sady hamiravira sandry, eny, hatramin’ny tampon-doha aza.+ 21  Ary hifidy ny ampahany tsara indrindra izy,+Satria teo no voatokana ho anjarany, avy tamin’ny mpamoaka lalàna.+Hiangona ireo lohandohany eo amin’ny vahoaka.Tena hampihatra ny fahamarinan’i JehovahSy ny didim-pitsarany amin’ny Israely izy.” 22  Ny amin’i Dana, dia hoy izy:+ “Zana-diona i Dana.+Hitsambikina avy ao Basana izy.”+ 23  Ny amin’i Naftaly, dia hoy izy:+ “Voky fankasitrahana i Naftaly,Sady heniky ny fitahian’i Jehovah.Alaivo ho fanananao ny andrefana sy ny atsimo.”+ 24  Ny amin’i Asera, dia hoy izy:+ “Notahina i Asera ka nahazo zanakalahy.+Aoka izy hanjary hankasitrahan’ny rahalahiny,+Sady hanatsoboka ny tongony ao amin’ny menaka.+ 25  Vy sy varahina ny hidim-bavahadinao,+Ary hilamina tsara ny fiainanao mandritra ny androm-piainanao. 26  Tsy misy tahaka an’ilay Andriamanitr’i+ Jesorona,+Izay mitaingina ny lanitra mba hamonjy anao,+Eny, mitaingina ny lanitra feno rahona izy, amin’ny fahamboniany.+ 27  Ilay Andriamanitry ny andro fahiny no fiafenanao,+Ary manohana anao ireo sandriny izay maharitra+ mandritra ny fotoana tsy voafetra.Ary horoahiny tsy ho eo anatrehanao ny fahavalo,+Sady hiteny izy hoe: ‘Aringano ireny!’+ 28  Dia honina tsy hanana ahiahy i Israely,+Hitoetra irery ny lavadranon’i Jakoba,+Eo amin’ny tany be varimbazaha sy divay vaovao.+Eny, hitete ando ny lanitra eo aminy.+ 29  Sambatra ianao, ry Israely ô!+ Iza moa no tahaka anao,+Izay vahoaka mahazo famonjena avy amin’i Jehovah+Ilay ampingan’ny famonjena anao,+Sy Ilay sabatrao malaza?+ Koa hitakemotra eo anoloanao ny fahavalonao,+Fa ianao kosa hanitsaka ny toerana avony.”+

Fanamarihana