Deoteronomia 4:1-49

4  “Ary ankehitriny ry Israely ô, henoy ny fitsipika sy ny didim-pitsarana izay ampianariko anareo, ka mila ankatoavinareo. Henoy izany mba ho velona+ ianareo, ka hiditra ao amin’ilay tany omen’i Jehovah Andriamanitry ny razanareo anareo, ary haka izany ho fanananareo.  Aza ampiana ny teny andidiako anareo ary aza anesorana,+ mba hitandremanareo ny didin’i Jehovah Andriamanitrareo izay andidiako anareo.  “Ny masonareo no nahita izay nataon’i Jehovah tamin’ilay raharaha momba an’i Balan’i Peora.+ Koa hitanareo fa naringan’i Jehovah Andriamanitrareo tsy ho eo aminareo, izay rehetra nanaraka an’i Balan’i Peora.+  Fa ianareo izay nifikitra+ tamin’i Jehovah Andriamanitrareo kosa mbola velona daholo ankehitriny.  Efa nampianariko fitsipika+ sy didim-pitsarana+ ianareo, araka izay nandidian’i Jehovah Andriamanitro ahy, mba harahinareo any amin’ilay tany halehanareo sy halainareo ho fanananareo.  Koa tandremo sy ankatoavy izany, satria izany no hahitan’ny firenen-kafa fa hendry+ sy mahira-tsaina+ ianareo. Handre izany fitsipika rehetra izany mantsy izy ireo, ka hilaza tokoa hoe: ‘Tena hendry sy mahira-tsaina io firenena lehibe io!’+  Fa iza moa no firenen-dehibe+ manana andriamanitra akaiky azy toa an’i Jehovah Andriamanitsika izay akaiky antsika rehefa antsointsika?+  Ary iza moa no firenen-dehibe manana fitsipika sy didim-pitsarana marina toy ireo lalàna rehetra ataoko eo anatrehanareo anio?+  “Fa mitandrema fotsiny, ary tandremo tsara ny tenanao+ sao hadinoinao ny zavatra efa hitan’ny masonao+ ka hiala ao am-ponao izany, mandritra ny androm-piainanao.+ Ary ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao+ izany, 10  sy ilay andro nitsangananao teo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao tany Horeba,+ tamin’i Jehovah nilaza tamiko hoe: ‘Vorio ho etỳ amiko ny olona fa hampandrenesiko azy ny teniko,+ mba hianarany hatahotra+ ahy amin’ny andro rehetra hiainany eo amin’ilay tany, ary mba hampianarany ny zanany.’+ 11  “Koa nanatona ianareo, dia nitsangana teo am-pototry ny tendrombohitra. Ary nirehitra ilay tendrombohitra, ka nisy afo nanakatra ny lanitra, sady nisy haizina sy rahona ary haizim-pito.+ 12  Dia niteny taminareo avy tao anaty afo+ i Jehovah, ka feo ihany no renareo fa tsy nahita bika aman’endrika+ ianareo. Feo+ ihany no renareo. 13  Ary nambarany taminareo ilay fifanekena+ nasainy harahinareo, dia ny Teny Folo.+ Avy eo, dia nosoratany teo amin’ny takela-bato roa+ izany. 14  Izaho no nodidian’i Jehovah tamin’izay fotoana izay hampianatra anareo fitsipika sy didim-pitsarana mba hankatoavinareo any amin’ilay tany halehanareo sy halainareo ho fanananareo.+ 15  “Ary mitandrema tsara ianareo,+ satria tsy nahita bika aman’endrika+ mihitsy ianareo tamin’ilay andro nitenenan’i Jehovah taminareo avy tao anaty afo, tany Horeba, 16  sao mitady loza+ ianareo, ka manao sary sokitra ho anareo, dia sarin-javatra na inona na inona, na sarin-dehilahy na sarim-behivavy,+ 17  na sarim-biby eto an-tany,+ na sarim-borona manana elatra izay manidina eny amin’ny lanitra,+ 18  na sarin’izay biby mandady amin’ny tany, na sarin-trondro+ any anaty rano ambanin’ny tany. 19  Tandremo koa sao ianao miandrandra ny lanitra ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, dia izay rehetra eny amin’ny lanitra, ka voataona hiankohoka eo anatrehan’ireny sy hanompo azy.+ Nataon’i Jehovah Andriamanitrao ho anjaran’ny firenen-drehetra ambanin’ny lanitra manontolo+ mantsy ireny. 20  Fa ianareo no nalain’i Jehovah mba hoentiny mivoaka avy tao amin’ny fatana fandrendreham-by,+ izany hoe avy tany Ejipta, mba ho lasa fananany manokana+ toy ny amin’izao andro izao. 21  “Ary tezitra mafy tamiko i Jehovah noho ny aminareo+ ka nianiana fa tsy hiampita an’i Jordana aho, na hiditra ao amin’ilay tany soa izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao.+ 22  Ho faty eto amin’ity tany ity aho fa tsy hiampita an’i Jordana.+ Fa ianareo kosa no hiampita ka haka an’io tany soa io ho fanananareo. 23  Koa tandremo sao hadinoinareo ny fifanekena nataon’i Jehovah Andriamanitrareo taminareo,+ ka manao sary sokitra ho anareo ianareo, dia bikabikan’ny zavatra rehetra nandraran’i Jehovah Andriamanitrareo+ anareo. 24  Fa afo mandevona i Jehovah Andriamanitrao,+ dia Andriamanitra mitaky ny hanompoana azy irery ihany.+ 25  “Raha miteraka sy manan-jafikely ianao ka efa ela ianareo no nipetraka teo amin’ilay tany, nefa mitady loza+ ka manao sary sokitra+ na bikabikan-javatra na inona na inona, ary manao ratsy eo imason’i Jehovah Andriamanitrao+ ka mampahatezitra azy, 26  dia hataoko ho vavolombelona hiampanga anareo ny lanitra sy ny tany+ anio, fa tsy ho ela ianareo dia ho ripaka tokoa ka tsy ho eo amin’ilay tany izay halainareo ho fanananareo eny ampitan’i Jordana. Tsy ho lava andro iainana ianareo eo, fa ho ringana+ tokoa. 27  Ary haparitak’i Jehovah any amin’ny firenen-kafa+ ianareo, ka ho vitsy sisa+ ianareo any amin’ireo firenena izay handefasan’i Jehovah anareo. 28  Hanompo andriamanitra+ nataon-tanan’olona ianareo any, dia vato aman-kazo+ izay tsy mahita na mandre na mihinana na mandre fofona.+ 29  “Raha mitady an’i Jehovah Andriamanitrao ianao any, dia hahita azy+ tokoa, satria hitady azy amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo.+ 30  Rehefa ory mafy ianao ary manjo anao ireo voalaza rehetra ireo any am-parany, dia hiverina amin’i Jehovah Andriamanitrao+ ianao ka hihaino ny feony.+ 31  Fa Andriamanitra mamindra fo i Jehovah Andriamanitrao,+ ka tsy hahafoy anao na handringana anao na hanadino ny fifanekena+ nianianany tamin’ny razanao. 32  “Fa anontanio ange ny momba ny andro taloha+ e, hatramin’ny andro namoronan’Andriamanitra ny olona teto an-tany,+ manomboka any amin’ny faravodilanitra iray hatrany amin’ny faravodilanitra iray, ka ataovy hoe: Efa nisy zava-dehibe toy izany ve nitranga? Ary efa mba nisy nandre zavatra toy izany ve?+ 33  Firenena iza no efa nandre ny feon’Andriamanitra niteny avy tao anaty afo, toy ny efa renao, nefa mbola velona ihany?+ 34  Sa Andriamanitra efa mba nanandrana naka firenena ho an’ny tenany avy tamin’ny firenena iray, tamin’ny alalan’ny fizahan-toetra,+ sy famantarana,+ sy fahagagana,+ sy ady,+ sy tanana mahery,+ sy sandry nahinjitra,+ ary zavatra tena mampahatahotra,+ toy izay rehetra nataon’i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo teo imasonareo, tany Ejipta? 35  Ianao no nampisehoana izany mba hahafantaranao fa i Jehovah no tena Andriamanitra+ ary tsy misy afa-tsy izy.+ 36  Avy tany an-danitra no nampandrenesany anao ny feony mba hanitsiana anao. Ary teto an-tany no nasehony anao ny afony lehibe, ary efa renao avy tao anaty afo ny teniny.+ 37  “Mbola velona ihany anefa ianao na izany aza, satria tiany ireo razanao ka nifidy ny taranak’izy ireo izy+ ary nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta teo ambany masony, tamin-kery lehibe.+ 38  Nanao izany izy mba handroahany tsy ho eo anatrehanao ireo firenena lehibe sy matanjaka noho ianao, ka hampidirany anao ao amin’ny tanin’ireny sy hanomezany anao izany ho lovanao, toy ny amin’izao andro izao.+ 39  Fantatrao tsara ankehitriny ary raketo ao am-ponao fa i Jehovah no tena Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany,+ ary tsy misy afa-tsy izy.+ 40  Koa tandremo ny fitsipiny+ sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa+ foana ianao sy ny taranakao, ary mba ho lava andro iainana ianao eo amin’ilay tany omen’i Jehovah Andriamanitrao+ anao.” 41  Ary tamin’izay fotoana izay i Mosesy no nanokana tanàna telo teny ampitan’i Jordana, nanandrify ny fiposahan’ny masoandro,+ 42  mba handosiran’izay nahafaty olona tsy nahy+ nefa tsy nankahala an’ilay olona talohan’izay.+ Ary handositra any amin’ny iray amin’ireo tanàna ireo izy, ka ho velona.+ 43  Ireto avy izany tanàna izany: Bezera+ any an-tany efitra, eny amin’ny lembalemba, ho an’ny Robenita; Ramota+ any Gileada, ho an’ny Gadita; ary Golana+ any Basana, ho an’ny Manasita.+ 44  Ary izao no lalàna+ nataon’i Mosesy teo anatrehan’ny zanak’Israely. 45  Ireto avy ny fampahatsiahivana+ sy ny fitsipika+ ary ny didim-pitsarana+ nolazain’i Mosesy tamin’ny zanak’Israely, rehefa nivoaka avy tany Ejipta izy ireo, 46  tany amin’ny faritr’i Jordana, teo an-dohasaha tandrifin’i Beti-peora,+ tao amin’ny tanin’i Sihona mpanjakan’ny Amorita izay nonina tao Hesbona,+ dia ilay resin’i Mosesy sy ny zanak’Israely, rehefa nivoaka avy tany Ejipta izy ireo.+ 47  Ary nalain’izy ireo ho fananany ny tanin’i Sihona sy ny tanin’i Oga+ mpanjakan’i Basana, dia ny mpanjaka roan’ny Amorita, izay tany amin’ny faritr’i Jordana nanandrify ny fiposahan’ny masoandro, 48  nanomboka tany Aroera,+ eo an-tsisin’ny lohasaha falehan-driakan’i Arnona, ka hatrany an-tendrombohitra Siona, izany hoe Hermona,+ 49  sy Araba+ manontolo any amin’ny ilany atsinanana amin’ny faritr’i Jordana, ka hatrany amin’ny ranomasin’i Araba,+ izay eo am-pototry ny tehezan’i Pisga.+

Fanamarihana