Deoteronomia 7:1-26

7  “Rehefa hampiditra anao any amin’ilay tany izay halehanao sy halainao ho fanananao i Jehovah Andriamanitrao,+ dia horoahiny tsy ho eo anatrehanao+ ireto firenena be mponina ireto: Ny Hetita,+ ny Girgasita,+ ny Amorita,+ ny Kananita,+ ny Perizita,+ ny Hivita+ ary ny Jebosita,+ izany hoe firenena fito be mponina sady mahery noho ianao.+  Ary hatolotr’i Jehovah Andriamanitrao eo an-tananao tokoa ireny ka horesenao.+ Tsy maintsy haringanao tanteraka+ ireny. Aza manao fifanekena aminy na mamindra fo aminy.+  Aza manao fifanarahana ara-panambadiana aminy: Aza omenao ho vadin’ny zanany lahy ny zanakao vavy, ary aza alainao ho vadin’ny zanakao lahy ny zanany vavy.+  Fa hampiala ny zanakao lahy tsy hanaraka ahy izy, ka azo antoka fa hanompo andriamani-kafa ireo.+ Koa hirehitra aminareo tokoa ny fahatezeran’i Jehovah, ka tsy hiandry ela izy, fa handringana anareo.+  “Fa izao kosa no hataonareo amin’ireny: Arodano ny alitarany,+ torotoroy ny tsangambatony masina,+ kapao+ ny tsato-kazony masina,+ ary dory ny sary sokitra ivavahany.+  Fa vahoaka masina ianareo amin’i Jehovah Andriamanitrareo.+ Ary ianareo no nofidin’i Jehovah Andriamanitrareo avy tamin’ny firenena rehetra etỳ ambonin’ny tany, mba ho vahoakany sy ho fananany manokana.+  “Tsy noho ianareo maro an’isa indrindra amin’ny firenena rehetra no nahatonga an’i Jehovah hiraiki-po aminareo sy hifidy anareo.+ Ianareo mantsy no vitsy indrindra amin’ny firenena rehetra.+  Fa noho ny fitiavan’i Jehovah anareo+ sy ny fanajany ny fianianana nataony tamin’ny razanareo+ no namoahan’i Jehovah anareo tamin’ny tanana mahery,+ mba hanavotany anareo avy tany amin’ny trano fanandevozana,+ avy teo an-tanan’i Farao mpanjakan’i Ejipta.  Ary fantatrao tsara fa i Jehovah Andriamanitrao no tena Andriamanitra.+ Andriamanitra mendri-pitokisana+ izy, sady manaja fifanekena+ sy maneho hatsaram-panahy feno fitiavana amin’izay tia azy sy mitandrina ny didiny, hatramin’ny taranaka arivo mandimby.+ 10  Valiany an-kitsirano* kosa anefa izay mankahala azy ka haringany.+ Tsy hisalasala hamaly an-kitsirano an’izay mankahala azy izy. 11  Koa tandremo ny didy sy ny fitsipika ary ny didim-pitsarana izay andidiako anao anio, ka ankatoavy.+ 12  “Hotanterahin’i Jehovah Andriamanitrareo aminareo ilay fifanekena+ nianianany tamin’ny razanareo,+ ka hanehoany hatsaram-panahy feno fitiavana+ ianareo, satria mihaino foana an’izany didim-pitsarana izany sady mitandrina sy manaraka izany.+ 13  Dia ho tia sy hitahy+ anao tokoa izy, ary hahamaro anao+ ka hotahiny izay aloaky ny kibonao+ sy ny vokatry ny taninao,+ ny varimbazahanao sy ny divainao vaovao sy ny menakao, ny zanak’ombinao sy ny zanaky ny ondry aman’osinao,+ any amin’ilay tany izay nianianany tamin’ny razanao homena anao.+ 14  Hotahina mihoatra noho ny firenena rehetra ianao.+ Tsy hisy tsy hanan-taranaka ny lehilahy sy ny vehivavy eo aminao, mbamin’ny biby fiompinao.+ 15  Hesorin’i Jehovah tsy ho eo aminao tokoa ny aretina rehetra. Ary tsy hisy hataony mahazo anao ny areti-mandoza rehetra tany Ejipta izay efa fantatrao,+ fa izay rehetra mankahala anao kosa no hataony azon’izany. 16  Haringanao tanteraka ny firenena rehetra homen’i Jehovah Andriamanitrao anao.+ Aoka tsy hiantra azy+ ny masonao ary aza manompo ny andriamaniny,+ fa ho fandrika ho anao izany.+ 17  “Raha hoy ianao anakampo: ‘Be mponina loatra ireo firenena ireo, ka ho vitako ve ny handroaka azy?’,+ 18  dia aza matahotra azy+ na izany aza. Aza hadinoina mihitsy izay nataon’i Jehovah Andriamanitrao tamin’i Farao sy Ejipta+ manontolo, 19  dia ny fizahan-toetra lehibe izay efa hitan’ny masonao,+ ary koa ny famantarana sy fahagagana+ sy tanana mahery+ ary sandry nahinjitra,+ izay nampiasain’i Jehovah Andriamanitrao namoahana anao.+ Ho toy izany no hataon’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny firenena rehetra atahoranao.+ 20  Ary hataon’i Jehovah Andriamanitrao koa izay hahakivy tanteraka+ an’ireny, mandra-pahafatin’izay sisa tavela+ sy izay niafina anao. 21  Aza mivadi-po noho ny aminy, fa eo aminao i Jehovah Andriamanitrao,+ izay Andriamanitra lehibe sy mendrika hatahorana.+ 22  “Horoahin’i Jehovah Andriamanitrao tsikelikely tsy ho eo anatrehanao+ ireny firenena ireny. Tsy mahazo mandringana azy haingana anefa ianao, sao hihamaro ny bibidia ka hamely anao. 23  Hatolotr’i Jehovah Andriamanitrao eo an-tananao tokoa ireny, ka horoahiny ao anatin’ny fisavoritahana be, mandra-pahalany ringana an’ireny.+ 24  Dia hatolony eo an-tananao tokoa ireo mpanjakany,+ ka hofoananao tsy ho etỳ ambanin’ny lanitra ny anaran’ireny.+ Tsy hisy hahatohitra anao,+ mandra-pandringanao tanteraka an’ireny.+ 25  Hodoranareo ny sary sokitra izay andriamaniny.+ Aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena eo amin’ireny,+ na maka izany ho anao,+ sao ho voafandrik’izany+ ianao, fa zava-maharikoriko+ amin’i Jehovah Andriamanitrao izany. 26  Aza mitondra zava-maharikoriko ho ao an-tranonao, sao ho voatokana haringana toy izany zavatra izany koa ianao. Tokony haharikoriko tanteraka anao izany, ary ho tena halanao,+ satria zavatra natokana haringana.+

Fanamarihana

A.b.t.: “eo anatrehan’ny tavany.”