Efesianina 1:1-23

1  Paoly, apostolin’i+ Kristy Jesosy noho ny sitrapon’Andriamanitra.+ Ho an’ny olona masina any Efesosy sy ireo olona tsy mivadika+ izay tafaray+ amin’i Kristy Jesosy,  Ho aminareo anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa+ sy ny fiadanana+ izay avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo!  Hisaorana anie ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika,+ satria nitahy antsika izy+ ka nanome antsika ny fitahiana ara-panahy rehetra any amin’ny faritry ny lanitra,+ noho isika tafaray amin’i Kristy!  Nifidy+ antsika izy talohan’ny nanorenana+ izao tontolo izao, mba ho tafaray amin’i Kristy isika, ary mba ho masina sy tsy misy tsiny+ eo anatrehan’Andriamanitra, noho ny fitiavana.+  Izy mantsy efa nanendry antsika mialoha+ mba hatsangany+ ho zanany+ amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, araka izay mahafinaritra azy sy araka ny sitrapony,+  ho fiderana+ ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa+ sy be voninahitra, izay nasehony tamintsika tamin-katsaram-panahy, tamin’ny alalan’ilay tiany.+  Izy io no ananantsika ilay fanafahana entin’ny vidim-panavotana amin’ny alalan’ny rany,+ eny, ahazoantsika ny famelana+ ny helotsika, araka ny harenan’ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa.+  Be dia be ny hatsaram-panahy nasehony tamintsika, ary nomeny antsika koa ny fahendrena+ sy ny fahaiza-misaina rehetra,  tamin’ny nampahafantarany antsika ny zava-miafina masina+ ny amin’ny sitrapony. Araka izay mahafinaritra azy izany zava-miafina izany sy mifanaraka amin’ny fikasany+ 10  hanangana fitantanan-draharaha,+ rehefa tapitra tanteraka ny fotoana voatondro.+ Ary izany dia ny fanangonana+ indray ao amin’i Kristy ny zava-drehetra,+ na ny zavatra any an-danitra+ na ny zavatra eto an-tany.+ Eny, ao aminy no anangonana ny zava-drehetra, 11  ary tao aminy no nanaovana antsika koa ho mpandova,+ ka nanendrena antsika mialoha araka ny fikasan’Andriamanitra. Izy mantsy no mampandeha ny fiasan’ny zava-drehetra araka izay kasain’ny sitrapony.+ 12  Koa notendrena ho mpandova isika mba hanompoantsika ho fiderana ny voninahiny,+ dia isika izay voalohany nanantena an’i Kristy.+ 13  Fa nanantena azy koa ianareo rehefa avy nandre ny tenin’ny fahamarinana,+ dia ny vaovao tsara momba ny famonjena anareo.+ Ary tamin’ny alalany koa no nanisiana tombo-kase+ anareo rehefa nino ianareo, dia ny tombo-kasen’ny fanahy masina+ nampanantenaina, 14  izay antoka+ mialoha ny amin’ny lovantsika.+ Nasiana izany tombo-kase izany ianareo mba hanafahana ny olon’Andriamanitra+ amin’ny alalan’ny vidim-panavotana,+ mba hiderana azy amim-boninahitra. 15  Noho izany, rehefa reko ny finoanareo an’i Jesosy Tompo, izay miseho amin’ny fomba itondranareo ny olona masina rehetra,+ 16  dia misaotra an’Andriamanitra mandrakariva aho noho ny aminareo. Ary mahatsiaro anareo amim-bavaka foana aho,+ eny, mangataka 17  amin’ilay Andriamanitr’i Jesosy Kristy Tompontsika, ilay Rain’ny voninahitra, mba hanomezany anareo ny fanahin’ny fahendrena,+ ary mba hahazoanareo ny hevitr’izay zavatra aharihariny, eo am-piezahanareo hahazo fahalalana marina tsara momba azy.+ 18  Ary satria efa nampahiratina+ ny mason’ny+ fonareo, dia mahatsiaro anareo amim-bavaka koa aho mba hahalalanareo ilay fanantenana+ niantsoany anareo, sy ilay harena+ be voninahitra tehiriziny ho lovan’ny olona masina,+ 19  ary ilay hery+ lehibe tsy misy toa azy izay nomeny antsika mpino. Hita eo amin’ny fiasan’ny+ tanjaky ny heriny izany hery lehibe izany, 20  izay nampiasainy tamin’i Kristy tamin’izy nanangana azy tamin’ny maty+ sy nametraka azy teo ankavanany+ any amin’ny faritry ny lanitra,+ 21  ho ambony lavitra noho izay rehetra mety ho fanjakana sy fahefana sy hery sy fitondrana+ ary ny anarana rehetra nomena,+ tsy eto amin’ity tontolo ity+ ihany, fa any amin’ilay ho avy+ koa. 22  Ary nasainy nanaiky an’i Kristy ny zava-drehetra, ka nataony eo ambany tongony.+ Ary nataony ho lohan’ny zavatra rehetra+ izy, mba hahasoa ny fiangonana, 23  izay tsy inona fa ny vatany.+ Feno+ azy ny fiangonana ary izy no mameno ny zava-drehetra ao amin’ny rehetra.+

Fanamarihana