Efesianina 2:1-22
2 Ary ianareo no novelomin’Andriamanitra na dia fony mbola maty tao amin’ny helokareo sy ny fahotanareo aza.+
2 Tao amin’izany mantsy no nandehananareo taloha, araka an’ity tontolo ity*+ sy araka an’ilay mpitondra+ ny fahefan’ny rivotra, dia ny toe-tsaina+ izay miasa ankehitriny ao amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana.+
3 Tamintsika teo amin’izy ireo, dia nitondra tena araka ny fanirian’ny nofontsika isika rehetra taloha,+ ka nanao izay danin’ny nofontsika+ sy ny saintsika. Ary efa zanaky ny fahatezerana+ toy ny hafa rehetra isika hatramin’ny nahaterahantsika.
4 Fa manankarena famindram-po Andriamanitra,+ ary noho ny fitiavany lehibe izay nitiavany antsika+
5 no namelomany antsika niaraka tamin’i Kristy, na dia fony mbola maty tao amin’ny helotsika+ aza isika.—Hatsaram-panahy tsy manam-paharoa no namonjena anareo.+—
6 Ary niara-natsangany+ sy niara-napetrany teo amin’ny toerana tanantsika any amin’ny faritry ny lanitra+ isika, noho isika tafaray amin’i Kristy Jesosy.
7 Nanao izany izy mba hampisehoana fa tsy misy toa azy ny harenan’ny+ hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa, amin’ny fotoana hisian’ireo rafitra ho avy,+ noho izy tsara fanahy amintsika izay tafaray+ amin’i Kristy Jesosy.
8 Izany hatsaram-panahy tsy manam-paharoa izany tokoa no namonjena anareo, noho ny finoanareo.+ Ary tsy avy aminareo izany,+ fa fanomezan’Andriamanitra.+
9 Tsia, tsy avy amin’izay atao izany,+ mba tsy hisy hanana antony hireharehana.+
10 Asan’ny tanany+ mantsy isika ary noforonina+ hanao asa tsara,+ noho isika tafaray+ amin’i Kristy Jesosy. Efa nomanin’Andriamanitra mialoha+ izany asa izany mba hitondrantsika tena mifanaraka amin’izany.
11 Koa tadidio foana fa olon’izao tontolo izao ianareo taloha, raha ny amin’ny nofo.+ Niantso anareo hoe “tsy voafora” ireo antsoina hoe “voafora” teo amin’ny nofo, dia ireo noforan-tanana.+
12 Tadidio fa tsy nanana an’i Kristy+ ianareo tamin’izany fotoana izany, ary tafasaraka+ tamin’ny firenen’Israely ka vahiny raha ny amin’ireo fifanekena momba ny fampanantenana,+ ary tsy nanana fanantenana+ sady tsy nanana an’Andriamanitra ianareo, teo amin’izao tontolo izao.+
13 Ianareo izay lavitra fahiny nefa tafaray amin’i Kristy Jesosy ankehitriny, dia efa akaiky izao, noho ny ran’i+ Kristy.
14 Izy mantsy no nampihavana antsika,+ eny, izy izay nampiray+ antsika roa tonta+ sy nandrava an’ilay rindrina+ teo anelanelany izay nanasaraka+ antsika.
15 Ny nofony+ no nanafoanany ny fandrafiana,+ dia ny Lalàna misy didy maro,+ mba hamoronany olom-baovao iray+ ho tafaray aminy avy amin’ireo firenena roa,+ ka hamitranany fihavanana,
16 ary mba hampihavanany+ tanteraka antsika roa tonta amin’Andriamanitra ka ho tonga vatana iray+ isika, amin’ny alalan’ny hazo fijaliana,+ satria ny tenany no namonoany ilay fandrafiana.+
17 Dia tonga izy ka nitory ny vaovao tsaran’ny fihavanana+ taminareo izay lavitra, ary fihavanana tamin’izay akaiky+ koa,
18 satria amin’ny alalany no ahafahantsika roa tonta+ manatona+ ny Ray amin’ny alalan’ny fanahy iray ihany.+
19 Koa tsy vahiny+ na mpivahiny+ intsony àry ianareo, fa mpiray firenena+ amin’ny olona masina+ sady anisan’ny ankohonan’Andriamanitra.+
20 Ary efa naorina teo ambony fototra,+ dia ny apostoly+ sy ny mpaminany+ ianareo, fa i Kristy Jesosy kosa no vato fehizoro.+
21 Tafaray aminy ilay rafitra manontolo, izay tafakambana mirindra tsara,+ ka amin’izany no isondrotany mba ho tonga tempoly masina ho an’i Jehovah.+
22 Tafaray aminy+ koa ianareo, ka amin’izany no anorenana anareo miaraka mba ho tonga toerana honenan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanahiny.+
Fanamarihana
^ Na: “rafitr’ity tontolo ity.”