Efesianina 3:1-21

3  Izany no antony mahatonga ahy, Paoly, ho voafonja+ noho ny amin’i Kristy Jesosy, ho anareo hafa firenena+  Efa renareo tokoa fa nasain’Andriamanitra niandraikitra+ ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa aho, mba hahasoa anareo.  Koa nampahafantarina ahy, tamin’ny alalan’ny fampiharihariana, ny zava-miafina masina,+ araka ny efa nosoratako tamin’ny teny fohifohy.  Rehefa mamaky an’ity àry ianareo, dia ho fantatrareo fa mahalala+ an’ilay zava-miafina masina+ ny amin’i Kristy aho.  Ny zanak’olombelona tamin’ny taranaka tany aloha dia tsy nampahafantarina an’io zava-miafina io+ hoatran’izao ampiharihariana+ azy amin’ny apostoliny masina sy ny mpaminaniny+ izao, amin’ny alalan’ny fanahy masina.  Izao izany zava-miafina izany: Tokony ho mpiray lova sy anisan’ny vatana iray ireo hafa firenena,+ sady hiara-manana ilay fampanantenana+ amintsika, ary ho tafaray amin’i Kristy Jesosy, noho ny vaovao tsara.  Tonga mpanompo+ miandraikitra izany aho, noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra. Nomeny an’izany fanomezana maimaim-poana izany aho, ho fanehoany ny heriny.+  Izaho izay kely noho ny kely indrindra+ amin’ny olona masina rehetra no nanehoana izany hatsaram-panahy tsy manam-paharoa+ izany, dia ny hitory amin’ny hafa firenena+ ny vaovao tsara momba ny harena+ tsy hita fetran’i Kristy,  sy ny hanao izay hahitan’ny olona ny fomba itantanana+ ny zava-miafina masina+ izay nafenina hatrizay hatrizay tao amin’Andriamanitra, ilay namorona ny zava-drehetra.+ 10  Izany dia mba hampahafantarana amin’ireo fanjakana sy fahefana+ ankehitriny izay mitana toerana any amin’ny faritry ny lanitra, ny lafiny maro samihafa amin’ny fahendren’Andriamanitra,+ amin’ny alalan’ny fiangonana,+ 11  araka ny fikasana mandrakizay nataony momba an’i Kristy,+ dia i Jesosy Tompontsika. 12  Izy no ahafahantsika miteny amim-pahasahiana sy manatona+ an’Andriamanitra amin-toky, noho isika mino an’i Kristy. 13  Koa mangataka anareo aho mba tsy ho kivy amin’ireny fahoriana+ nanjo ahy noho ny aminareo ireny. Voninahitra ho anareo mantsy izy ireny. 14  Izany no antony andohalehako+ eo anatrehan’ny Ray,+ 15  izay ahazoan’ny fianakaviana+ rehetra any an-danitra sy eto an-tany anarana,+ 16  mba hanaovany izay hahatonga anareo, araka ny harenan’ny+ voninahiny, hohatanjahina raha ny amin’ny toetra maha izy anareo,+ amin’ny alalan’ny hery avy amin’ny fanahiny,*+ 17  sy hanana an’i Kristy hitoetra ao am-ponareo amin’ny alalan’ny finoanareo, ao anatin’ny fitiavana.+ Mivavaka koa aho mba hamaka+ tsara sy hiorina mafy eo amin’ny fototra+ ianareo. 18  Amin’izay ianareo dia hiara-mahatakatra+ tsara amin’ny olona masina rehetra izay sakany sy halavany sy haavony ary halaliny,+ 19  ary hahalala ny fitiavan’i Kristy+ izay mihoatra noho ny fahalalana, mba ho heniky ny fahafenoana+ rehetra omen’Andriamanitra ianareo. 20  Ary ho an’ilay afaka manao mihoatra noho izay rehetra angatahintsika na eritreretintsika,+ eny, mihoatra lavitra noho izany mihitsy aza, araka ny heriny izay miasa+ ao anatintsika, 21  dia ho azy anie ny voninahitra, amin’ny alalan’ny fiangonana sy amin’ny alalan’i Kristy Jesosy hatrany amin’ny taranaka rehetra mandrakizay mandrakizay!+ Amena.

Fanamarihana

Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.