Efesianina 4:1-32

4  Koa miangavy anareo aho, dia izaho izay voafonja+ noho ny amin’ny Tompo, mba hitondra tena mendrika+ ny fiantsoana izay niantsoana+ anareo ianareo,  ary hanao izany amim-panetren-tena+ sy amim-pahalemem-panahy tanteraka, ary amin’ny fahari-po,+ ka hifampizaka amim-pitiavana,+  sy hiezaka mafy hitana ny maha iray ny fanahy ao anatin’ny fihavanana, izay fatorana mampiray.+  Iray ny vatana,+ ary iray ny fanahy* masina,+ tahaka ny maha iray ny fanantenana+ izay niantsoana anareo.  Iray ny Tompo,+ iray ny finoana,+ ary iray ny batisa.+  Iray Andriamanitra+ sady Rain’izy rehetra, sy manana fahefana amin’izy rehetra, ary miasa amin’ny alalan’ny rehetra sy ao amin’ny rehetra.  Isika tsirairay avy no nanehoana hatsaram-panahy tsy manam-paharoa,+ araka ny fatra izay amaran’i Kristy ny fanomezana maimaim-poana.+  Koa izany no ilazany hoe: “Nitondra babo izy rehefa niakatra tany amin’ny avo, ary nanolotra lehilahy ho fanomezana.”+  Ary inona moa no dikan’ny hoe ‘niakatra+ izy’? Midika izany fa izy koa dia nidina tatỳ amin’ny faritra ambany, izany hoe ny tany.+ 10  Ilay nidina ihany no niakatra+ any lavitra any ambonin’ny lanitra+ rehetra, mba hahatonga ny zava-drehetra ho feno.+ 11  Ary nanome ny sasany ho apostoly+ izy, ny sasany ho mpaminany,+ ny sasany ho mpitory ny vaovao tsara,+ ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,+ 12  mba hanitsiana+ ny olona masina, ka hanaovany asa fanompoana, sy hanorenana ny vatan’i Kristy. 13  Ary izany dia mandra-pananantsika rehetra zavatra inoana iray ihany sy fahalalana marina tsara iray ihany momba ny Zanak’Andriamanitra, sy mandra-pahatongantsika ho olon-dehibe,+ ary hahatratrarantsika ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy.+ 14  Amin’izay dia tsy ho zaza intsony isika ka hatopatopan’ny+ onja sy havezivezin’izao karazan-drivotry ny fampianarana+ rehetra izao amin’ny alalan’ny famitahan’ny+ olona, sy amin’ny alalan’ny hafetsen-dratsy amin’ny famoronana hevi-diso. 15  Milaza ny marina+ kosa isika, ka aoka hitombo+ amin’ny zava-drehetra amin’ny alalan’ny fitiavana mba hifanaraka amin’ny loha,+ dia i Kristy. 16  Koa izy no ahafahan’ny vatana+ iray manontolo mandray anjara amin’ny fitomboan’ny vatana mba hiorenany ao anatin’ny fitiavana. Mahavita izany ny vatana noho izy io tafakambana mirindra tsara sady natao hiara-miasa amin’ny alalan’ny tonon-taolana rehetra mpanome izay ilaina, sy hiara-miasa araka ny tokony ho fiasan’ny rantsambatana tsirairay.+ 17  Koa izao no lazaiko sady hamafisiko eo anatrehan’ny Tompo, dia ny tsy handehananareo intsony tahaka an’izao tontolo izao,+ izay mandeha araka ny fahafoanan’ny sainy,+ 18  sady maizin-tsaina+ sy lavitra+ ny fiainana avy amin’Andriamanitra, noho ny tsy fahalalana+ ao anatiny sy noho ny hamafin’ny+ fony. 19  Efa tsy mahalala menatra intsony+ izy ireny, ka manaram-po amin’ny fitondran-tena baranahiny+ hanao izao karazam-pahalotoana+ rehetra izao, sady tsy mety afa-po+ fa mbola te hanao foana. 20  Tsy mba toy izany kosa no nianaranareo momba an’i Kristy,+ 21  raha toa ka izy tokoa no renareo ary tamin’ny alalany no nampianarana anareo,+ araka ilay fahamarinana+ nampianarin’i Jesosy. 22  Eny, nampianarina ianareo mba hanaisotra ny toetranareo taloha,+ izay mifanaraka amin’ny fitondran-tenanareo fahiny sady mihasimba+ araka ny faniriany mamitaka,+ 23  fa mba hohavaozina hatrany kosa ianareo eo amin’ny hery mibaiko ny sainareo,+ 24  ka mba hitafy+ ny toetra vaovao+ izay noforonina+ araka ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny tena fahitsiana+ sy tsy fivadihana. 25  Koa satria àry efa narianareo ny lainga,+ dia milazà ny marina amin’ny namanareo avy ianareo tsirairay,+ fa rantsambatana mifampiankina isika.+ 26  Tezera fa aza manota.+ Aza avela ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranareo,+ 27  ary aza omena toerana ny Devoly.+ 28  Aoka ny mpangalatra tsy hangalatra intsony,+ fa aoka kosa izy hiasa mafy, ka hampiasa ny tanany hanaovana asa tsara,+ mba hanan-javatra hozaraina amin’izay sahirana.+ 29  Aoka tsy hisy teny ratsy hivoaka amin’ny vavanareo,+ fa izay teny tsara ho fampaherezana kosa, rehefa ilaina izany, mba hahasoa an’izay mihaino.+ 30  Ary aza manao izay hampalahelo ny fanahy masin’Andriamanitra,+ izay nanisiana tombo-kase+ anareo ho amin’ilay andro hanafahana anareo amin’ny alalan’ny vidim-panavotana.+ 31  Aoka hesorina tsy ho eo aminareo ny lolompo+ rehetra, ny fahatezerana rehetra, ny fahavinirana rehetra, ny filelalelana rehetra ary ny fanevatevana+ rehetra, mbamin’ny faharatsiana+ rehetra. 32  Aoka kosa ianareo ho tsara fanahy+ amin’ny namanareo avy, ka hangoraka+ sy hifamela heloka tanteraka, toy ny namelan’Andriamanitra tanteraka ny helokareo,+ tamin’ny alalan’i Kristy.

Fanamarihana

Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.