Efesianina 6:1-24

6  Ianareo zanaka, ankatoavy ny ray aman-dreninareo+ araka ny sitrapon’ny+ Tompo, fa marina eo imasony+ izany.  “Hajao ny rainao sy ny reninao.”+ Izany no didy voalohany mirakitra an’izao fampanantenana+ izao:  “Mba hahita soa ianao, ary mba ho ela velona eto ambonin’ny tany.”+  Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo,+ fa tezao+ hatrany araka ny fananarana+ sy ny fomba fisainan’i+ Jehovah izy.  Ianareo mpanompo, ankatoavy ny tomponareo ara-nofo,+ amin’ny fahatahorana sy ny fangovitana+ ary amin’ny fahatsoran’ny fonareo, toy ny ankatoavanareo an’i Kristy,  ka tsy manompo eo imaso fotsiny toy ny mpila sitraka amin’olona,+ fa toy ny mpanompon’i Kristy, manao ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fo manontolo.+  Aoka ianareo hanompo amin’ny fo mazoto, toy ny ho an’i Jehovah,+ fa tsy ho an’olona,  satria fantatrareo fa hisy valiny avy amin’i Jehovah+ ny zavatra tsara rehetra ataon’ny tsirairay, na andevo izy na tsy andevo.+  Ary ianareo tompo, manaova toy izany hatrany koa amin’izy ireo, ka atsaharo ny fandrahonana,+ satria fantatrareo fa any an-danitra ny Tompon’izy ireo izay Tomponareo koa,+ ary tsy mba misy fizahan-tavan’olona+ aminy. 10  Ary farany, aoka ianareo hahazo hery+ mandrakariva amin’ny alalan’ny Tompo sy amin’ny alalan’ny tanjaky+ ny heriny. 11  Tafio daholo ny fiadiana fiarovana+ rehetra avy amin’Andriamanitra mba hahafahanareo ho mafy orina ka hahatohitra ny teti-dratsin’ny+ Devoly. 12  Isika mantsy tsy mitolona+ amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ireo fanjakana+ sy fahefana+ sy mpanjakan’izao+ tontolo anaty haizina izao, ary amin’ireo fanahy ratsy+ any amin’ny faritry ny lanitra. 13  Koa raiso daholo ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra,+ mba hahatohitra ianareo amin’ny andro anjakan’ny faharatsiana, ka ho mafy orina+ rehefa vitanareo tanteraka izany rehetra izany. 14  Koa aoka ianareo ho mafy orina, ka ataovy fehikibo+ eo amin’ny andilanareo ny fahamarinana,+ ary tafio ny fahitsiana ho fiarovan-tratra.+ 15  Dia kiraroy fahavononana hitory ny vaovao tsaran’ny fihavanana+ ny tongotrareo.+ 16  Ary ambonin’izany rehetra izany, dia raiso ny ampinga lehibe, dia ny finoana,+ izay hahafahanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra+ rehetra alefan’ilay ratsy. 17  Raiso koa ny fiarovan-dohan’ny+ famonjena, sy ny sabatry+ ny fanahy,+ izany hoe ny tenin’Andriamanitra.+ 18  Ary mivavaha+ foana na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona, eo ambany fitarihan’ny fanahy,+ sady manaova vavaka sy fitalahoana amin’ny endriny rehetra. Noho izany, dia miambena hatrany ka mahareta amin’izany sady manaova fitalahoana ho an’ny olona masina rehetra 19  sy ho ahy koa, mba ho afaka hiteny+ aho ka hiloa-bava ary ho sahy hiteny+ hampahafantatra ny zava-miafina masin’ny vaovao tsara.+ 20  Fa noho izany vaovao tsara izany no mahatonga ahy ho ambasadaoro+ mifatotra rojo vy. Mivavaha koa ho ahy mba hilazako an’izany amim-pahasahiana, araka izay tokony hitenenako.+ 21  Hampahafantatra anareo ny zava-drehetra i Tykiko,+ rahalahy malala sy mpanompo mendri-pitokisana ao amin’ny Tompo, mba hahafantaranareo koa izay momba ahy sy izay ataoko. 22  Izany indrindra no antony anirahako azy ho any aminareo, mba hahalalanareo izay vaovao momba anay, sy mba hampiononany ny fonareo.+ 23  Ho amin’ireo rahalahy anie ny fiadanana sy ny fitiavana mbamin’ny finoana izay avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo! 24  Ho amin’izay rehetra tia an’i Jesosy Kristy Tompontsika amin’ny fitiavana tsy mety lefy anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa!+

Fanamarihana