Eksodosy 12:1-51

12  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona, tany Ejipta:  “Ity volana ity no ho volana voalohany ho anareo, ka izy io no hataonareo volana voalohany amin’ny taona.+  Koa mitenena amin’ny vahoakan’Israely manontolo hoe: ‘Amin’ny andro fahafolon’ity volana ity, dia aoka ny olona samy haka ondry+ iray avy ho an’ny fianakaviana tsirairay, izany hoe, iray avy isaky ny ankohonana.  Raha vitsy loatra anefa ny iray trano ka tsy mahalany ondry iray, dia aoka izy sy ny mpifanila trano aminy hifampizara an’ilay izy ao an-tranony, arakaraka ny isan’ny olona.* Koa arakaraka ny isan’ny olona hihinana azy no hizarana an’ilay ondry.  Ondrilahy herintaona, izay tsy misy kilema,+ no halainareo.+ Afaka mifantina amin’ny ondrilahy kely na amin’ny osilahy ianareo.  Ary arovy tsara izy io mandra-pahatongan’ny andro fahefatra ambin’ny folon’ity volana ity.+ Dia hamono azy eo anelanelan’ny takariva roa*+ ny fiangonan’Israely manontolo.  Ary hakan’izy ireo ny ra ka hahosotra eo amin’ny tolàm-baravarana roa sy eo amin’ny tataom-baravaran’ny trano izay hihinanany an’ilay ondry.+  “‘Ary hohanin’izy ireo amin’io alina io ny henany.+ Hatsatsika amin’ny afo ilay izy, ary tokony hohaniny miaraka amin’ny mofo tsy misy lalivay,+ mbamin’ny anana mangidy.+  Aza misy hohanina manta na nampangotrahina na nandrahoina tamin’ny rano ny henany, fa tokony hatsatsika daholo hatramin’ny lohany sy ny ranjony ary ny taovany. 10  Ary aza asiana tavela mandra-maraina, fa izay ambiny tavela mandra-maraina, dia hodoranareo.+ 11  Toy izao no hataonareo rehefa mihinana azy: Ny sikina ho eny amin’ny andilanareo,+ ny kapa+ ho eny an-tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tananareo. Dia hohaninareo haingana ilay izy. Paskan’i Jehovah+ izany. 12  Ary hoteteziko ny tany Ejipta amin’io alina io,+ ka hovonoiko ny lahimatoa rehetra ao, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby.+ Ary hampiharako didim-pitsarana ny andriamanitra rehetran’i Ejipta.+ Izaho no Jehovah.+ 13  Ary ny ra no ho famantarana anareo, eo amin’izay trano misy anareo. Ho hitako ny ra ka holalovako fotsiny ianareo,+ dia tsy handringana anareo ny loza rehefa mamely ny tany Ejipta aho. 14  “‘Ary ho fahatsiarovana ho anareo io andro io, ka hankalazainareo ho fety ho an’i Jehovah hatramin’ny taranakareo fara mandimby. Tokony hankalaza an’io andro io ianareo. Ho lalàna mandritra ny fotoana tsy voafetra izany. 15  Fito andro no hihinananareo mofo tsy misy lalivay. Amin’ny andro voalohany, dia hesorinareo tsy ho ao an-tranonareo ny lalivay, satria haringana izay mihinana zavatra misy lalivay, hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro fahafito,+ eny, haringana tsy ho eo amin’ny Israely izany olona* izany.+ 16  Ary hanao fivoriambe masina ianareo amin’ny andro voalohany, ary hanao fivoriambe masina+ koa amin’ny andro fahafito. Tsy tokony hanao asa na inona na inona ianareo amin’ireo andro ireo,+ fa ny fikarakarana ny sakafo hohanin’ny olona* tsirairay ihany no azonareo atao.+ 17  “‘Ary hankalaza ny fetin’ny mofo tsy misy lalivay+ ianareo, satria amin’io andro io no hitondrako ny tafikareo hivoaka avy ao Ejipta. Koa hankalaza an’io andro io ianareo, hatramin’ny taranakareo fara mandimby. Ho lalàna mandritra ny fotoana tsy voafetra izany. 18  Koa amin’ny takarivan’ny andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana voalohany, dia hihinana mofo tsy misy lalivay ianareo hatramin’ny takarivan’ny andro fahiraika amby roapolon’io volana io.+ 19  Tsy tokony hahitana lalivay ao an-tranonareo mandritra ny fito andro, satria haringana izay mihinana zavatra misy lalivay, eny, haringana tsy ho eo amin’ny vahoakan’Israely izany olona* izany,+ na vahiny izy na teratany.+ 20  Tsy hihinana zavatra misy lalivay mihitsy ianareo. Mofo tsy misy lalivay no hohaninareo any amin’izay rehetra misy anareo.’” 21  Dia nantsoin’i Mosesy avy hatrany ny anti-panahy rehetran’ny Israely,+ ka nilazany hoe: “Mandehana maka ondry na osy, ka ataovy iray isam-pianakaviana izany, dia vonoy hatao sorona amin’ny Paska.+ 22  Ary makà hysopa*+ iray fehezana, ka atsobohy ao amin’ilay ra anaty koveta. Dia akao ny ra anaty koveta, ka ahosory eo amin’ny tataom-baravarana sy eo amin’ny tolàna roa. Ary aza misy mivoaka ny varavaran’ny tranonareo ianareo mandra-maraina. 23  Ary rehefa handalo i Jehovah mba hamely ny Ejipsianina, ka hitany ny ra eo amin’ny tataom-baravarana sy ny tolàna roa, dia holalovan’i Jehovah fotsiny ilay varavarana, ka tsy havelany hiditra ao an-trano hamely anareo ny mpandringana.+ 24  “Ary tandremo izany, ho fitsipika+ ho anareo sy ny zanakareo mandritra ny fotoana tsy voafetra.+ 25  Ary rehefa tafiditra any amin’ny tany homen’i Jehovah anareo ianareo, araka izay efa nolazainy, dia ataovy izany fankalazana izany.+ 26  Ary rehefa manontany anareo ny zanakareo hoe: ‘Fa maninona ianareo no manao izao fankalazana izao?’,+ 27  dia lazao hoe: ‘Fanaovana sorona ny Paska ho an’i Jehovah izao.+ Nolalovany fotsiny mantsy ny tranon’ny zanak’Israely tany Ejipta, fony izy namely ny Ejipsianina fa nitsimbina ny tao an-tranontsika kosa.’” Dia niondrika sy niankohoka ny vahoaka.+ 28  Ary lasa ny zanak’Israely, ka nanao araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy sy Arona.+ Izany indrindra no nataon’izy ireo. 29  Ary tamin’ny misasakalina, dia naripak’i Jehovah ny lahimatoa rehetra tao Ejipta,+ hatramin’ny lahimatoan’i Farao, izay nipetraka teo amin’ny seza fiandrianana, ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo tao amin’ny lavaka figadrana, ary ny voalohan-teraka rehetra tamin’ny biby.+ 30  Koa nifoha i Farao raha mbola alina, dia izy sy ny mpanompony rehetra ary ny Ejipsianina rehetra. Ary nisy fidradradradrana mafy teo amin’ny Ejipsianina,+ satria tsy nisy trano tsy nisy maty. 31  Dia niantso+ an’i Mosesy sy Arona avy hatrany i Farao tamin’iny alina iny, ka nanao hoe: “Mandehana miala eto amin’ny vahoakako ianareo sy ny zanak’Israely, ary mandehana manompo an’i Jehovah araka izay efa nolazainareo.+ 32  Ento ny ondrinareo sy ny ombinareo, araka izay efa nolazainareo,+ dia mandehana. Ary tsofy rano aho.” 33  Ary nododonan’ny Ejipsianina ny vahoaka satria tiany horoahina hiala haingana+ tao amin’ilay tany. Hoy mantsy izy ireo: “Ho faty eto daholo izahay.”+ 34  Dia nentin’ny olona ny kobany mbola tsy nisy lalivay. Ary nofonosiny tamin’ny lamba fitafy ny vilia famolavolany koba ka nataony an-tsoroka. 35  Ary nanao araka ny tenin’i Mosesy ny zanak’Israely, ka nangataka zavatra tamin’ny Ejipsianina, dia zavatra vita tamin’ny volafotsy sy volamena mbamin’ny lamba fitafy.+ 36  Ary nataon’i Jehovah nahazo sitraka tamin’ny Ejipsianina ny vahoaka,+ ka nomen’ireo azy izay nangatahiny.+ Koa nataon’ny vahoaka fongana ny fananan’ny Ejipsianina.+ 37  Ary niala tao Ramesesa+ mba ho any Sokota+ ny zanak’Israely, dia vatan-dehilahy enina hetsy nandeha an-tongotra, ankoatra ny zaza madinika.+ 38  Nisy olona maro hafa firenena+ koa niaraka tamin’izy ireo, mbamin’ny ondry sy ny omby, dia biby fiompy maro be. 39  Ary ny koba izay nentin’izy ireo nivoaka avy tany Ejipta, dia nanaovany mofo boribory tsy misy lalivay ka nataony tao anaty lafaoro. Fa mbola tsy nisy lalivay ny koba, satria noroahina niala tao Ejipta izy ireo, ka tsy afaka nitaredretra sady tsy mba nanomana vatsy.+ 40  Ary nivahiny an-tanin’olona nandritra ny telopolo sy efajato taona+ ny zanak’Israely izay nonina+ tany Ejipta.+ 41  Ary tamin’ilay andro nifaranan’ny telopolo sy efajato taona iny indrindra, no nivoaka avy tao Ejipta ny tafik’i Jehovah rehetra.+ 42  Alina natao hankalazaina ho voninahitr’i Jehovah io, noho ny nitondrany azy ireo nivoaka avy tany Ejipta. Eny, alina natao hankalazain’ny zanak’Israely rehetra ho voninahitr’i Jehovah io, hatramin’ny taranany fara mandimby.+ 43  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona: “Izao no lalàna momba ny Paska:+ Tsy misy hafa firenena mahazo mihinana amin’izy io.+ 44  Raha misy anefa mpanompo novidim-bola, dia hoforanao aloha izy+ vao mahazo mihinana. 45  Tsy mahazo mihinana amin’izy io ny mpiavy sy ny mpikarama. 46  Ary ao an-trano iray ihany no hihinanana azy. Aza misy entina mivoaka ho eny ivelan’ny trano ny henany, ary aza misy tapahina ny taolany.+ 47  Hankalaza izany ny vahoakan’Israely manontolo.+ 48  Raha misy anefa vahiny monina eo aminareo ka te hankalaza ny Paska ho an’i Jehovah, dia aoka hoforana ny lahy rehetra ao amin’ny ankohonany.+ Amin’izay izy vao hanatona hankalaza azy io, ary hanjary ho toy ny teratany izy. Fa tsy misy mahazo mihinana amin’izy io ny lehilahy tsy voafora. 49  Lalàna iray ihany no ho an’ny teratany sy ny vahiny eo aminareo.”+ 50  Koa nanao araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy sy Arona ny zanak’Israely rehetra. Izany indrindra no nataon’izy ireo.+ 51  Ary tamin’iny andro iny indrindra no namoahan’i Jehovah ny zanak’Israely avy tao Ejipta, niaraka tamin’ny tafik’izy ireo.+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Misy mihevitra hoe eo anelanelan’ny filentehan’ny masoandro sy ny alina izany. Misy kosa mihevitra hoe rehefa manomboka milentika ny masoandro no takariva voalohany, ary efa tena milentika kosa izy no takariva faharoa.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Mety ho karazan-javamaniry iray na maromaro.