Eksodosy 13:1-22
13 Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:
2 “Hamasino ho ahy ny lahimatoa rehetra, izay voalohan-teraka eo amin’ny zanak’Israely, na olona na biby, fa ahy ireny.”+
3 Ary hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka: “Aoka hotsarovana ity andro ity, izay nivoahanareo avy eto Ejipta,+ avy ao amin’ny trano fanandevozana. Fa tamin’ny herin-tsandriny no namoahan’i Jehovah anareo hiala eto.+ Koa tsy azo hanina izay zavatra misy lalivay.+
4 Amin’ity andro amin’ny volana Abiba+ ity ianareo no hiala eto.
5 Ary ataovy izany fanompoana izany amin’io volana io, rehefa ampidirin’i Jehovah any amin’ny tanin’ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Hivita ary ny Jebosita+ ianao. Efa nianianany tamin’ny razanao fa homena anao io tany io,+ dia tany tondra-dronono sy tantely.+
6 Fito andro no hihinananao mofo tsy misy lalivay,+ ary ny andro fahafito dia fety ho an’i Jehovah.+
7 Mofo tsy misy lalivay no hohanina mandritra ny fito andro,+ ary tsy tokony hahitana mofo misy lalivay ao aminao.+ Tsy tokony hahitana lalivay koa ao aminao, dia ao amin’ny faritra rehetra misy anao.+
8 Ary teneno amin’ny zanakao amin’izay andro izay hoe: ‘Izay nataon’i Jehovah tamiko fony aho nivoaka avy tany Ejipta no anton’izao.’+
9 Ary ho famantarana eo amin’ny tananao izany sady ho fahatsiarovana eo amin’ny handrinao,+ mba ho eo am-bavanao ny lalàn’i Jehovah,+ satria tanana mahery no nitondran’i Jehovah anao nivoaka avy tany Ejipta.+
10 Ary tandremo izao lalàna izao amin’ny fotoana voatondro hankalazana azy isan-taona.+
11 “Ary rehefa ampidirin’i Jehovah any amin’ny tanin’ny Kananita ianao,+ araka izay efa nianianany taminao sy ny razanao,+ eny, rehefa omeny anao tokoa izany tany izany,
12 dia atokàny ho an’i Jehovah ny voalohan-teraka rehetra amin’ny olona,+ sy ny voalohan-teraka rehetra amin’ireo biby+ hanananao. Ny lahy dia an’i Jehovah.+
13 Ary avoty daholo ny voalohan-teraka rehetra amin’ny ampondra, ka ondry no ataovy solony. Raha tsy avotanao anefa izy, dia velezo ny hatony mba hahafaty azy.+ Tokony havotanao koa ny lahimatoa rehetra amin’ny zanakao.+
14 “Ary raha manontany anao ny zanakao any aoriana any+ hoe: ‘Fa inona no hevitr’izao?’, dia lazao aminy hoe: ‘Tamin’ny herin-tsandriny no namoahan’i Jehovah antsika hiala tany Ejipta,+ avy tao amin’ny trano fanandevozana.+
15 Mafy loha i Farao tamin’izay ka tsy nety nandefa antsika.+ Dia novonoin’i Jehovah ny lahimatoa rehetra tany Ejipta,+ dia ny lahimatoan’ny olona sy ny voalohan-teraky ny biby.+ Koa izany no antony hanaovako sorona ny lahy voalohan-teraka rehetra mba ho an’i Jehovah.+ Fa izay lahimatoa amin’ny zanako kosa avotako.’+
16 Ary ho famantarana eo amin’ny tananao sy ho fehiloha eo amin’ny handrinao izany,+ satria tamin’ny herin-tsandriny no namoahan’i Jehovah antsika avy tany Ejipta.”+
17 Rehefa nalefan’i Farao ny vahoaka, dia tsy nentin’Andriamanitra tany amin’ilay lalana mankany amin’ny tanin’ny Filistinina izy ireo, na dia tany aza no akaiky. Fa hoy Andriamanitra: “Sao hanenina ny vahoaka raha sendra ady, ka hiverina any Ejipta.”+
18 Koa nasain’Andriamanitra nanodidina ny vahoaka, nanaraka ny lalana mankany amin’ny tany efitry ny Ranomasina Mena.+ Nilahatra toy ny tafika ny zanak’Israely rehefa niakatra avy tany Ejipta.+
19 Ary nentin’i Mosesy niaraka taminy ny taolambalon’i Josefa, satria i Josefa efa nampianiana mafy ny zanak’Israely hoe: “Tsy maintsy hitsinjo anareo Andriamanitra,+ ka ento miakatra miaraka aminareo hiala atỳ ny taolambaloko.”+
20 Dia niala tao Sokota izy ireo ka nitoby tany Etama, teo an-tsisin’ny tany efitra.+
21 Ary nandeha teo alohan’ny vahoaka i Jehovah, ka nitari-dalana azy tao anatin’ny andry rahona nandritra ny andro,+ sady nanazava azy tao anaty andry afo nandritra ny alina, mba handehanan’izy ireo andro aman’alina.+
22 Koa tsy niala teo alohan’ny vahoaka ny andry rahona nandritra ny andro, ary ny andry afo nandritra ny alina.+