Eksodosy 22:1-31

22  “Raha misy olona mangalatra omby iray na ondry iray, ary mamono na mivarotra azy, dia hanome onitra omby dimy izy ho solon’ilay omby, na ondry efatra ho solon’ilay ondry. Halainy avy amin’ny andian’omby na andian’ondry izany.+  —“Raha misy mpangalatra+ tratra mamaky trano+ ary voavely ka maty, dia tsy ho meloka ho nandatsa-dra ilay namely.+  Fa raha tratran’ny masoandro miposaka ilay mpangalatra, dia ho meloka ho nandatsa-dra ilay namely.— “Tsy maintsy manome onitra ilay nangalatra. Raha tsy manana na inona na inona anefa izy, dia izy mihitsy no hamidy hanonerana izay nangalariny.+  Raha tratra eny an-tanany izay nangalariny, na omby izany na ampondra na ondry, ary mbola velona, dia hanome onitra avo roa heny izy.  “Raha misy olona mamela ny bibiny mpitondra entana hiraoka ahitra eny amin’ny sahan’olona na tanimboalobok’olona, ka hohanin’ilay biby ny voly eny amin’ilay saha, dia homeny ho onitra+ izay tsara indrindra avy amin’ny sahany na avy amin’ny tanimboalobony.  “Raha misy afo mitatra ka mahazo ny tsilo ary kilan’ny afo+ ny vokatra efa vita amboara na ny vokatra eny an-tsaha na ny saha, dia tsy maintsy manonitra an’izay may ilay nandrehitra ny afo.  “Raha manome vola na zavatra hotehirizin’ny namany ny olona iray,+ ka misy mangalatra ao an-tranon’ilay namany izany, dia tokony hanome onitra avo roa heny ilay mpangalatra raha tratra.+  Raha tsy tratra kosa izy, dia hoentina manatona an’Andriamanitra+ ilay tompon-trano mba hahafantarana raha izy ihany no naka ny zavatr’ilay namany.  Raha misy heloka+ atao mahakasika ny omby, na ampondra, na ondry, na akanjo, na inona na inona very, ka misy miteny hoe: ‘Ity mihitsy ilay izy!’, dia hoentina eo anatrehan’Andriamanitra ny adin’izy roa tonta.+ Koa ilay melohin’Andriamanitra no hanome onitra avo roa heny ho an’ilay namany.+ 10  “Raha mametraka ampondra na omby na ondry na biby fiompy hafa any amin’ny namany ny olona iray, ka maty ilay biby na manjary kilemaina, na misy maka an-tsokosoko, 11  dia hianiana+ amin’ny anaran’i Jehovah ilay nametrahana ny biby, fa tsy izy no nisompatra ny fananan’ny namany.+ Dia hanaiky izany ilay tompom-biby, ary tsy hanome onitra ilay namany. 12  Raha nangalarina tao aminy kosa anefa izany, dia tokony hanome onitra ho an’ny tompom-biby izy.+ 13  Raha noviravirain’ny bibidia ilay biby,+ dia hoentiny ny fatin’ilay biby, ho porofo.+ Tsy hanonitra an’izay noviravirain’ny bibidia izy. 14  “Raha misy anefa olona mindrana biby amin’ny namany,+ ka manjary kilemaina ilay izy na maty nefa tsy teo ilay tompony, dia tsy maintsy manome onitra ilay nindrana.+ 15  Raha teo anefa ny tompony, dia tsy hanome onitra izy. Raha nohofana ilay biby, dia efa tafiditra amin’ny hofany izany. 16  “Raha misy lehilahy manadala zazavavy virjiny mbola tsy manana fofombady, ka manao firaisana aminy,+ dia tsy maintsy maka azy ho vady ralehilahy ka mandoa vodiondry.+ 17  Raha mandà mafy anefa ny rain-drazazavavy ka tsy manome azy ho an-dralehilahy, dia tokony haloan-dralehilahy ihany ny vodiondry fanome rehefa haka virjiny.+ 18  “Vonoy ho faty ny vehivavy mpilalao ody.+ 19  “Tsy maintsy vonoina ho faty izay manao firaisana amin’ny biby.+ 20  “Izay manao sorona ho an’andriamani-kafa afa-tsy ho an’i Jehovah irery ihany, dia hatokana haringana.+ 21  “Aza mampijaly na mampahory ny mpivahiny,+ fa ianareo koa efa mba mpivahiny tany Ejipta ihany.+ 22  “Aza mampahory ny vehivavy mpitondratena na ny kamboty ray.+ 23  Raha mampahory azy ianao ka mitaraina amiko izy, dia tena hohenoiko ny fitarainany.+ 24  Ary hirehitra tokoa ny fahatezerako+ ka hovonoiko amin’ny sabatra ianareo, dia ho lasa mpitondratena ny vadinareo ary ho kamboty ray ny zanakareo.+ 25  “Raha toa ianao mampisambo-bola ny oloko ory izay miara-monina aminao,+ dia aza manao toy ny mpanjana-bola. Aza mangataka zanabola aminy.+ 26  “Raha alainao ho antoka+ ny fitafian’ny namanao, dia tokony haverinao aminy izany rehefa milentika ny masoandro. 27  Fa iny ihany no mba firakofany,+ ary iny no lamba fitafy anaronany ny tenany. Koa inona no hoentiny matory? Dia hitaraina amiko izy, ka hohenoiko tokoa satria tsara fanahy aho.+ 28  “Aza manozona an’Andriamanitra+ na ny mpiadidy eo amin’ny firenenao.+ 29  “Aza misalasala manome avy amin’ny vokatrao be dia be sy izay mihoatra avy amin’ny famiazam-boalobokao sy ny famiazan’olivanao.+ Tokony homenao ho ahy ny zanakao lahimatoa.+ 30  Izao no tokony hataonao amin’ny omby aman’ondrinao:+ Hiaraka amin-dreniny izy mandritra ny fito andro,+ fa amin’ny andro fahavalo kosa dia homenao ho ahy. 31  “Tokony ho masina eo anatrehako ianareo.+ Ary aza mihinan-kena efa noviravirain’ny bibidia tany an-tsaha,+ fa atsipazo ho an’ny alika izany.+

Fanamarihana