Eksodosy 23:1-33

23  “Aza manely tsaho.+ Ary aza miandany amin’ny ratsy fanahy ka mijoro ho vavolombelona mitetika ny hanao ratsy.+  Aza manaraka ny maro mba hanao ratsy.+ Ary raha misy ady, dia aza mijoro ho vavolombelona mandainga hiandany amin’ny maro mba hamadika ny rariny.+  Raha manana ady ny mahantra, dia aoka tsy ho ny fahantrany no hahatonga anao homba azy.+  “Raha diso lalana ny ombin’ny fahavalonao na ny ampondrany ka mifanena aminao, dia tokony haverinao any aminy.+  Raha hitanao mivalampatra voatsindrin’ny entana ny ampondran’ny olona mankahala anao, dia aza ilaozana fotsiny ilay olona. Tsy maintsy manampy azy hanala ilay entana ianao.+  “Raha manana ady ny mahantra, dia aza amboamboarina ny didim-pitsarana.+  “Halaviro ny lainga.+ Ary aza mamono mahafaty ny tsy manan-tsiny sy ny olo-marina, fa izaho tsy hanambara ny ratsy fanahy ho marina.+  “Aza mandray kolikoly, satria sady manajamba ny mason’ny mahiratra ny kolikoly, no mety hamadika ny tenin’olo-marina.+  “Ary aza ampahorina ny mpivahiny,+ fa fantatrareo tsara izay tsapan’ny mpivahiny, satria ianareo efa mba mpivahiny tany Ejipta ihany.+ 10  “Enin-taona no hamafazanao voa eo amin’ny taninao, sy hanangonanao vokatra avy aminy.+ 11  Fa amin’ny taona fahafito kosa, dia tsy hovolenao ilay tany fa havelanao hiala sasatra,+ ka ny mahantra eo aminao no hihinana avy aminy. Ary izay tsy lanin’ireo no hohanin’ny bibidia.+ Izany no hataonao amin’ny tanimboalobokao sy ny sahan’olivanao. 12  “Enina andro no hanaovanao ny asanao,+ fa amin’ny andro fahafito kosa dia hitsahatra ianao, mba hiala sasatra ny ombinao sy ny ampondranao, ary mba haka aina ny zanaky ny mpanompovavinao mbamin’ny vahiny monina eo aminao.+ 13  “Ary tandremo tsara izay rehetra nolazaiko taminareo.+ Ary aza manonona anaran’andriamani-kafa. Tsy tokony ho re tononin’ny vavanao izany.+ 14  “Intelo isan-taona ianao no tokony hankalaza fety ho ahy.+ 15  Ankalazao ny fetin’ny mofo tsy misy lalivay.+ Hihinana mofo tsy misy lalivay+ mandritra ny fito andro araka izay nandidiako anao ianao, amin’ny fotoana voatondro amin’ny volana Abiba,+ satria io no fotoana nivoahanao avy tany Ejipta. Ary aza misy mitondra tanam-polo rehefa mankeo anatrehako.+ 16  Ankalazao koa ny fetin’ny fijinjana ny voaloham-bokatra,+ avy amin’izay nisasaranao sy nafafinao tany an-tsaha.+ Ary ankalazao koa ny fetin’ny fanangonam-bokatra atao amin’ny faramparan’ny taona, rehefa angoninao avy any an-tsaha ny vokatry ny fisasaranao.+ 17  Intelo isan-taona ny lehilahy rehetra eo aminareo no hiseho eo anatrehan’i Jehovah, ilay tena Tompo.+ 18  “Aza ampiarahina amin-javatra misy lalivay ny ran’ny sorona atolotra ho ahy. Ary aza tehirizina mandra-maraina ny tavin’ny fanatitra atolotrao, rehefa manao fety ho ahy.+ 19  “Ento mankao an-tranon’i Jehovah Andriamanitrao ny tsara indrindra amin’ny voaloham-bokatry ny taninao.+ “Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.+ 20  “Haniraka anjely+ eo alohanao aho, mba hiambina anao eny an-dalana sy hitondra anao hiditra any amin’ny toerana efa nomaniko.+ 21  Koa mitandrema tsara fa manana fahefana izy, ka ankatoavy ny teniny. Aza mikomy aminy, fa tsy hamela ny helokao izy,+ satria ao aminy ny anarako. 22  Raha mankatò ny teniny an-tsakany sy an-davany anefa ianao ka tena manao izay rehetra holazaiko,+ dia ho fahavalon’izay fahavalonao aho ary hampahory an’izay mampahory anao.+ 23  Fa handeha eo alohanao ilay anjeliko ka hitondra anao ho any amin’ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hivita ary ny Jebosita, dia haringako tokoa ireo.+ 24  Ary aza miankohoka eo anatrehan’ny andriamaniny na manaiky ho voatarika hanompo an’ireny. Ary aza manao na inona na inona mitovy amin’ireo andriamanitra nataony,+ fa tsy maintsy azeranao ireny ary tsy maintsy torotoroinao ny tsangambatony masina.+ 25  Manompoa an’i Jehovah Andriamanitrao,+ dia hotahiny tokoa ny sakafonao sy ny ranonao.+ Ary hampanalaviriko anao ny aretina.+ 26  Tsy hisy vehivavy ho afa-jaza na ho momba eo amin’ny taninao.+ Ary hataoko lava andro iainana ianao.+ 27  “Halefako hialoha anao ny tahotra ahy,+ ka hataoko mifanaritaka ny firenena rehetra alehanao, ary hataoko mandositra eo anatrehanao ny fahavalonao* rehetra.+ 28  Halefako hialoha anao koa ny fahakiviana,+ ka izany no handroaka ny Hivita sy ny Kananita sy ny Hetita tsy ho eo anatrehanao.+ 29  Tsy horoahiko daholo ao anatin’ny taona iray monja anefa izy ireo, sao ho lao ilay tany ka hihamaro hamely anao ny bibidia.+ 30  Fa horoahiko tsikelikely tsy ho eo anatrehanao izy ireo, mandra-pahatonganao ho maro be ka ho lasanao tokoa ilay tany.+ 31  “Ary hofaritako ny sisin-taninao, manomboka eo amin’ny Ranomasina Mena ka hatramin’ny ranomasin’ny Filistinina, ary manomboka eo amin’ny tany efitra ka hatramin’ny Renirano.+ Hatolotro eo an-tananareo mantsy ny mponina ao amin’ilay tany, ary horoahinareo tsy ho eo anatrehanareo izy ireo.+ 32  Aza manao fifanekena amin’izy ireo na amin’ny andriamaniny.+ 33  Tsy tokony honina ao amin’ny taninao izy ireo, sao hahatonga anao hanota amiko. Raha sanatria manompo an’ireo andriamaniny ianao, dia ho fandrika ho anao izany.”+

Fanamarihana

A.b.t.: “homeko anao ny hatoky ny fahavalonao.”