Eksodosy 27:1-21

27  “Ary hazo akasia no hanaovanao ny alitara,+ ka dimy hakiho ny lavany ary dimy hakiho ny sakany. Tokony ho efamira ilay izy, ary telo hakiho ny haavony.  Asio tandrony+ ny zorony efatra, ka tokony ho avy amin’ny zoron’ilay alitara ihany ireo tandrony. Dia petaho takela-barahina ilay alitara.+  Ary ataovy ireto fitaovana ho an’ny alitara ireto: Fitoeran-davenona hanesorana ny lavenona feno menaka, lapelina, vilia baolina, fitrebika, ary fitondrana afo. Ataovy varahina daholo ireo.+  Ary manaova makarakara varahina miendrika harato.+ Asio tahony boribory varahina efatra eo amin’ilay makarakara, ary apetaho eo amin’ny zorony efatra izany.  Atsofohy ao anatin’ny alitara ilay makarakara ka ataovy ambanimbany eo amin’ny fisasahany, eo ambanimbanin’ny molony.+  Manaova koa bao filanjana amin’ny hazo akasia ka petaho takela-barahina.+  Ary atsofohy eo amin’ireo tahony ny bao, ka ataovy eo amin’ny andaniny roa amin’ny alitara rehefa milanja azy.+  Ataovy toy ny vata poakaty ny alitara, ka hazo fisaka no hanaovanao azy. Ary araka izay naseho anao tatỳ an-tendrombohitra no hanaovana azy.+  “Ary ataovy ny tokotanin’ny+ tranolay. Ny lafiny mitodika any Negeba, izany hoe mitodika mianatsimo, dia hasiana fefy lamba vita amin’ny kofehy rongony miolana tsara,+ ka zato hakiho ny halavany. 10  Varahina ny andry roapolo eo amin’ilay fefy sy ny faladiany roapolo hitsatohan’ny andry. Volafotsy kosa ny fantsika fanantonana sy ny fampitohizana eo amin’ireo andry.+ 11  Toy izany koa ny lavan’ny tokotany eo amin’ny lafiny avaratra: Zato hakiho ny halavan’ny fefy lamba, ary varahina ny andry roapolo sy ny faladiany roapolo hitsatohany, ary volafotsy ny fantsika fanantonana sy ny fampitohizana eo amin’ireo andry.+ 12  Eo amin’ny sakan’ny tokotany amin’ny lafiny andrefana kosa, dia misy fefy lamba dimampolo hakiho, sy andry folo ary faladiany folo hitsatohan’ny andry.+ 13  Ary dimampolo hakiho ny sakan’ny tokotany eo amin’ny lafiny atsinanana manandrify ny fiposahan’ny masoandro.+ 14  Ary ny andaniny iray amin’io sakany io dia misy fefy lamba dimy ambin’ny folo hakiho, sy andry telo ary faladiany telo hitsatohan’ny andry.+ 15  Ary ny ankilany koa dia misy fefy lamba dimy ambin’ny folo hakiho, sy andry telo ary faladiany telo hitsatohan’ny andry.+ 16  “Ny vavahadin’ny tokotany dia misy lamba fanakonana mirefy roapolo hakiho, ka mpanenona no hanao izany amin’ny kofehy manga, sy volonondry nolokoana volomparasy somary mena, sy kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara.+ Ary misy andry efatra sy faladiany efatra hitsatohan’ny andry koa eo amin’ilay vavahady.+ 17  Ary ny andry rehetra manodidina ny tokotany dia misy fampitohizana vita amin’ny volafotsy, sy fantsika fanantonana vita amin’ny volafotsy, ary faladiany varahina.+ 18  Zato hakiho ny lavan’ny fefin’ny tokotany,+ dimampolo hakiho ny sakany, ary dimy hakiho ny haavony. Lamba vita amin’ny kofehy rongony miolana tsara no hanaovana izany, ary varahina ireo faladiany hitsatohan’ny andry. 19  Varahina daholo ny fitaovana anaovana ny fanompoana rehetra ao amin’ny tranolay, ary toy izany daholo koa ny fantsika be fanenjanan-day ho an’ny tranolay sy ho an’ny tokotany.+ 20  “Ary omeo baiko ny zanak’Israely hitondra menaka oliva tsy misy fangarony avy amin’ny oliva voatoto, mba hatao amin’ny jiro. Amin’izay dia hirehitra foana ny jiro.+ 21  Ary eo ivelan’ilay ridao+ eo akaikin’ny Vata misy ny Tenin’ny Vavolombelona, ao amin’ny tranolay fihaonana, no hikarakaran’i Arona sy ny zanany ny jiro, mba hirehetany foana eo anatrehan’i Jehovah, manomboka amin’ny takariva ka mandra-maraina.+ Ho lalàna mandritra ny fotoana tsy voafetra izany ho an’ny taranak’izy ireo,+ ary tokony hotanterahin’ny zanak’Israely.+

Fanamarihana