Eksodosy 30:1-38

30  “Ary manaova alitara handoroana emboka manitra,+ ka hazo akasia no hanaovanao azy.  Iray hakiho ny lavany ary iray hakiho ny sakany, ka ho efamira ilay izy, ary roa hakiho ny haavony. Ary tokony ho avy amin’ilay alitara ihany ireo tandrony.+  Petaho takela-bolamena tsy misy fangarony ilay alitara, dia ny tampony sy ny lafiny rehetra ary ny tandrony. Ary asio sisiny volamena manodidina ny tampony.+  Tahony boribory volamena roa avy, no ataovy eo ambanin’ny sisin’ny andaniny roa amin’ny alitara. Ireo no hitsofohan’ny bao hilanjana an’ilay alitara.+  Hazo akasia no hanaovanao ireo bao, ka hopetahanao takela-bolamena.+  Ary ilay alitara dia apetraho eo anoloan’ilay ridao eo akaikin’ny Vata misy ny tenin’ny vavolombelona,+ tandrifin’ny saron’ilay Vata eo ambonin’ny Tenin’ny Vavolombelona, izay hisehoako aminao.+  “Ary i Arona dia handoro emboka manitra+ mba hidona-tsetroka eo ambonin’ilay alitara.+ Hodorany isa-maraina izany mba hidona-tsetroka, rehefa manomana ny jiro izy.+  Hodorany mba hidona-tsetroka koa izany, rehefa mandrehitra ny jiro izy, eo anelanelan’ny takariva roa.* Ho emboka manitra eo anatrehan’i Jehovah mandrakariva izany, hatramin’ny taranakareo fara mandimby.  Aza anolorana emboka manitra tsy ara-dalàna,+ na fanatitra dorana, na fanatitra varimbazaha, eo ambonin’ilay alitara, ary aza andrarahana fanatitra zava-pisotro koa eo. 10  Ary ny ran’ny fanatitra noho ny ota+ dia hakan’i Arona ka hataony eo amin’ny tandroky ny alitara. Hanao izany indray mandeha isan-taona izy, ho fandrakofam-pahotana+ ho an’ny alitara. Hatao hatramin’ny taranaka fara mandimby izany. Masina indrindra eo imason’i Jehovah ilay alitara.” 11  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 12  “Rehefa manao fanisam-bahoaka eo amin’ny zanak’Israely ianao,+ dia aoka ny tsirairay hanome ho an’i Jehovah ny vidin’ny fanavotana ny ainy,*+ mba tsy hisy loza hanjo azy ireo rehefa atao ilay fanisam-bahoaka.+ 13  Koa izay rehetra voaisa dia samy hanome antsasaky ny sekely, araka ny sekelin’ny toerana masina,+ ka gera* roapolo ny iray sekely. Eny, antsasaky ny sekely no fanomezana ho an’i Jehovah.+ 14  Hanome fanomezana ho an’i Jehovah ireo rehetra voasoratra anarana, izay roapolo taona no ho miakatra.+ 15  Tsy hanome mihoatra ny antsasaky ny sekely ny mpanankarena, ary ny mahantra tsy hanome latsaka izany,+ rehefa manao fanomezana ho an’i Jehovah handrakofana ny fahotanareo.+ 16  Ary raiso avy amin’ny zanak’Israely ilay farantsa volafotsy fandrakofam-pahotana, ka omeo hampiasaina amin’ny fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana.+ Iny no hahatsiarovan’i Jehovah ny zanak’Israely, ka hanaovana fandrakofam-pahotana ho anareo.” 17  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 18  “Manaova kovetabe varahina fisasana,+ ka asio tongony varahina. Ary apetraho eo anelanelan’ny tranolay fihaonana sy ny alitara izany, ka asio rano ao anatiny.+ 19  Dia hanasa ny tanany sy ny tongony eo i Arona sy ny zanany.+ 20  Koa hisasa amin’ny rano izy ireo mba tsy ho faty rehefa miditra ao amin’ny tranolay fihaonana, na rehefa manatona ny alitara mba hanompo ka handoro fanatitra atao anaty afo hidona-tsetroka ho an’i Jehovah.+ 21  Dia hanasa ny tanany sy ny tongony izy ireo mba tsy ho faty.+ Ho fitsipika mandritra ny fotoana tsy voafetra ho azy ireo izany, dia ho azy sy ny zanany hatramin’ny taranany fara mandimby.”+ 22  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 23  “Alaivo izay zava-manitra tsara indrindra,+ dia miora+ efa mivaingana milanja sekely dimanjato, sy kanelina+ antsasak’izany, izany hoe sekely dimampolo sy roanjato, sy harefo mani-pofona+ milanja sekely dimampolo sy roanjato, 24  sy kasia+ milanja sekely dimanjato, araka ny sekelin’ny toerana masina,+ ary menaka oliva iray hina.+ 25  Anamboary menaka masina fanosorana ireo, dia menaka mifangaro toy ny ataon’ny mpanamboatra menaka fanosorana.+ Ho menaka masina fanosorana izany.+ 26  “Dia iny no ampiasao amin’ny fanosorana ny tranolay fihaonana,+ sy ny Vata misy ny tenin’ny vavolombelona, 27  sy ny latabatra mbamin’ny fitaovany rehetra, sy ny fitoeran-jiro mbamin’ny fitaovany, sy ny alitaran’ny emboka manitra, 28  sy ny alitaran’ny fanatitra dorana mbamin’ny fitaovany, ary ny kovetabe sy ny tongony. 29  Dia hamasino ireo mba ho masina indrindra.+ Tokony ho olona masina no hikasika an’ireo.+ 30  Dia hanosotra an’i Arona+ sy ny zanany lahy+ ianao, ka hanamasina azy hanao ny asan’ny mpisorona eo anatrehako.+ 31  “Ary ilazao ny zanak’Israely hoe: ‘Ho menaka masina fanosorana izy io, ary hampiasaina ho ahy foana hatramin’ny taranakareo fara mandimby.+ 32  Tsy azo ahosotra amin’ny vatana izy io. Ary ireo zavatra nanaovana azy, dia aza anamboarana menaka hafa mitovy aminy. Zava-masina izy io, ary ho masina foana aminareo. 33  Haringana tsy ho eo amin’ny fireneny izay olona manamboatra menaka fanosorana mitovy amin’io, na maka amin’io hatao amin’olona tsy nahazo alalana.’”+ 34  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: “Makà an’ireto zava-manitra ireto:+ Ditin-kazo stakite, onyka, galbanoma manitra, ary ditin-kazo manitra tsy misy fangarony.+ Tokony hitovy daholo ny fatran’ireo. 35  Dia amboary ho emboka manitra izany,+ ho zava-manitra mifangaro toy izay ataon’ny mpanamboatra menaka fanosorana, eny, zava-manitra misy sira+ sy madio, ary ho zava-masina. 36  Ary makà amin’ilay emboka manitra ka totoy ho lasa vovony izany. Dia makà amin’ilay vovony, ka ataovy eo anoloan’ny Vata misy ny Tenin’ny Vavolombelona izay ao amin’ny tranolay fihaonana,+ eo amin’izay hisehoako aminao.+ Tokony ho masina indrindra izany aminareo. 37  Ary aza manao emboka manitra ho anareo amin’ireo zava-manitra ireo.+ Aminao dia zava-masina eo imason’i Jehovah foana izany.+ 38  Koa izay manamboatra emboka manitra mitovy amin’izany mba hankafizana ny fofony, dia haringana+ tsy ho eo amin’ny fireneny.”

Fanamarihana

Jereo Ek 12:6 f.a.p.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Jereo F.F. 6A.