Eksodosy 32:1-35

32  Nandritra izany fotoana izany, rehefa hitan’ny olona fa naharitra ela i Mosesy nefa mbola tsy nidina avy tany an-tendrombohitra ihany,+ dia nitangorona teo amin’i Arona izy ireo, ka nanao hoe: “Manamboara andriamanitra ho antsika hialoha lalana antsika,+ fa tsy fantatra mihitsy izay nanjo an’ilay Mosesy nitondra antsika niakatra avy tany Ejipta iny.”+  Dia hoy i Arona: “Esory àry ny kavina volamena+ eny an-tsofin’ny vadinareo sy ny zanakareo lahy ary ny zanakareo vavy, ka ento etỳ amiko.”  Koa nesorin’ny olona rehetra ny kavina volamena teny an-tsofiny, ka nentiny tany amin’i Arona.  Dia noraisin’i Arona avy teny an-tanan’izy ireo ny volamena ka namboariny+ tamin’ny fandraka. Ary nanao sarivongana zanak’omby tamin’ireo volamena narendrika izy.+ Dia hoy ny olona: “Io ny Andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta, ry Israely ô!”+  Ary nanorina alitara teo anoloan’ilay zanak’omby i Arona nony nahita izany. Farany, dia niantsoantso izy hoe: “Hisy fety ho an’i Jehovah rahampitso.”  Koa nifoha maraina izy ireo ny ampitson’iny, ary nanolotra fanatitra dorana sy sorona iombonana. Dia nipetraka hihinana sy hisotro ny olona, ary avy eo dia nitsangana hifalifaly.+  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Mandehana midina, fa manao ratsy ny olonao, izay nentinao niakatra avy tany Ejipta.+  Nalaky niala tamin’ny lalana nasaiko nalehany izy.+ Nanao sarivongana zanak’omby tamin’ny volamena narendrika izy, ary miankohoka eo anatrehany sy manao sorona ho azy, sady miteny hoe: ‘Io ny Andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta, ry Israely ô!’”+  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: “Hitako fa vahoaka mafy hatoka io vahoaka io.+ 10  Avelao hirehitra aminy ny fahatezerako ka haringako izy.+ Dia hataoko ho firenena lehibe ianao.”+ 11  Ary nampitony an’i* Jehovah Andriamaniny i Mosesy,+ ka nanao hoe: “Jehovah ô, nahoana ny fahatezeranao+ no dia mirehitra amin’ny olonao, izay nentinao nivoaka avy tany Ejipta tamin-kery lehibe sy tamin’ny tanana mahery? 12  Nahoana ny Ejipsianina+ no dia avela hiteny hoe: ‘Nitetika ny hanao ratsy izy ka namoaka azy ireo niala teto amintsika, mba hamonoana azy any an-tendrombohitra sy handringanana azy tsy ho etỳ ambonin’ny tany’?+ Aoka re mba tsy hirehitra intsony ny fahatezeranao e,+ ary aoka ianao hanenina+ ny amin’ny ratsy saika hataonao amin’ny olonao. 13  Tsarovy i Abrahama sy Isaka ary Israely mpanomponao, izay nianiananao tamin’ny tenanao,+ ka nilazanao hoe: ‘Hataoko maro tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra ny taranakareo.+ Ary io tany manontolo io izay efa nolazaiko taminareo, dia homeko ny taranakareo+ ho lovany mandritra ny fotoana tsy voafetra.’”+ 14  Dia nanenenan’i Jehovah ny ratsy rehetra nolazainy fa hataony amin’ny olony.+ 15  Ary nihodina i Mosesy ka nidina avy tany an-tendrombohitra,+ ary teny an-tanany ny takela-bato roa misy ny Tenin’ny Vavolombelona.+ Nisy soratra ny lafiny roa tamin’ireo takela-bato ireo, izany hoe, ny ambadika sy ambadika. 16  Asa tanan’Andriamanitra ireo takela-bato ireo, ary soratr’Andriamanitra ny soratra voasokitra teo aminy.+ 17  Ary henon’i Josoa ny tabataban’ny olona nihorakoraka, ka hoy izy tamin’i Mosesy: “Tabataban’ady+ izany ao an-toby ao izany!” 18  Fa hoy i Mosesy: “Tsy hiran’olona nahazo fandresena miezinezina izany,+Na hiran’olona resy.Hira hafa mihitsy izany henoko izany.” 19  Raha vao tonga teo akaikin’ny toby i Mosesy, ka nahita an’ilay zanak’omby+ sy ny olona nandihy, dia nirehitra ny fahatezerany. Avy hatrany dia nazerany ireo takela-bato teny an-tanany, ka novakivakiny teo am-pototry ny tendrombohitra.+ 20  Dia nalainy ilay zanak’omby nataon’ireo, ka nodorany ary notorotoroiny ho vovoka.+ Ary nafafiny teny amin’ny rano izany,+ ka nampisotroiny ny zanak’Israely.+ 21  Dia hoy i Mosesy tamin’i Arona: “Fa nataon’ity vahoaka ity inona ianao no dia nampiditra azy tamin’izao fahotana lehibe izao?” 22  Ary hoy i Arona: “Aoka tsy hirehitra ny fahatezeran’ny tompoko. Fantatrao tsara fa mora manao ratsy ity vahoaka ity.+ 23  Koa hoy izy ireo tamiko: ‘Manamboara andriamanitra ho antsika hialoha lalana antsika,+ fa tsy fantatra mihitsy izay nanjo an’ilay Mosesy nitondra antsika niakatra avy tany Ejipta iny.’ 24  Dia hoy aho taminy: ‘Iza avy àry no manana volamena? Aoka hesoriny izany, ka hoentiny etỳ amiko.’ Ary natsipiko tao anaty afo izany, ka io zanak’omby io no nivoaka avy tao.” 25  Ary hitan’i Mosesy fa nanaram-po tanteraka ny olona, satria efa navelan’i Arona hanaram-po tanteraka+ mba hahafa-baraka azy ireo eo imason’ny fahavalony.+ 26  Koa nankeo am-bavahadin’ny toby i Mosesy ka niteny hoe: “Iza no momba an’i Jehovah? Avia etỳ amiko!”+ Dia niangona teny aminy daholo ny taranak’i Levy. 27  Ary hoy izy tamin’ireo: “Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Ataovy eny amin’ny andilanareo ny sabatrareo, ary midira hamakivaky ny toby ka tetezo ny vavahady rehetra. Dia samia mamono ny rahalahiny sy ny mpiara-monina aminy ary ny namany akaiky.’”+ 28  Dia nanao araka izay nolazain’i Mosesy ny taranak’i Levy,+ ka lehilahy telo arivo teo ho eo tamin’ny vahoaka no maty ny androtr’iny. 29  Ary hoy i Mosesy: “Hatanjaho ny tenanareo anio hanompoana an’i Jehovah,+ satria ianareo samy efa namely ny zanakareo sy ny rahalahinareo avy,+ mba hanomezan’Andriamanitra fitahiana anareo anio.”+ 30  Ary ny ampitson’iny, dia hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka: “Efa nanao fahotana lehibe ianareo.+ Koa hiakatra any amin’i Jehovah aho izao. Angamba aho ho afaka hanao fandrakofam-pahotana ho anareo.”+ 31  Dia niverina nankany amin’i Jehovah i Mosesy, ka nanao hoe: “Indrisy! Efa nanao fahotana lehibe ny vahoaka, tamin’ny nanaovany andriamanitra volamena ho azy ireo!+ 32  Raha mba vonona hamela ny helony mantsy ianao...!+ Fa raha tsy izany dia vonoy ao amin’ny boky+ nosoratanao re ny anarako e!”+ 33  Hoy anefa i Jehovah tamin’i Mosesy: “Ny anaran’izay nanota tamiko ihany no hovonoiko ao amin’ny bokiko.+ 34  Koa mandehana, ento ho any amin’ny toerana efa nolazaiko taminao ny vahoaka. Ary handeha eo alohanao ilay anjeliko.+ Fa amin’ny andro hanasaziako no hanasaziako azy ireo noho ny fahotany.”+ 35  Ary namely ny olona i Jehovah, noho ilay zanak’omby nasain’izy ireo nataon’i Arona.+

Fanamarihana

A.b.t.: “nanalefaka ny tavan’i.”