Eksodosy 33:1-23

33  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: “Mandehana miala eto ianao sy ny vahoaka nentinao niakatra avy tany Ejipta,+ ka mankanesa any amin’ilay tany izay nianianako tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: ‘Ny taranakao no homeko azy io.’+  Ary haniraka anjely eo alohanao aho,+ sady handroaka ny Kananita sy ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.+  Koa mandehana any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely.+ Tsy hiakatra miaraka aminareo anefa aho satria vahoaka mafy hatoka ianareo,+ ka sao haringako eny an-dalana.”+  Ary ory dia ory ny olona rehefa nandre izany teny nampalahelo izany,+ ka tsy nisy nanao firavaka.  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: “Teneno ny zanak’Israely hoe: ‘Vahoaka mafy hatoka ianareo!+ Ao anatin’ny indray mipy maso monja,+ dia azoko atao ny miakatra mankeo aminareo sy mandringana anareo. Koa esory eny aminareo ny firavakareo, fa mbola ho hitako eo ihany izay hanaovako anareo.’”+  Ary nanomboka teo an-tendrombohitra Horeba,+ dia nanaisotra ny firavany ny zanak’Israely.  Ary nentin’i Mosesy ny tranolainy ka natsangany teny ivelan’ny toby, teny lavidavitra teny. Dia nantsoiny hoe tranolay fihaonana izy io. Ary izay olona nanontany+ an’i Jehovah, dia nankeny amin’ilay tranolay fihaonana teny ivelan’ny toby.  Raha vao nankeny amin’ilay tranolay i Mosesy, dia nitsangana daholo ny olona+ ka samy nankeo amin’ny fidirana amin’ny tranolainy avy, ary nibanjina an’i Mosesy mandra-pidirany tao amin’ilay tranolay.  Ary raha vao tafiditra tao amin’ilay tranolay i Mosesy, dia nidina ny andry rahona+ ka nijanona teo amin’ny fidirana amin’ilay tranolay. Ary niresaka+ tamin’i Mosesy Andriamanitra. 10  Dia hitan’ny rehetra ilay andry rahona+ nijanona teo amin’ny fidirana amin’ilay tranolay. Koa nitsangana ny olona rehetra ary niankohoka teo amin’ny fidirana amin’ny tranolainy avy.+ 11  Ary niresaka nifanatrika tamin’i Mosesy i Jehovah,+ toy ny olona miresaka amin’ny namany. Rehefa niverina nankany an-toby i Mosesy, dia tsy mba niala tao amin’ilay tranolay i Josoa mpanompony+ zanak’i Nona,+ izay mpanampy azy. 12  Dia hoy i Mosesy tamin’i Jehovah: “Ianao miteny amiko hoe: ‘Ento miakatra ity vahoaka ity’, nefa tsy nampahafantarinao ahy hoe iza no hirahinao hiaraka amiko. Niteny koa ianao hoe: ‘Mahafantatra anao amin’ny anaranao aho,+ ary mankasitraka anao.’ 13  Koa raha mahazo sitraka aminao àry aho,+ dia mba ampahafantaro ahy re ny lalanao,+ hahafantarako anao ka hahazoako sitraka aminao e! Ary tsarovy fa olonao ity firenena ity.”+ 14  Koa hoy izy: “Izaho mihitsy no hiaraka aminao,+ ary hataoko mandry feizay ianao.”+ 15  Dia hoy i Mosesy taminy: “Aza entina miakatra hiala eto izahay, raha tsy ianao mihitsy no miaraka aminay. 16  Ary ahoana moa no hahafantarana fa mahazo sitraka aminao izaho sy ny olonao? Tsy amin’ny fandehananao miaraka aminay ve?+ Amin’izay dia hiavaka amin’ny firenena hafa etỳ ambonin’ny tany izaho sy ny olonao.”+ 17  Ary hoy i Jehovah taminy: “Hataoko koa izay zavatra nolazainao izay,+ satria mankasitraka anao aho sady mahafantatra anao amin’ny anaranao.” 18  Dia hoy i Mosesy: “Mba ataovy mahita ny voninahitrao re aho e!”+ 19  Namaly anefa izy hoe: “Avelako hahita ny hatsaran-toetrako rehetra ianao,+ ary hambarako eo anatrehanao ny anaran’i Jehovah.+ Dia hankasitraka an’izay hankasitrahako aho, sady hamindra fo amin’izay hamindrako fo.”+ 20  Hoy koa izy: “Tsy afaka mahita ny tavako ianao, satria tsy misy olona afaka mahita ahy ka mbola ho velona ihany.”+ 21  Ary hoy koa i Jehovah: “Misy toerana eto amiko, ka mijanòna eto ambonin’ny harambato. 22  Ary hataoko eo an-tsefatsefaky ny harambato ianao rehefa mandalo ny voninahitro, ary hataoko eo aminao ny felatanako hanakona anao mandra-pandaloko. 23  Dia hesoriko ny felatanako, ka ny ivohoko no ho hitanao. Tsy mahazo mahita ny tavako anefa ianao.”+

Fanamarihana