Eksodosy 34:1-35

34  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Manamboara takela-bato roa mitovy amin’ireo voalohany,+ fa hosoratako eo amin’ireo ny teny teo amin’ireo takela-bato voalohany+ novakivakinao.+  Ary miomàna ho amin’ny rahampitso maraina, fa hiakatra ho any an-tampon’ny Tendrombohitra Sinay ianao amin’ny maraina, ka hiaraka amiko eo.+  Tsy misy mahazo miara-miakatra aminao anefa. Aoka koa tsy hisy olon-kafa ho hita na aiza na aiza eo amin’ilay tendrombohitra.+ Tsy tokony hisy andian’ondry na andian’omby koa hiraoka ahitra eo anoloan’io tendrombohitra io.”+  Dia nanamboatra takela-bato roa nitovy tamin’ireo voalohany i Mosesy. Ary nifoha maraina izy, ka niakatra tany an-tendrombohitra Sinay, araka izay nandidian’i Jehovah azy. Koa nentiny ny takela-bato roa.  Dia nidina i Jehovah,+ ary tao anaty rahona izy tamin’izay. Koa niaraka tamin’i Mosesy teo izy ka nanambara ny anaran’i Jehovah.+  Ary nandalo teo anatrehan’i Mosesy i Jehovah ka niteny hoe: “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo+ sy tsara fanahy,+ tsy mora tezitra,+ be hatsaram-panahy feno fitiavana+ sady tena tia fahamarinana,+  mitahiry hatsaram-panahy feno fitiavana ho an’ny taranaka an’arivony,+ mamela fahadisoana sy heloka ary fahotana,+ kanefa sanatria azy ny tsy hanasazy izay tokony hosazina,+ fa hosaziny noho ny fahadisoan’ny ray ny zanany sy ny zafikeliny ary ny zafiafiny.”+  Avy hatrany dia niondrika haingana tamin’ny tany i Mosesy ka niankohoka.+  Avy eo dia hoy izy: “Jehovah ô, raha mahazo sitraka aminao aho, dia aoka mba hiaraka aminay ianao,+ Jehovah ô, fa mafy hatoka ity vahoaka ity!+ Ary mamelà ny fahadisoanay sy ny fahotanay,+ ka raiso ho fanananao izahay.”+ 10  Dia namaly izy hoe: “Manao fifanekena aminareo aho fa eo anatrehan’ny olonao rehetra no hanaovako zava-mahagaga, izay mbola tsy natao tany amin’ny tany rehetra na teo amin’ny firenena rehetra.+ Ary hahita ny asan’i Jehovah ny olona rehetra manodidina anareo, fa zavatra mampahatahotra no hataoko eo anatrehanareo.+ 11  “Tandremo izay zavatra andidiako anao anio.+ Horoahiko tsy ho eo anatrehanao ny Amorita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.+ 12  Koa mitandrema ianao mba tsy hanao fifanekena amin’ny mponina ao amin’ilay tany halehanao,+ sao ho fandrika ho anao izany.+ 13  Fa arodano ny alitarany, torotoroy ny tsangambatony masina, ary kapao ny tsato-kazony masina.+ 14  Aza miankohoka eo anatrehan’ny andriamani-kafa,+ satria Andriamanitra saro-piaro i Jehovah, ilay antsoina hoe Saro-piaro.+ 15  Sao mantsy ianao manao fifanekena amin’ny mponina ao amin’ilay tany, nefa azo antoka fa hanana fifandraisana mamoafady amin’ny andriamaniny izy ireo+ ka hanao sorona ho an’ny andriamaniny,+ dia hisy hanasa anao ka hihinana tokoa amin’ny sorona ataony ianao.+ 16  Dia haka amin’ny zanany vavy ho vadin’ny zanakao lahy ianao,+ nefa azo antoka fa hanana fifandraisana mamoafady amin’ny andriamaniny ilay zanany vavy, ka hitarika ny zanakao lahy hanana fifandraisana mamoafady toy izany koa.+ 17  “Aza manao andriamanitra metaly.+ 18  “Ankalazao ny fetin’ny mofo tsy misy lalivay.+ Koa araka izay nandidiako anao, dia hihinana mofo tsy misy lalivay ianao, mandritra ny fito andro amin’ny fotoana voatondro amin’ny volana Abiba,+ satria tamin’ny volana Abiba no nivoahanao avy tany Ejipta. 19  “Ahy ny voalohan-teraka rehetra.+ Ary amin’ny biby fiompinao rehetra, dia ahy ny lahy voalohan-teraka amin’ny omby aman’ondry.+ 20  Koa tokony hanome ondry ianao hanavotana ny voalohan-teraky ny ampondra,+ fa raha tsy avotanao izy, dia velezo ny hatony mba hahafaty azy. Avoty koa ny lahimatoa rehetra amin’ny zanakao.+ Ary aoka tsy hisy hitondra tanam-polo rehefa mankeo anatrehako.+ 21  “Enina andro no hiasanao, fa hitandrina ny sabata kosa ianao amin’ny andro fahafito.+ Hitandrina ny sabata ianao, na amin’ny fotoana iasana ny tany na amin’ny fotoam-pijinjana.+ 22  “Ankalazao ny fetin’ireo herinandro, ka atero ny voaloham-bokatra amin’ny varimbazaha.+ Ankalazao koa ny fetin’ny fanangonam-bokatra atao amin’ny faramparan’ny taona.+ 23  “Intelo isan-taona ny lehilahy rehetra eo aminao no hiseho+ eo anatrehan’ilay tena Tompo, dia i Jehovah Andriamanitry ny Israely. 24  Fa horoahiko tsy ho eo anatrehanao ireo firenena,+ ary hataoko midadasika ny faritra misy anao.+ Ary tsy hisy olona hitsiriritra ny taninao, rehefa miakatra mba hahita ny tavan’i Jehovah Andriamanitrao intelo isan-taona ianao.+ 25  “Aza atao sorona miaraka amin-javatra misy lalivay ny ran’ny sorona atolotra ho ahy.+ Ary aza tehirizina mandra-maraina ny sorona atolotra amin’ny fetin’ny Paska.+ 26  “Ento mankao an-tranon’i Jehovah Andriamanitrao ny tsara indrindra amin’ny voaloham-bokatry+ ny taninao.+ “Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.”+ 27  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: “Soraty ireo teny ireo,+ satria araka ireo teny ireo no anaovako fifanekena aminao sy ny Israely.”+ 28  Dia niaraka tamin’i Jehovah teo efapolo andro sy efapolo alina izy, ary tsy nisakafo na nisotro rano.+ Ary nosoratany teo amin’ireo takela-bato ny teny tao amin’ilay fifanekena, izany hoe ny Teny Folo.+ 29  Rehefa nidina avy teo amin’ny Tendrombohitra Sinay i Mosesy, dia teny an-tanany ny takela-bato roa misy ny Tenin’ny Vavolombelona.+ Ary tsy fantatr’i Mosesy hoe nanjelanjelatra ny hodi-tavany rehefa avy niresaka tamin’Andriamanitra izy.+ 30  Koa rehefa hitan’i Arona sy ny zanak’Israely rehetra fa nanjelanjelatra ny hodi-tavan’i Mosesy, dia natahotra ny hanatona azy izy ireo.+ 31  Ary niantso azy ireo i Mosesy. Koa niverina nankeo aminy i Arona sy ny mpiadidy rehetran’ny vahoaka. Dia niresaka tamin’izy ireo i Mosesy. 32  Avy eo dia nanatona azy ny zanak’Israely rehetra. Ary nandidy azy ireo izy, araka izay rehetra nolazain’i Jehovah taminy tany amin’ny Tendrombohitra Sinay.+ 33  Ary nosaronan’i Mosesy lamba ny tarehiny,+ rehefa avy niresaka tamin’izy ireo izy. 34  Rehefa niditra nankeo anatrehan’i Jehovah anefa i Mosesy mba hiresaka taminy, dia nesoriny ilay lamba mandra-pivoakany avy tao.+ Ary nivoaka avy tao izy ka nambarany tamin’ny zanak’Israely ny didy nomena azy.+ 35  Ary hitan’ny zanak’Israely fa nanjelanjelatra ny hodi-tavan’i Mosesy.+ Dia nasaron’i Mosesy ny tarehiny indray ilay lamba, mandra-pandehany niditra hiresaka tamin’Andriamanitra.+

Fanamarihana