Eksodosy 5:1-23

5  Ary taorian’izay, dia nankao amin’i Farao i Mosesy sy Arona ka niteny taminy hoe:+ “Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Alefaso ny oloko, mba hankalaza fety ho ahy any an-tany efitra.’”+  Hoy anefa i Farao: “Fa i Jehovah moa no iza+ no tokony hihaino ny feony aho, ka handefa ny Israely?+ Tsy fantatro mihitsy izany Jehovah izany,+ sady tsy alefako koa ny Israely.”+  Fa hoy izy roa lahy: “Nifandray taminay ny Andriamanitry ny Hebreo.+ Koa aoka re izahay handeha lalana telo andro mankany an-tany efitra, hanao sorona ho an’i Jehovah Andriamanitray e,+ sao hasiany amin’ny areti-mandringana na amin’ny sabatra izahay.”+  Dia hoy ny mpanjakan’i Ejipta tamin’izy ireo: “Nahoana ianareo ry Mosesy sy Arona no dia manao izay hitsaharan’ny vahoaka amin’ny asany?+ Mandehana miverina amin’ny asanareo!”+  Ary hoy ihany i Farao: “Jereo fa maro izao ny vahoaka eto Ejipta,+ nefa ianareo indray no manao izay hitsaharan’izy ireo amin’ny asany.”+  Koa ny androtr’iny ihany i Farao dia nandidy an’ireo mpanery ny olona hiasa, mbamin’ny mpiadidy,+ hoe:  “Aza manangona mololo hanaovan’ny olona biriky+ intsony. Avelao ry zareo ihany no handeha hanangona ny mololony.  Ary ny isan’ny biriky nasaina nataony hatramin’izay ihany no mbola ampanaovy azy. Aza misy ahenanareo mihitsy, fa ny hakamoany+ no mahatonga azy hiantsoantso hoe: ‘Te handeha izahay! Te hanao sorona ho an’Andriamanitray izahay!’+  Ampitomboy ny asan’ny olona, ary asaivo mifantoka amin’izany izy, fa aza avela hihaino lainga.”+ 10  Dia nivoaka ireo mpanery ny olona hiasa+ sy ny mpiadidy, ka niteny tamin’ny vahoaka hoe: “Izao no nolazain’i Farao: ‘Tsy hanome anareo mololo intsony aho. 11  Ianareo no mandehana maka mololo any amin’izay hahitanareo any, fa tsy misy hahena ny fanompoanareo na dia kely akory aza.’”+ 12  Koa niparitaka nanerana ny tany Ejipta ny vahoaka, mba hanangona vodivary hatao mololo. 13  Ary ireo mpanery azy hiasa dia nandodona azy ireo foana+ hoe: “Vitao ny asanareo! Ary samia mamita ny azy isan’andro, toy ny tamin’ny mbola nisy mololo ihany.”+ 14  Rehefa nandeha ny fotoana, dia novelezina+ ireo mpiadidy+ teo amin’ny zanak’Israely, izay notendren’ireo lehiben’ny mpiasan’i Farao. Ary hoy ireo lehibe ireo: “Nahoana ianareo omaly sy androany no tsy namita ny anjara biriky+ nasaina nataonareo, toy ny vitanareo hatramin’izay?”+ 15  Koa nankao amin’i Farao ireo mpiadidy+ teo amin’ny zanak’Israely, ka nitaraina mafy hoe: “Fa nahoana no dia ataonao toy izao ny mpanomponao? 16  Tsy omena mololo ny mpanomponao, nefa tenenina hoe: ‘Manaova biriky!’ Dia velezina ny mpanomponao, kanefa ny olonao no diso.”+ 17  Fa hoy i Farao: “Kamo ianareo! Kamo!+ Izany no mahatonga anareo hiteny hoe: ‘Te handeha izahay! Te hanao sorona ho an’i Jehovah izahay!’+ 18  Mandehana ataovy ny asanareo! Tsy maintsy mahavita ny isan’ny biriky asaina ataonareo ianareo, na dia tsy misy mololo omena anareo aza.”+ 19  Ary hitan’ireo mpiadidy teo amin’ny zanak’Israely fa nidiran-doza izy ireo, noho ilay teny hoe:+ “Aza misy ahenanareo mihitsy na dia kely aza ny anjara biriky fanaon’ny tsirairay isan’andro.”+ 20  Taorian’izany, dia nifanojo tamin’i Mosesy sy Arona+ ireo mpiadidy, satria efa nijoro teo izy roa lahy mba hihaona tamin’ireo mpiadidy ireo, raha vao mivoaka avy ao amin’i Farao ireo. 21  Avy hatrany dia hoy ireo mpiadidy tamin’izy roa lahy: “I Jehovah anie hijery anareo sy hitsara anareo!+ Fa efa nanamaimbo+ anay teo anatrehan’i Farao sy ny mpanompony ianareo, ka nasianareo sabatra eny an-tanany hamonoany anay.”+ 22  Dia nitodika tany amin’i Jehovah i Mosesy+ ka niteny hoe: “Jehovah ô! Nahoana ianao no nahatonga loza tamin’ity firenena ity?+ Nahoana re ianao no naniraka ahy e?+ 23  Fa nanomboka tamin’ny fotoana nidirako teo anatrehan’i Farao mba hiteny tamin’ny anaranao,+ dia nahatonga loza tamin’ity firenena ity izy,+ nefa tsy nanafaka ny olonao akory ianao.”+

Fanamarihana