Eksodosy 8:1-32

8  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Mandehana mankao amin’i Farao, ary lazao aminy hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah: “Alefaso ny oloko hanompo ahy.+  Fa raha mbola tsy mety mandefa azy ihany ianao, dia hasiako sahona ny taninao rehetra.+  Koa ho feno sahona mifanaretsaka ao amin’ny Reniranon’i Neily. Ary hiakatra tokoa ireny ka hiditra ao an-tranonao sy ao amin’ny efitra fatorianao, ary hankeny am-pandriananao sy hiditra any an-tranon’ny mpanomponao, ary hankeny amin’ny vahoakanao sy any anatin’ny lafaoronao, ary any anatin’ireo vilia famolavolanao koba.+  Dia hiakatra ho eny aminao sy ny vahoakanao ary ny mpanomponao rehetra ny sahona.”’”+  Taoriana kelin’izay, dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Teneno i Arona hoe: ‘Atsory ilay tananao mitana tehina+ ka ataovy eo ambonin’ny renirano, sy ireo lakandranon’i Neily, ary ny kamory anirian’ny bararata. Dia ampiakaro ho eny amin’ny tany Ejipta ny sahona.’”  Koa natsotran’i Arona teo ambonin’ny ranon’i Ejipta ny tanany, ka nanomboka niakatra ny sahona ary nandrakotra ny tany Ejipta.  Nampiasa hery miafina anefa ireo mpisorona nanana herin’ny maizina, ka mba nanao toy izany koa.+ Dia nampiakatra ny sahona hankeny amin’ny tany Ejipta izy ireo.  Farany, dia niantso an’i Mosesy sy Arona i Farao ka niteny hoe: “Iangavio i Jehovah+ hanaisotra ny sahona tsy ho etỳ amiko sy ny vahoakako, fa vonona aho handefa ny olona hanao sorona ho an’i Jehovah.”+  Dia hoy i Mosesy tamin’i Farao: “Omena anao ny voninahitra, ka lazao amiko ny fotoana tokony hanaovako fiangaviana ho anao sy ho an’ny mpanomponao ary ny vahoakanao, mba hanesorana ny sahona aminao sy ny tranonao, ka ho ao amin’ny Reniranon’i Neily ihany sisa no hisy tavela.” 10  Dia hoy i Farao: “Rahampitso.” Ary hoy i Mosesy: “Ho tanteraka araka ny teninao izany, mba ho fantatrao fa tsy misy tahaka an’i Jehovah Andriamanitray.+ 11  Koa hiala aminao sy ny tranonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao ny sahona, ka ho ao amin’ny Reniranon’i Neily ihany sisa no hisy tavela.”+ 12  Dia nivoaka avy tao amin’i Farao i Mosesy sy Arona. Ary i Mosesy nitaraina mafy tamin’i Jehovah,+ noho ny sahona nalefany tany amin’i Farao. 13  Dia nanao araka ny tenin’i Mosesy i Jehovah,+ ka maty tsikelikely ny sahona tany an-trano sy teny an-tokotany ary tany an-tsaha. 14  Ary nangonina ireny, dia navangongo tetsy sy teroa, ka maimbo+ ny tany Ejipta. 15  Koa rehefa hitan’i Farao fa efa afaka ny loza, dia nanamafy ny fony+ izy ka tsy nihaino azy roa lahy, araka izay efa nolazain’i Jehovah.+ 16  Hoy àry i Jehovah tamin’i Mosesy: “Teneno i Arona hoe: ‘Atsory ny tehinao+ ary kapohy ny vovo-tany dia hiova ho moka eran’ny tany Ejipta ireny.’” 17  Ary nataon’izy ireo izany. Koa natsotran’i Arona ilay tanany nitana tehina ary nokapohiny ny vovo-tany. Dia nankamin’ny olona sy ny biby ny moka. Ary niova ho moka nanerana ny tany Ejipta ny vovo-tany rehetra.+ 18  Ary nampiasa hery miafina ireo mpisorona nampiasa herin’ny maizina, ka nanandrana nanao toy izany koa+ mba hampisy moka, saingy tsy nahavita.+ Ary nankamin’ny olona sy ny biby ny moka. 19  Koa niteny toy izao tamin’i Farao ireo mpisorona nampiasa herin’ny maizina: “Rantsantanan’Andriamanitra+ ity!”+ Mbola nikiribiby tamin’ny heviny+ foana anefa i Farao ka tsy nihaino azy roa lahy, araka izay efa nolazain’i Jehovah. 20  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Mifohaza maraina, ary mankanesa eo anatrehan’i Farao.+ Hivoaka hankeny amin’ny rano izy, ka ataovy hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah: “Alefaso ny oloko hanompo ahy.+ 21  Fa raha tsy mandefa ny oloko ianao, dia handefasako fihitra+ ho eny aminao, sy ny mpanomponao, sy ny vahoakanao, ary ao an-tranonao, ka ho feno fihitra tokoa ireo trano eto Ejipta. Ary ho rakotra fihitra koa hatraiza hatraiza. 22  Ary amin’io andro io, dia tena hataoko miavaka ny tany Gosena misy ny oloko ka tsy hisy fihitra any,+ mba hahafantaranao fa izaho Jehovah dia eto amin’ity tany ity.+ 23  Ary hataoko miavaka amin’ny vahoakanao ny vahoakako.+ Rahampitso izany famantarana izany no hitranga.”’” 24  Dia nataon’i Jehovah izany, ka nisy andiana fihitra maro be nirohotra nankao amin’ny tranon’i Farao sy ny tranon’ny mpanompony ary eran’ny tany Ejipta.+ Ary simba ilay tany noho ny fihitra.+ 25  Farany dia niantso an’i Mosesy sy Arona i Farao, ka niteny hoe: “Mandehana manao sorona ho an’ny Andriamanitrareo, saingy eto amin’ny tany Ejipta ihany.”+ 26  Fa hoy i Mosesy: “Tsy azo ekena izany, satria zava-maharikoriko amin’ny Ejipsianina no hataonay sorona ho an’i Jehovah Andriamanitray.+ Eritrereto hoe eo imason’ny Ejipsianina izahay no hanao sorona zava-maharikoriko aminy! Tsy hotorahany vato ve izahay? 27  Handeha lalana telo andro hankany an-tany efitra izahay, ka hanao sorona tokoa ho an’i Jehovah Andriamanitray, araka izay nolazainy taminay.”+ 28  Dia hoy i Farao: “Izaho mihitsy no handefa anareo,+ ary hanao sorona tokoa ho an’i Jehovah Andriamanitrareo any an-tany efitra ianareo.+ Fa aza mandeha lavitra loatra fotsiny. Ary mba italahoy any aho.”+ 29  Dia hoy i Mosesy: “Hiala eto aminao aho izao, ary hitalaho amin’i Jehovah tokoa ho anao. Koa hiala amin’i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany ny fihitra rahampitso. Tandremo fotsiny anefa sao mamitaka indray i Farao, ka tsy handefa ny olona hanao sorona ho an’i Jehovah.”+ 30  Dia nivoaka avy tao amin’i Farao i Mosesy, ary nitalaho tamin’i Jehovah.+ 31  Koa nanao araka ny tenin’i Mosesy i Jehovah,+ ka niala tamin’i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany ny fihitra,+ ary tsy nisy tavela na iray aza. 32  Mbola nanamafy ny fony indray anefa i Farao tamin’io indray mandeha io, ka tsy nalefany ny olona.+

Fanamarihana