Estera 2:1-23

2  Taorian’izany, rehefa nitony ny fahatezeran’i Ahasoerosy+ Mpanjaka, dia tsaroany i Vasty+ sy ny nataony+ ary ny sazy nampiharina taminy.+  Koa hoy ny mpanompon’ny+ mpanjaka: “Aoka ny mpanjaka hitadiavana+ tovovavy virjiny+ tsara tarehy.  Ary aoka ny mpanjaka hanendry solontena any amin’ny faritany+ rehetra ao amin’ny fanjakany, ary ireo kosa hanangona ny tovovavy virjiny tsara tarehy rehetra mba hatao ao amin’ny tranom-behivavy, ato an-dapan’i+ Sosana. Ho eo ambany fiandraiketan’i Hegay+ tandapan’ny*+ mpanjaka sady mpiambina ny vehivavy ireo tovovavy ireo, ary hisy hanotra azy mba hikarakarana ny bika aman’endriny.  Koa izay tovovavy mahafinaritra ny mpanjaka no ho vadin’ny mpanjaka hisolo an’i Vasty.”+ Dia sitraky ny mpanjaka izany, ka nataony.  Tao an-dapan’i Sosana+ dia nisy lehilahy jiosy iray atao hoe Mordekay,+ zanak’i Jaira, zanak’i Simey, zanak’i Kisy Benjaminita,+  sady anisan’ireo nentina avy tany Jerosalema ka natao sesitany+ niaraka tamin’i Jekonia+ mpanjakan’ny Joda, izay nentin’i Nebokadnezara+ mpanjakan’i Babylona tany an-tsesitany.  I Mordekay no nanjary nitaiza+ an’i Hadasa, izany hoe Estera, zanaky ny rahalahin-drainy,+ satria kamboty ray sy reny razazavavy. Rehefa maty ny rainy sy ny reniny, dia noraisin’i Mordekay ho zanany izy. Sady tsara bika no tsara tarehy+ razazavavy.  Koa rehefa re ny didin’ny mpanjaka sy ny lalàny, sady tovovavy maro no efa voangona tao an-dapan’i Sosana,+ mba ho eo ambany fiandraiketan’i Hegay,+ dia nentina nankany amin’ny tranon’ny mpanjaka koa i Estera ho eo ambany fiandraiketan’i Hegay mpiambina ny vehivavy.  Ary nahafinaritra an’i Hegay razazavavy, ka nanehoany hatsaram-panahy.+ Koa nataony haingana izay hahazoany otra fikarakarana bika aman’endrika,+ sy sakafo manokana. Nomeny tovovavy fito nofantenana avy tao an-tranon’ny mpanjaka koa izy, ka nafindrany tany amin’ny toerana tsara indrindra tao amin’ny tranom-behivavy niaraka tamin’ireo tovovavy ireo. 10  Tsy niteniteny momba ny fireneny+ na ny havany i Estera, satria efa nofeperan’i Mordekay mba tsy hilaza an’izany.+ 11  Ary nandalondalo teo anoloan’ny tokotanin’ny tranom-behivavy foana i Mordekay isan’andro, mba hahalalany hoe manao ahoana i Estera, ary ahoana no itondran’ny olona azy. 12  Nifandimby nankao amin’i Ahasoerosy Mpanjaka ny tovovavy tsirairay, rehefa tapitra ny roa ambin’ny folo volana fikarakarana ny bika aman’endriny. Izany mantsy no fe-potoana fanorana ny vehivavy, ka enim-bolana izy miotra amin’ny menaka miora,+ enim-bolana miotra amin’ny menaka balsama,+ ary karakaraina tsara ny bika aman’endriny. 13  Rehefa natao an’izany ilay tovovavy vao nankao amin’ny mpanjaka. Ary nomena azy izay rehetra nangatahiny, ka teny aminy izany rehefa niala avy tao amin’ny tranom-behivavy hankao amin’ny tranon’ny mpanjaka+ izy. 14  Nankao izy ny takariva, ary nony maraina dia niverina tany amin’ny trano faharoa nitoeran’ireo vehivavy teo ambany fiandraiketan’i Sasegaza, tandapan’ny*+ mpanjaka sady mpiambina ny vadikeliny. Tsy nankao amin’ny mpanjaka intsony izy raha tsy nahazo sitraka taminy sy voantso anarana.+ 15  Ary tonga ny anjaran’i Estera ilay noraisin’i Mordekay ho zanany,+ eny, ilay zanak’i Abihaila dadatoan’i Mordekay. Tonga ny anjarany hiditra tao amin’ny mpanjaka, nefa tsy nisy na inona na inona nangatahiny+ afa-tsy izay nolazain’i Hegay+ tandapan’ny* mpanjaka sady mpiambina ny vehivavy. Ary nahazo sitraka foana tamin’izay rehetra nahita azy i Estera.+ 16  Koa tamin’ny volana fahafolo, izany hoe ny volana Tebeta, tamin’ny taona+ fahafito nanjakan’i Ahasoerosy Mpanjaka, dia nentina nankao aminy tao an-dapany i Estera. 17  Ary tian’ny mpanjaka mihoatra noho ireo vehivavy rehetra i Estera, ka nahazo sitraka taminy sy nanehoany hatsaram-panahy mihoatra noho ireo virjiny rehetra.+ Dia napetrany teo an-dohan’i Estera ny diadema, ary nataony vadin’ny mpanjaka+ hisolo an’i Vasty izy. 18  Ary nanao fanasambe ho an’ny andrianany sy ny mpanompony rehetra ny mpanjaka, ho fanomezam-boninahitra an’i Estera. Nanao famotsoran-keloka*+ ho an’ny isam-paritany koa izy, sady nanome fanomezana araka izay nananany. 19  Nipetraka teo am-bavahadin’ny mpanjaka+ i Mordekay, rehefa nangonina fanindroany ireo virjiny.+ 20  Ary tsy niteniteny momba ny havany na ny fireneny+ i Estera, noho ny fameperan’i Mordekay.+ Nanao izay nolazain’i Mordekay izy, toy ny efa nataony ihany tamin’izy mbola notezainy.+ 21  Tamin’izany fotoana izany, fony i Mordekay nipetraka teo am-bavahadin’ny mpanjaka, dia tezitra i Bigtana sy Taresy, tandapan’ny mpanjaka sady mpiandry varavarana, ka nitady hamono+ an’i Ahasoerosy Mpanjaka. 22  Dia fantatr’i Mordekay izany, ka nolazainy+ avy hatrany tamin’i Estera vadin’ny mpanjaka. Ary i Estera kosa niresaka tamin’ny mpanjaka, tamin’ny anaran’i Mordekay.+ 23  Rehefa natao ny famotopotorana, dia fantatra fa tena marina izany. Koa nahantona+ teo amin’ny tsato-kazo+ izy roa lahy. Dia nosoratana tao amin’ny boky mirakitra ny tantaran’ny+ mpanjaka izany.

Fanamarihana

Lehilahy novosirina.
Lehilahy novosirina.
Lehilahy novosirina.
Na: “fanafoanan-ketra.” Tsy fantatra marina hoe inona izy io.