Ezekiela 1:1-28

1  Tamin’ny andro fahadimin’ny volana fahefatra, tamin’ny taona fahatelopolo, dia nisokatra ny lanitra+ ka nahazo fahitana avy tamin’Andriamanitra aho,+ tamin’izaho teo amin’ireo olona natao sesitany,+ teo amoron’ny reniranon’i Kebara.+  Tamin’ny andro fahadimin’ny volana, izany hoe tamin’ny taona fahadimy nanaovana sesitany an’i Joiakina Mpanjaka,+  dia tonga tamin’i Ezekiela+ zanak’i Bozy mpisorona ny tenin’i Jehovah,+ teto amin’ny tanin’ny Kaldeanina,+ teo amoron’ny reniranon’i Kebara. Niasa tamin’i Ezekiela koa ny tanan’i Jehovah,+ teo amin’io toerana io.  Ary hitako fa iny nisy rivo-mahery+ avy any avaratra, sy rahona matevina,+ ary afo nihovotrovotra.+ Namirapiratra ny manodidina an’ilay rahona. Ary avy teo afovoan’izy io,* dia nisy zavatra namirapiratra hoatran’ny metaly nanjelatra,* avy teo afovoan’ny afo.+  Ary nisy hoatran’ny zavamananaina efatra,+ avy teo afovoan’izy io. Toy ny olombelona no fahitako azy ireo.  Samy nanana tarehy+ efatra sy elatra+ efatra izy tsirairay.  Nahitsy ny tongotr’izy ireo, ary sahala amin’ny kitron’ny zanak’omby ny faladiany.+ Nanjelanjelatra toy ny varahina nokosehina hangirana ny tongony.+  Nisy tanan’olombelona tao ambany elatr’izy ireo, teo amin’ny lafiny efatra.+ Samy nanana tarehy sy elatra izy efatra.+  Nifampikasika ny tendron’ny elatr’izy ireo. Tsy nitodika izy ireo rehefa nandeha, fa samy nizotra tamin’izay hitsiny avy.+ 10  Sahala amin’izao ny tarehin’izy ireo: Samy nanana tarehin’olona+ izy efatra, ary tarehin-diona+ no teo ankavanana,+ ary samy nanana tarehin’omby+ izy efatra teo ankavia.+ Samy nanana tarehim-boromahery+ koa izy efatra. 11  Toy izany ny tarehin’izy ireo. Nivelatra niakatra ny elany.+ Nanana elatra roa nifandray tendro izy tsirairay, ary ny elany roa hafa kosa nanarona ny vatany.+ 12  Samy nizotra tamin’izay hitsiny avy ny tsirairay taminy.+ Tany amin’izay rehetra tian’ny fanahy halehany no nandehanany.+ Tsy nitodika izy ireo rehefa nandeha.+ 13  Sahala amin’ny vainafo no fahitako an’ireo zavamananaina,+ ary nisy hoatran’ny fanilo+ nivezivezy teo anelanelan’izy ireo. Namirapiratra ny afo, ary nisy tselatra nivoaka avy tao amin’ny afo.+ 14  Nandeha ireo zavamananaina ary niverina, ka hoatran’ny tselatra no fahitana azy.+ 15  Ary raha mbola nijery an’ireo zavamananaina aho, dia io fa nisy kodiarana iray teo amin’ny tany, teo akaikin’ny zavamananaina tsirairay,+ teo anilan’ireo tarehy efatra nananan’ny tsirairay.+ 16  Namirapiratra tahaka ny krizolita+ ny fahitako an’ireo kodiarana+ sy ny bikabikany. Ary nitovy daholo izy efatra. Toy ny kodiarana ao anaty kodiarana no fahitana azy sy ny bikabikany.+ 17  Nizotra tamin’ny lafiny efatra avy izy ireo rehefa nandeha,+ ary tsy nivily teny am-pandehanana.+ 18  Avo be ireo kodiarana ka nampahatahotra. Ary feno maso ny lafiny ivelany amin’ireo kodiarana efatra.+ 19  Rehefa nandeha ireo zavamananaina, dia nandeha teo anilany koa ireo kodiarana. Ary rehefa niakatra niala tamin’ny tany ireo zavamananaina, dia niakatra koa ireo kodiarana.+ 20  Tany amin’izay rehetra tian’ny fanahy halehany no nandehanany, satria tany no tian’ny fanahy halehany. Dia nakarina niaraka tamin’ireo ny kodiarana teo anilany, satria tao amin’ny kodiarana ihany koa ilay fanahy tao amin’ny zavamananaina. 21  Rehefa nandeha ireo, dia nandeha koa ny kodiarana. Ary rehefa nijanona ireo, dia nijanona koa ny kodiarana. Ary rehefa nakarina niala tamin’ny tany ireo, dia nakarina niaraka tamin’ireo koa ny kodiarana teo anilany, satria tao amin’ny kodiarana ihany koa ilay fanahy tao amin’ny zavamananaina.+ 22  Nisy hoatran’ny zavatra fisaka terỳ ambony lohan’ireo zavamananaina. Toy ny ranomandry nanjelanjelatra sy nampitolagaga no fahitana azy, ary nivelatra teo ambony lohan’izy ireo ilay izy.+ 23  Nivelatra nahitsy ny elatr’izy ireo teo ambanin’io zavatra fisaka io, ary nifampikasika ny tendrony. Samy nanana elatra roa nanarona ny ilan’ny vatany izy tsirairay, ary nanana elatra roa hafa koa nanarona ny ilan’ny vatany. 24  Rehefa nandeha izy ireo, dia reko ny feon’ny elany, izay toy ny feon’ny rano be,+ toy ny feon’Ilay Mahery Indrindra, toy ny feon’ny vahoaka be mitabataba,+ toy ny feon’ny miaramila mitoby.+ Nampidinin’izy ireo ny elany rehefa nijanona izy ireo. 25  Ary nisy feo re avy teny ambonin’ilay zavatra fisaka teo ambonin’ny lohan’izy ireo. Nampidinin’izy ireo ny elany rehefa nijanona izy ireo. 26  Nisy zavatra toy ny vato safira+ sy toy ny seza fiandrianana,+ terỳ ambonin’ilay zavatra fisaka teo ambony lohan’izy ireo. Teo ambonin’ilay toy ny seza fiandrianana izay terỳ ambonin’io zavatra fisaka io, dia nisy toy ny bikabikan’olona sady hoatran’ny olombelona, izay nipetraka teo amboniny.+ 27  Dia hitako fa nisy zavatra namirapiratra hoatran’ny metaly nanjelatra*+ sy hoatran’ny afo, nanodidina azy sy avy eo aminy,+ nanomboka teo amin’ilay toy ny andilany no ho miakatra. Fa nanomboka teo amin’ilay toy ny andilany no ho midina kosa, dia zavatra toy ny afo no hitako. Ary namirapiratra ny manodidina azy. 28  Nahita zavatra hoatran’ny avana+ aho, dia avana miseho eny amin’ny rahona rehefa mirotsaka ny orana. Sahala amin’izany no fahitana an’ilay namirapiratra nanodidina azy. Hoatran’ny voninahitr’i Jehovah+ no fahitana an’ilay izy. Raha vao nahita izany aho, dia niankohoka+ ary nandre feon’olona niteny.

Fanamarihana

Mety ho ilay afo io.
Volamena sy volafotsy mifangaro.
Jereo Ezk 1:4 f.a.p.