Ezekiela 15:1-8
15 Dia tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe:
2 “Ry zanak’olona, inona no maha hafa ny hazo voaloboka+ na ny sampam-boaloboka any an’ala, raha oharina amin’ny hazo hafa rehetra?
3 Azo akana vatan-kazo hanaovana asa sasany ve izy? Sa azo anamboarana hazo fanantonan-javatra?
4 Atsipy ao anaty afo izy mba hatao kitay!+ Samy levon’ny afo ny tendrony roa, ary may koa ny eo antenatenany.+ Koa azo ampiasaina hiasana ve izy?
5 Mbola tsy nisy nanombinana aza izy tsy azo nampiasaina hiasana, koa mainka fa rehefa levon’ny afo sy may? Mbola azo ampiasaina amin’ny asa hafa ve izy?”+
6 “Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Toy ilay hazo voaloboka any an’ala, izay hatsipiko ao anaty afo mba hatao kitay, dia hataoko toy izany koa ny mponin’i Jerosalema.+
7 Ary hanohitra azy ireo aho.+ Nivoaka avy tao anaty afo izy ireo, nefa ho levon’ny afo ihany.+ Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah, rehefa hanohitra azy ireo aho.’”+
8 “‘Hataoko lao ilay tany+ satria nivadika tamiko izy ireo’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.”