Ezekiela 21:1-32

21  Dia tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe:  “Ry zanak’olona, mitodiha any Jerosalema, ary mitenena+ manandrify an’ireo toerana masina,+ ka maminania ny amin’ny loza hanjo ny tanin’ny Israely.+  Koa lazao amin’ny tanin’ny Israely hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah: “Hamely anao aho+ ka hotsoahako avy ao amin’ny tranony ny sabatro,+ dia haringako ny olo-marina sy ny ratsy fanahy eo aminao.+  Koa hivoaka avy ao amin’ny tranony ny sabatro ka hamely ny nofo rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra,+ mba handringanako ny olo-marina sy ny ratsy fanahy eo aminao.  Dia tsy maintsy ho fantatry ny nofo rehetra fa izaho Jehovah no nanatsoaka ny sabatro avy tao amin’ny tranony,+ ka tsy hiverina ao intsony izy io.”’+  “Ry zanak’olona, misentoa ary aoka hangozohozo ny andilanao,+ eny, misentoa amin’alahelo be eo imason’izy ireo.+  Ary raha manontany anao izy ireo hoe: ‘Fa maninona ianao no misento?’,+ dia lazao hoe: ‘Satria misy vaovao ratsy.’+ Fa tsy maintsy ho tonga izany,+ ka hihorohoro ny fon’ny rehetra,+ ary hiraviravy tanana sy ho kivy ny rehetra, ary hisy rano hitete* eo amin’ny lohalika rehetra.+ ‘Tsy maintsy ho tonga izany+ sady tena hitranga’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.”  Dia tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe:  “Ry zanak’olona, maminania ka lazao hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah: “Milazà hoe: ‘Sabatra! Sabatra!+ Efa norangitina ilay sabatra+ sady efa nokosehina hangirana. 10  Efa nomanina ilay fandripahana ka norangitina ilay sabatra sady nokosehina mba hanjelatra.’”’”+ “Tsy tokony ho faly ve isika?”+ “‘Lavin’izy io sahala amin’ny nandavany ny hazo+ rehetra ve ilay tehim-panjakan’ny+ zanako?+ 11  “‘Nomena ilay sabatra mba hatao mangirana ka ho azo ampiasaina. Norangitina sy nokosehina hangirana izy io mba hatolotra eo an-tanan’ny mpandringana.+ 12  “‘Ry zanak’olona, aoka ianao hitaraina sy hidradradradra,+ noho ilay sabatra izay mamely ny oloko.+ Mamely an’ireo mpiadidy rehetra eo amin’ny Israely izy io.+ Natolotra ho amin’ny sabatra niaraka tamin’ny oloko izy ireo.+ Koa aoka ianao hikapoka ny fenao ho fanehoana alahelo.+ 13  Efa nodinihina tsara ilay sabatra.+ Dia ahoana raha lavin’izy io koa ilay tehim-panjakana?+ Tsy hisy intsony ilay izy’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. 14  “Ary ianao, ry zanak’olona, maminania ary ataovy mifampikapoka ny felatananao roa+ ka milazà intelo+ hoe: ‘Sabatra!’ Mahafaty izany sabatra izany. Sabatra mahafaty olona ambony izany sady manodidina azy.+ 15  Handripaka amin’ny sabatra aho mba hihorohoro ny fo+ ary ho maro ny ripaka eny amin’ny vavahadiny rehetra.+ Indrisy, natao izay hampanjelatra io sabatra io, ary norangitina handripaka izy io!+ 16  Asehoy fa maranitra ianao.+ Mandehana miankavanana! Makà toerana. Mandehana miankavia! Mandehana any amin’izay itodihanao! 17  Dia hataoko mifampikapoka koa ny felatanako.+ Ary ho afaka+ ny fahatezerako avy eo.+ Izaho Jehovah no miteny izany.” 18  Dia tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe: 19  “Ry zanak’olona, asio lalana roa hidiran’ny sabatry ny mpanjakan’i Babylona.+ Samy hiainga avy ao amin’ny tany iray ihany ireo lalana roa ireo. Ary manamboara marika manondro lalana,+ eo amin’ny sampanan-dalana mankany an-tanàna. 20  Asio lalana iray hidiran’ilay sabatra hamely an’i Raban’ny+ taranak’i Amona, ary iray kosa hamelezana an’i Joda, dia i Jerosalema misy manda.+ 21  Mijanona eo amin’ny fihaonan-dalana mantsy ny mpanjakan’i Babylona, eo amin’izay isampanan’ny lalana ho roa, mba hanao sikidy.+ Nahontsankontsany ireo zana-tsipìka. Nanontany tamin’ny alalan’ny terafima*+ izy. Ary nodinihiny ny atin-kena. 22  Nasehon’ny sikidy teny an-tanany ankavanana fa i Jerosalema no tokony hotafihiny. Koa hampiasa lohondry vy+ izy, ary hanome baiko handringana. Hampaneno fanairana+ koa izy, ary hampiasa lohondry vy handrodanana vavahady. Ary hanorina tovon-tany* sy manda hanaovana fahirano izy.+ 23  Toy ny faminaniana tsy marina avy amin’ny sikidy anefa izany teo imason’izy ireo,+ eny, teo imason’ireo mianiana amin’ireny.+ Mahatsiaro ny fahadisoana natao izy+ mba hisamborana an’ireo.+ 24  “Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Nataonareo izay hahatsiarovana ny fahadisoanareo, rehefa nabaribary ny fandikan-dalàna nataonareo sy rehefa niharihary ny fahotanareo, izany hoe ny zava-dratsy nataonareo. Izany rehetra izany no hahatonga anareo ho voasambotry ny tanan’ny fahavalo,+ satria tsaroana ianareo.’+ 25  “Ary ianao, ry ilay maratra mafy efa ho faty, ilay ratsy fanahy mpiadidy+ eo amin’ny Israely,+ tonga mandritra ny fotoanan’ny fahadisoana farany ny andronao.+ 26  Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Esory ny fehilohan’ny mpanjaka, ary tsoahy ny satroboninahitra.+ Tsy ho toy ny taloha intsony ny toe-javatra.+ Asandrato ny ambany,+ ary ampietreo ny ambony.+ 27  Horavako, horavako, horavako izany,+ ary izany koa aza dia tsy ho lasan’iza na iza, mandra-pahatongan’ilay manan-jo ara-dalàna hahazo izany.+ Dia homeko azy izany.’+ 28  “Ary ianao, ry zanak’olona, maminania ka lazao hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony momba ny taranak’i Amona sy ny latsa nataony.’ Koa lazao hoe: ‘Sabatra! Misy sabatra voatsoaka mba handripahana. Nokosehina hanjelatra ilay izy mba hamonoana olona.+ 29  Fahitana tsy marina sy faminaniana sandoka avy amin’ny sikidy mantsy no nolazainy taminao,+ mba hiampatrampatra eny ambonin’ny fatin’ireo ratsy fanahy ny fatinao. Tonga mandritra ny fotoanan’ny fahadisoana farany ny andron’ireo ratsy fanahy ireo.+ 30  Avereno ao amin’ny tranony ilay sabatra. Ao amin’ny toerana namoronana anao, ao amin’ny tany niavianao,+ no hitsarako anao. 31  Dia hampihariko aminao ny fanamelohako. Hotsofiko handoro anao ny afon’ny fahatezerako,+ ka hatolotro eo an-tanan’ny tsy misaina ianao, dia eo an-tanan’ireo manan-talenta amin’ny fandripahana.+ 32  Ho toy ny kitay ao anaty afo ianao.+ Handriaka eran’ilay tany ny ranao. Tsy hotsaroana intsony ianao, satria izaho Jehovah no miteny izany.’”+

Fanamarihana

Jereo Ezk 7:17 f.a.p.
sampy.
Jereo 2Sa 20:15 f.a.p.