Ezekiela 3:1-27
3 Ary hoy izy tamiko: “Ry zanak’olona, hano izay hitanao. Hano io horonam-boky io,+ dia mandehana ka mitenena amin’ny taranak’Israely.”
2 Koa nosokafako ny vavako, ary nampihinaniny ahy tsikelikely ilay horonam-boky.+
3 Dia hoy indray izy tamiko: “Ry zanak’olona, mihinàna ary ataovy izay hahavoky ny kibonao, ka fenoy an’ity horonam-boky omeko anao ity ny tsinainao.” Koa nihinana aho, ary mamy toy ny tantely ilay izy, tao am-bavako.+
4 Hoy ihany izy tamiko: “Ry zanak’olona, mandehana mankany amin’ny taranak’Israely,+ ka lazao aminy ny teniko.
5 Tsy any amin’ny firenena mampiasa fiteny sarotra azo+ na mampiasa fiteny hafahafa+ mantsy no anirahana anao, fa any amin’ny taranak’Israely.
6 Ary tsy irahina any amin’ny firenena maro mampiasa fiteny sarotra azo ianao, na any amin’ny firenena mampiasa fiteny hafahafa, izay mampiasa teny tsy azonao.+ Raha tany amin’ireny anefa no nanirahako anao, dia ho nihaino anao ireny.+
7 Fa ny taranak’Israely kosa tsy te hihaino anao, satria tsy te hihaino ahy izy ireo.+ Mafy hatoka sy mafy loha daholo mantsy ny taranak’Israely.+
8 Ataoko mafy hoatran’ny tarehin’izy ireo ny tarehinao,+ ary ny handrinao ataoko mafy hoatran’ny handriny.+
9 Ataoko mafy hoatran’ny diamondra, eny, mafy noho ny vatoafo,+ ny handrinao. Aza matahotra azy+ ary aza atao mampihorohoro anao ny tarehiny,+ fa taranaka mpikomy izy.”+
10 Hoy koa izy tamiko: “Ry zanak’olona, alatsaho ao am-ponao+ ny teny rehetra holazaiko aminao, ary aoka ianao hanongilan-tsofina hihaino izany.
11 Dia mandehana mankany amin’ireo olona natao sesitany,+ dia any amin’ny zanaky ny firenenao, ka na hihaino izy na tsia,+ dia mitenena aminy ary lazao hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony.’”
12 Ary nisy fanahy* nitondra ahy,+ ka nandre feon-javatra nifofofofo aho tao aoriako,+ nanao hoe: “Hoderaina anie ny voninahitr’i Jehovah, any amin’ny toerana misy Azy!”+
13 Dia re ny feon’ny elatr’ireo zavamananaina rehefa nifampikasika.+ Re koa ny feon’ny kodiarana teo akaikiny,+ sy ilay feon-javatra nifofofofo.
14 Nentin’ny fanahy aho+ ka lasa. Dia nandeha aho, ary sosotra* sy tezitra mafy aho tao anatiko tao. Ary niasa tamiko ny tana-maherin’i Jehovah.+
15 Koa nankany Tela-abiba aho, tany amin’ireo olona natao sesitany, izay nonina+ teo amoron’ny reniranon’i Kebara.+ Ary nonina teo amin’izay nonenan’izy ireo aho. Dia nipetraka tany fito andro aho, ary tsy nahateny tsy nahavolana teo anivon’izy ireo aho.+
16 Rehefa tapitra ny fito andro, dia tonga tamiko ny tenin’i Jehovah hoe:
17 “Ry zanak’olona, ataoko mpitily ho an’ny taranak’Israely ianao.+ Koa henoy ny teny aloaky ny vavako, ary lazao amin’izy ireo ny fampitandremana omeko.+
18 Raha hoy aho amin’ny ratsy fanahy: ‘Ho faty tokoa ianao’,+ nefa tsy mampitandrina azy ianao, na milaza teny fampitandremana an’ilay ratsy fanahy mba hialany amin’ny lalan-dratsiny ka hahavelona azy,+ dia ho faty noho ny fahadisoany izy satria ratsy fanahy,+ fa ianao kosa hataoko ampamoaka noho ny amin’ny rany.+
19 Fa raha nampitandrina ny ratsy fanahy kosa ianao,+ fa izy no tsy miala amin’ny faharatsiany sy ny lalan-dratsiny, dia ho faty noho ny fahadisoany izy,+ fa ianao kosa hahavonjy ny ainao.+
20 Ary raha miala amin’ny lalan’ny fahamarinana ny olo-marina+ ka manao ny tsy rariny, ary hasiako vato mahatafintohina eo anoloany,+ dia ho faty izy satria tsy nampitandrina azy ianao. Ho faty noho ny fahotany izy,+ ary tsy hotsarovana ny fahamarinana nataony.+ Fa ianao* kosa hataoko ampamoaka noho ny amin’ny rany.+
21 Ary raha mampitandrina ny olo-marina ianao mba tsy hanotany,+ ka tsy manota tokoa izy, dia ho velona tokoa izy satria efa nampitandremanao,+ ary ho voavonjinao koa ny ainao.”+
22 Ary niasa tamiko ny tanan’i Jehovah tamin’izaho tany, ka hoy izy tamiko: “Mitsangàna ka mandehana eny amin’ny tany lemaka,+ fa eny aho no hiteny aminao.”
23 Dia nitsangana aho ka nankeny amin’ny tany lemaka, ary io fa teo ny voninahitr’i Jehovah,+ toy ilay voninahitra efa hitako tany amoron’ny reniranon’i Kebara.+ Koa niankohoka aho.+
24 Ary niditra tao anatiko ny fanahy+ ka nampitsangana ahy.+ Dia niteny tamiko Andriamanitra ka nanao hoe:
“Mandehana mihidy ao an-tranonao.
25 Ary hogejain’ny olona amin’ny tady ianao, ry zanak’olona, ka hofatorany mba tsy ho afa-mivoaka hankany aminy.+
26 Hataoko miraikitra amin’ny lanilaninao ny lelanao+ ka ho moana tokoa ianao.+ Ary amin’izy ireo, dia tsy ho mpananatra azy ianao,+ satria taranaka mpikomy+ izy.
27 Fa hosokafako ny vavanao rehefa miteny aminao aho, ka izao no holazainao amin’izy ireo:+ ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony.’ Aoka hihaino izay te hihaino,+ ary aoka tsy hihaino izay tsy te hihaino, fa taranaka mpikomy izy.+