Ezekiela 30:1-26
30 Ary tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe:
2 “Ry zanak’olona, maminania ka lazao hoe:+ ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Midradradradrà ianareo, ka ataovy hoe: ‘Indrisy, ho avy ilay andro!’+
3 Fa efa akaiky ny andro, eny, efa akaiky ny andron’i Jehovah.+ Ho andro mandrahona izany,+ ary ho fotoana voatondro hitsarana an’ireo firenena.+
4 Hisy sabatra ho tonga any Ejipta,+ ary hanaintaina mafy i Etiopia rehefa hiampatrampatra any Ejipta ny faty, ka ho lasan’ny sasany ny harenany ary horavany ny fototra niorenany.+
5 Ho lavon-tsabatra+ hiaraka aminy koa i Etiopia,+ Pota,+ Loda, ny hafa firenena rehetra,+ Koba, ary ny mponin’ilay tany voafehin’ny fifanekena.”’
6 “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Ho lavo koa ireo mpomba an’i Ejipta ary hihena ny heriny izay ireharehany.’+
“‘Ho lavon-tsabatra izy ireo any, hatrany Migdola+ ka hatrany Syena’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.
7 ‘Ho lao eo anivon’ny tany lao koa izy ireo, ary ho rava eo anivon’ny tanàna rava ny tanànany.+
8 Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah, rehefa handrehitra afo any Ejipta aho, ka ho ringana izay rehetra manampy azy.+
9 Amin’izany andro izany, dia hisy iraka hivoaka avy eo anatrehako. Handeha sambo izy ireo, ary hivoaka mba hampangovitra an’i Etiopia,+ izay matoky tena loatra. Koa hanaintaina mafy ireny amin’ny andro hamelezana an’i Ejipta. Ho tonga tokoa izany!’+
10 “Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Ny tanan’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona no hampiasaiko hamongorana ny mponin’i Ejipta.+
11 Hoentiko any mba handrava an’ilay tany izy sy ny olony miaraka aminy, dia ireo mpitondra jadona eo amin’ireo firenena.+ Hanatsoaka ny sabany hamely an’i Ejipta izy ireo, ka hiampatrampatra eran’ilay tany ny faty.+
12 Dia hataoko lasa tany maina ny lakandranon’i Neily,+ ary hamidiko eo an-tanan’ny ratsy fanahy ilay tany.+ Ary hasaiko hataon’ny vahiny fongana ilay tany sy izay rehetra ao.+ Izaho Jehovah no miteny izany.’+
13 “Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Hopotehiko koa ireo sampy maharikoriko+ ary hofoanako ao Nofa+ ireo andriamanitra tsy misy dikany. Tsy hisy mpiadidy intsony avy any Ejipta. Ary hataoko manenika an’i Ejipta ny tahotra.+
14 Hataoko lao i Patrosa.+ Handrehitra afo ao Zoana+ aho ary hampihatra ny didim-pitsarako ao No.+
15 Hanamparako ny fahatezerako+ i Sina, ilay tanàna voaro mafy any Ejipta, ary haringako ny mponin’i No.+
16 Handrehitra afo any Ejipta aho. Hanaintaina mafy tokoa i Sina, ary ny mandan’i No kosa ho voagorobaka ka ho voababo ilay tanàna. Ary hisy fahavalo hanafika an’i Nofa amin’ny andro antoandro!
17 Ho lavon-tsabatra ireo tovolahy ao Ona+ sy Pibeseta, ary ho lasa babo ny ao an-tanàna.
18 Ho maizina ny andro ao Tapanesa,+ rehefa hotapahiko ao ny ziogan’i Ejipta.+ Koa hataoko mifarana hatreo ilay heriny izay ireharehany.+ Ho voasaron-drahona kosa izy+ ary ho lasa babo ireo tanàna miankina aminy.+
19 Dia hampihatra ny didim-pitsarako ao Ejipta aho,+ ka tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.’”
20 Ary tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah tamin’ny andro fahafiton’ny volana voalohany, tamin’ny taona fahiraika ambin’ny folo, nanao hoe:
21 “Ry zanak’olona, hotapahiko ny sandrin’i Farao mpanjakan’i Ejipta.+ Ary tsy hofehezina izany na hasiana fehy lamba mba tsy ho sitrana.+ Amin’izay dia tsy hihamatanjaka ilay sandriny, ka tsy hahatana sabatra.”
22 “Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Hamely an’i Farao mpanjakan’i Ejipta aho,+ ka hotapahiko daholo ny sandriny,+ na ilay mbola matanjaka na ilay efa tapaka,+ ary hataoko latsaka avy eny an-tanany ny sabatra.+
23 Dia haparitako any amin’ireo firenena ny Ejipsianina, ary haeliko any amin’ny tany samy hafa.+
24 Hohatanjahiko ny sandrin’ny mpanjakan’i Babylona+ ary hataoko eo an-tanany ny sabatro.+ Fa hotapahiko kosa ny sandrin’i Farao, ka hitaraindraina mafy eo anatrehany izy, toy ireny olona maratra mafy efa ho faty ireny!+
25 Hohatanjahiko ny sandrin’ny mpanjakan’i Babylona, fa ny sandrin’i Farao kosa hiraviravy. Koa tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah, rehefa hataoko eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babylona ny sabatro, ka harangarangany mba hamelezana an’i Ejipta.+
26 Dia haparitako any amin’ireo firenena ny Ejipsianina,+ ary haeliko any amin’ny tany samy hafa. Koa tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.’”