Ezekiela 37:1-28
37 Niasa tamiko ny tanan’i Jehovah,+ ka nentiny tamin’ny alalan’ny fanahin’i Jehovah aho,+ ary napetrany teny amin’ny tany lemaka feno taolam-paty.+
2 Dia nampandaloviny nanodidina an’ireo taolana ireo aho, ka hitako fa, hay, be dia be izy ireo teo amin’ilay tany lemaka, sady maina+ be daholo!
3 Ary hoy izy tamiko: “Ry zanak’olona, mety ho velona indray ve ireo taolana ireo?” Dia hoy aho: “Ianao no mahalala tsara an’izany, ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô!”+
4 Hoy ihany izy tamiko: “Maminania momba ireo taolana ireo, ka lazao amin’izy ireo hoe: ‘Henoy ny tenin’i Jehovah, ry taola-maina ô:
5 “‘Izao no lazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony amin’ireo taolana ireo: “Hasiako fofonaina ao aminareo, dia ho velona indray ianareo.+
6 Ary hasiako hozatra sy nofo ianareo, ka hofonosiko hoditra. Hasiako fofonaina ao aminareo, dia ho velona indray ianareo.+ Ary tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah.”’”+
7 Koa naminany araka ny nandidiana ahy aho.+ Raha vao naminany aho, dia injay nisy feo! Ary nisy zavatra nikatrokatroka ka indreny fa nifanatona ireo taolana: Samy nanatona ny namany avy izy ireo.
8 Dia hitako fa naniry hozatra sy nofo izy ireo, ary nisy hoditra nandrakotra azy. Mbola tsy nisy fofonaina anefa tao aminy.
9 Hoy ihany Andriamanitra tamiko: “Maminania amin’ny rivotra. Maminania, ry zanak’olona, ka lazao amin’ny rivotra hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Ry rivotra ô, tongava avy any amin’ny vazan-tany* efatra, ka tsotsofy ireo olona maty+ ireo mba ho velona indray.”’”+
10 Dia naminany araka ny nandidiana ahy aho. Koa nisy fofonaina niditra tao amin’ireo. Dia velona ireo ka nijoro tamin’ny tongony,+ ary lasa tafika tena lehibe dia lehibe.
11 Hoy ihany izy tamiko: “Ry zanak’olona, tsy inona ireo taolana ireo fa ny taranak’Israely manontolo.+ Hoy mantsy izy ireo: ‘Maina ny taolanay. Very fanantenana izahay,+ ary tafasaraka tanteraka.’
12 Koa maminania ka lazao aminy hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Hosokafako ny fasanareo,+ ka hampiakariko avy ao ianareo, ry oloko. Ary haveriko any amin’ny tanin’ny Israely ianareo.+
13 Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah, rehefa sokafako ny fasanareo ka ampiakariko avy ao ianareo, ry oloko.”’+
14 ‘Hataoko ao aminareo ny fanahiko ka ho velona indray ianareo,+ ary hamponeniko ao amin’ny taninareo. Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho Jehovah no niteny sy nanatanteraka izany’, hoy i Jehovah.”+
15 Ary tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe:
16 “Ry zanak’olona, makà sampan-kazo+ ka izao soratana eo aminy: ‘Ho an’i Joda sy ny zanak’Israely namany.’+ Dia makà sampan-kazo iray hafa ka soraty eo hoe: ‘Ho an’i Josefa, sampan-kazon’i Efraima,+ sy ny taranak’Israely rehetra namany.’+
17 Ampifanatony ireo mba ho sampan-kazo iray, ka ho lasa iray ihany eny an-tananao.+
18 Ary rehefa miteny aminao ny zanaky ny firenenao hoe: ‘Lazao aminay ny dikan’izao’,+
19 dia valio hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Halaiko ny sampan-kazon’i Josefa izay eny an-tanan’i Efraima, sy ny fokon’ny Israely namany, ka hataoko eo amin’ilay sampan-kazon’i Joda, ary hataoko lasa sampan-kazo iray ihany ireo,+ ka ho iray eto an-tanako.”’
20 Ary ireo sampan-kazo izay nasianao soratra dia ataovy eny an-tananao, eo imason’izy ireo.+
21 “Lazao amin’izy ireo hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Halaiko avy any amin’ireo firenena nalehany ny zanak’Israely, ka hangoniko avy any amin’ny manodidina, ary haveriko ao amin’ny taniny.+
22 Dia hataoko firenena iray ihany izy ireo eo amin’ilay tany,+ eny amin’ny tendrombohitr’i Israely. Ary mpanjaka iray ihany no hitondra azy rehetra,+ ka tsy ho firenena roa intsony izy ireo sady tsy hizara ho fanjakana roa intsony.+
23 Tsy handoto tena amin’ny sampiny maharikoriko intsony izy ireo, na handoto tena amin’ny zava-maharikoriko sy ny fandikan-dalàna rehetra fanaony.+ Fa hovonjeko ho afaka amin’ny fahotana nataony tany amin’ny fonenany rehetra izy ireo, ka hodioviko.+ Dia ho oloko izy ireo ary izaho ho Andriamaniny.+
24 “‘“Ary i Davida mpanompoko no ho mpanjakan’izy ireo.+ Mpiandry iray ihany no hiandry azy rehetra.+ Hanaraka ny didim-pitsarako izy ireo,+ ary hitandrina ny lalàko+ ka hanatanteraka izany.+
25 Dia honina tokoa eo amin’ilay tany nomeko an’i Jakoba mpanompoko, izay efa nonenan’ny razanareo,+ izy ireo. Koa honina eo+ mandritra ny fotoana tsy voafetra+ izy ireo sy ny zanaka aman-jafiny. Ary i Davida mpanompoko no ho mpiadidy eo amin’izy ireo mandritra ny fotoana tsy voafetra.+
26 “‘“Dia hanao fifanekem-pihavanana amin’izy ireo aho,+ ka ho fifanekena mandritra ny fotoana tsy voafetra izany.+ Hapetrako ao amin’ny taniny izy ireo, ary hataoko lasa maro be.+ Dia hataoko eo amin’izy ireo, mandritra ny fotoana tsy voafetra, ny toerako masina.+
27 Ho eo amin’izy ireo ny tranolaiko,+ ka ho Andriamaniny tokoa aho ary izy ireo ho oloko.+
28 Dia tsy maintsy ho fantatr’ireo firenena fa izaho Jehovah+ no manamasina ny Israely, rehefa ho eo amin’izy ireo mandritra ny fotoana tsy voafetra ny toerako masina.”’”+
Fanamarihana
^ A.b.t.: “rivotra.”