Ezekiela 40:1-49

40  Tamin’ny andro fahafolon’ny volana, teo am-piandohan’ny taona fahadimy amby roapolo nanaovana sesitany anay,+ izay taona fahefatra ambin’ny folo naharava ny tanàna,+ eny, tamin’izay andro izay indrindra no niasa tamiko ny tanan’i Jehovah+ ka nentiny tany aho.+  Tao anatin’ny fahitana avy tamin’Andriamanitra no nitondrany ahy tany amin’ny tanin’ny Israely, sy nametrahany ahy teo an-tampon’ny tendrombohitra iray avo dia avo.+ Ary nisy toy ny tanàna teo amin’izy io, teo atsimo.+  Nentin’Andriamanitra teo aho, ka io fa nisy lehilahy iray teo, ary namirapiratra hoatran’ny varahina ny fahitako azy.+ Nisy tady rongony sy bararata fandrefesana+ teny an-tanany, ary nijoro teo am-bavahady izy.  Dia hoy izy tamiko: “Ry zanak’olona,+ aoka ny masonao hijery ary aoka ny sofinao hihaino, ka diniho tsara izay rehetra asehoko anao, satria ny hampisehoako anao izany no nitondrana anao eto. Ary lazao amin’ny taranak’Israely izay rehetra hitanao.”+  Koa hitako fa nisy manda ivelany nanodidina an’ilay trano. Nisy bararata fandrefesana nirefy enina hakiho teny an-tanan-dralehilahy, ka ny hakiho iray dia nirefy iray hakiho niampy sakan’ny felatanana.* Norefesiny ny hatevin’ilay manda sy ny haavony, ka samy nirefy bararata iray.  Nankeo amin’ilay vavahady, izay nitodika niantsinanana,+ ilay lehilahy. Dia niakatra teo amin’ny tohatohatr’ilay vavahady izy, ary norefesiny ny tokonana iray tamin’ilay vavahady+ ka nirefy bararata iray ny sakany, ary toy izany koa ny sakan’ilay tokonana iray.  Na ny lavan’ny efitra fiambenana na ny sakany dia samy nirefy bararata iray. Dimy hakiho no manasaraka an’ireo efitra fiambenana.+ Ary nirefy bararata iray ny tokonam-bavahady teo akaikin’ny lala-mitafon’ilay vavahady. Nitodika nankany anatiny io lala-mitafo io.  Ary norefesiny ny lala-mitafo nitodika nankany anatiny, ka nirefy bararata iray.+  Koa norefesiny ny lala-mitafon’ilay vavahady, ka nisy valo hakiho, ary roa hakiho ireo andry teo aminy. Nitodika nankany anatiny ny lala-mitafon’ilay vavahady. 10  Teo amin’ny andaniny roa tamin’ilay vavahady atsinanana dia nisy efitra fiambenana telo avy. Nitovy refy izy telo ary nitovy refy koa ireo andry teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. 11  Dia norefesiny ny sakan’ny fidirana amin’ilay vavahady, ka nisy folo hakiho. Ary telo ambin’ny folo hakiho ny lavan’ilay vavahady. 12  Iray hakiho ilay faritra mifefy teo anoloan’ny efitra fiambenana. Nisy faritra mifefy, nirefy iray hakiho, teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Enina hakiho ny efitra fiambenana teo amin’ny andaniny, ary enina hakiho teo amin’ny ankilany. 13  Dia norefesiny ny sakan’ilay vavahady, nanomboka teo amin’ny tafon’ny efitra fiambenana iray ka hatreo amin’ny tafon’ny efitra iray mifanatrika aminy, ka nisy dimy amby roapolo hakiho.+ Nifanitsy ny fidirana tamin’ireo efitra fiambenana. 14  Ary notombanany ho enimpolo hakiho ny haavon’ireo andry, toa an’ireo andry teny an-tokotanin’ny vavahady manodidina. 15  Dimampolo hakiho ny lavan’ny vavahady hatreo anoloan’ny fidirana ka hatreo anoloan’ny lala-mitafon’ny vavahady anatiny. 16  Nisy varavarankely mihatery+ ny efitra fiambenana sy ny andry teo anilany izay nitodika tany anatin’ny vavahady sy tao amin’ny lafiny nanodidina. Nisy varavarankely toy izany koa ny lala-mitafo. Nanodidina sy nitodika tany anatiny ireo varavarankely. Ary nisy sarina hazo palmie teo amin’ireo andry.+ 17  Dia nentiny teo amin’ny tokotany ivelany aho, ka ireo fa nisy efitra fisakafoana+ teo. Ary nisy faritra vita rarivato nanodidina an’ilay tokotany. Telopolo ny isan’ny efitra fisakafoana teo amin’io faritra io.+ 18  Nitovy tanteraka tamin’ny lavan’ireo vavahady ny refin’ilay faritra vita rarivato teo anilan’ireo vavahady. Faritra ambany vita rarivato no niantsoana azy. 19  Ary norefesiny ny sakany nanomboka teo anoloan’ny vavahady ambany ka hatreo anoloan’ny tokotany anatiny, ka nisy zato hakiho ny teo ivelany, na ny teo atsinanana na ny teo avaratra. 20  Nisy vavahady ilay tokotany ivelany, ary nitodika nianavaratra izy io. Norefesin’ilay lehilahy ny lavany sy ny sakany. 21  Nisy efitra fiambenana tao amin’io vavahady io, ka telo teo amin’ny andaniny ary telo teo amin’ny ankilany. Ny andry sy ny lala-mitafo tao dia nitovy refy tamin’ny an’ilay vavahady voalohany. Dimampolo hakiho ny lavan’ilay vavahady ary dimy amby roapolo hakiho ny sakany. 22  Ny varavarankely sy ny lala-mitafo ary ny sarina hazo palmie+ tao dia nitovy refy tamin’ilay tao amin’ilay vavahady nitodika niantsinanana. Zana-tohatra fito no niakarana tao, ary teo anoloany ny lala-mitafo. 23  Nifanandrify ny vavahadin’ny tokotany anatiny sy ny vavahady avaratra. Nisy vavahady koa nifanandrify tamin’ny vavahady atsinanana. Dia norefesiny ny elanelan’ireo vavahady ka nisy zato hakiho. 24  Nentiny nianatsimo indray aho, ary io fa nisy vavahady teo atsimo.+ Norefesiny ny andry sy ny lala-mitafo tao amin’izy io, ka nitovy refy tamin’ny an’ireo vavahady hafa. 25  Nisy varavarankely io vavahady io sy ny lala-mitafo, teo amin’ireo lafiny nanodidina. Toa an’ireo varavarankely hafa ihany ireo. Dimampolo hakiho ny lavan’ilay vavahady, ary dimy amby roapolo hakiho ny sakany. 26  Nisy zana-tohatra fito niakarana tao,+ ary teo anoloany ny lala-mitafo. Nisy sarina hazo palmie teo amin’ny andry teo aminy, hazo palmie iray teo amin’ny andaniny ary iray teo amin’ny ankilany. 27  Nisy vavahady fidirana nankao amin’ny tokotany anatiny teo atsimo. Dia norefesiny nianatsimo ny elanelan’ireo vavahady, ka nisy zato hakiho. 28  Nentiny niditra teo amin’ny vavahady atsimo aho mba hankao amin’ny tokotany anatiny. Ary norefesiny ny vavahady atsimo, ka nitovy refy tamin’ireo hafa. 29  Ny efitra fiambenana sy ny andry ary ny lala-mitafo tao dia nitovy refy tamin’ny an’ireo vavahady hafa. Nisy varavarankely io vavahady io sy ilay lala-mitafo, teo amin’ireo lafiny nanodidina. Dimampolo hakiho ny lavan’ilay vavahady, ary dimy amby roapolo hakiho ny sakany.+ 30  Nisy lala-mitafo maro nanodidina. Dimy amby roapolo hakiho ny lavany ary dimy hakiho ny sakany. 31  Nanatrika ny tokotany ivelany ny lala-mitafo teo aminy. Nisy sarina hazo palmie koa ny andry teo aminy,+ ary zana-tohatra valo no niakarana tao.+ 32  Dia nentiny niditra avy any atsinanana aho mba hankao amin’ny tokotany anatiny. Norefesiny ny vavahady ka nitovy refy tamin’ireo hafa. 33  Ny efitra fiambenana sy ny andry ary ny lala-mitafo tao dia nitovy refy tamin’ny an’ireo vavahady hafa. Nisy varavarankely io vavahady io sy ilay lala-mitafo, teo amin’ireo lafiny nanodidina. Dimampolo hakiho ny lavan’ilay vavahady, ary dimy amby roapolo hakiho ny sakany. 34  Nitodika tany amin’ny tokotany ivelany ny lala-mitafo tao aminy. Ary nisy sarina hazo palmie ny andry teo aminy, na teo amin’ny andaniny na teo amin’ny ankilany. Zana-tohatra valo no niakarana tao. 35  Dia nentin’ilay lehilahy tao amin’ny vavahady avaratra aho,+ ary norefesiny koa io, ka nitovy refy tamin’ireo hafa,+ 36  na ny efitra fiambenana na ny andry na ny lala-mitafo tao. Nisy varavarankely io vavahady io, teo amin’ireo lafiny nanodidina. Dimampolo hakiho ny lavan’ilay vavahady, ary dimy amby roapolo hakiho ny sakany. 37  Nitodika tany amin’ny tokotany ivelany ny andry teo aminy, izay nisy sarina hazo palmie teo amin’ny andaniny sy ny ankilany.+ Zana-tohatra valo no niakarana tao. 38  Nisy efitra fisakafoana iray teo akaikin’ireo andry teo amin’ireo vavahady. Nisy fidirana nankao amin’izy io. Ary tao amin’io efitra io no nanasana ny fanatitra dorana+ manontolo. 39  Nisy latabatra tao amin’ny lala-mitafon’ilay vavahady, ka latabatra roa teo amin’ny andaniny ary roa teo amin’ny ankilany. Teo ambonin’ireo no namonoana ny fanatitra dorana+ manontolo sy ny fanatitra noho ny ota+ ary ny fanatitra noho ny heloka.+ 40  Nisy latabatra roa teo ivelany, teo anilan’ilay tohatohatra nankao amin’ny fidirana amin’ilay vavahady avaratra. Ary nisy latabatra roa koa teo amin’ny andaniny, teo anilan’ny lala-mitafon’ilay vavahady. 41  Koa valo ny latabatra famonoana ny fanatitra: Efatra teo amin’ny andaniny tamin’ilay vavahady, ary efatra teo amin’ny ankilany. 42  Vato voapaika no nanaovana ny latabatra efatra famonoana ny fanatitra dorana manontolo. Iray hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho ny haavony. Teo ambonin’ireo koa no nametrahana ny fitaovana famonoana ny fanatitra dorana manontolo sy ny sorona. 43  Sakan’ny felatanana ny refin’ny talantalana fametrahan-javatra, izay niraikitra mafy tamin’ny aty rindrina manodidina. Teo ambonin’ireo latabatra no nametrahana ny henan’ny fanatitra natao fanomezana.+ 44  Nisy efitra fisakafoan’ireo mpihira+ teo ivelan’ny vavahady anatiny, tao amin’ny tokotany anatiny, teo anilan’ny vavahady avaratra. Nitodika nianatsimo izy ireo. Nisy iray koa teo anilan’ny vavahady atsinanana, ary nitodika nianavaratra izy io. 45  Ary hoy ilay lehilahy tamiko: “Ity efitra fisakafoana mitodika mianatsimo ity dia ho an’ny mpisorona miandraikitra ny trano.+ 46  Ary ilay efitra fisakafoana mitodika mianavaratra dia ho an’ny mpisorona miandraikitra ny alitara.+ Tsy iza ireo fa ny zanakalahin’i Zadoka,+ izay taranak’i Levy. Ireo no manatona an’i Jehovah mba hanompo azy.”+ 47  Dia norefesiny ny tokotany anatiny, ka zato hakiho ny lavany ary zato hakiho ny sakany. Efamira izy io. Ary teo anoloan’ny trano ny alitara. 48  Nentiny tao amin’ny lala-mitafon’ilay trano+ aho, ary norefesiny ny andry teo amin’ilay lala-mitafo, ka dimy hakiho ny andaniny ary dimy hakiho ny ankilany. Telo hakiho ny sakan’ny vavahady teo amin’ny andaniny, ary telo hakiho teo amin’ny ankilany. 49  Roapolo hakiho ny lavan’ilay lala-mitafo ary iraika ambin’ny folo hakiho ny sakany. Nisy tohatohatra niakarana ho ao. Nisy andry teo akaikin’ny tolàna, ka iray teo amin’ny andaniny ary iray teo amin’ny ankilany.+

Fanamarihana

Antsoina hoe “hakiho lava” ny hakiho iray (44,5 sm) ampiana sakan’ny felatanana (7,4 sm), izany hoe 51,8 sm eo ho eo.