Filipianina 1:1-30

1  Paoly sy Timoty, mpanompon’i+ Kristy Jesosy. Ho an’ny olona masina rehetra tafaray amin’i Kristy Jesosy any Filipy,+ mbamin’ireo mpiandraikitra sy mpanampy amin’ny fanompoana,+  Ho aminareo anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy ny fiadanana izay avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo!+  Misaotra an’Andriamanitro mandrakariva aho isaky ny mahatsiaro anareo+  sy isaky ny mitalaho+ amim-pifaliana ho anareo.  Misaotra azy aho noho ny fandraisanareo anjara+ hampandroso ny vaovao tsara, hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny.  Ary izao no azoko antoka: Ilay nanomboka asa tsara teo aminareo no hamita tanteraka+ izany mandra-pahatongan’ny andron’i+ Jesosy Kristy.  Ary tena rariny raha izany no eritreretiko momba anareo rehetra, satria ato am-poko ianareo,+ noho ianareo rehetra nanehoana hatsaram-panahy tsy manam-paharoa toa ahy+ koa, na izao izaho mifatotra ato am-ponja+ izao, na tamin’izaho niaro+ ny vaovao tsara sy nanamafy orina azy io araka ny lalàna.+  Andriamanitra no vavolombelona fa manina anareo rehetra aho, sady tena tia+ anareo tahaka ny itiavan’i Kristy Jesosy anareo.  Ary izao foana no angatahiko amin’ny vavaka, dia ny hitomboan’ny fitiavanareo+ bebe kokoa hatrany, ao anatin’ny fahalalana+ marina tsara sy ny fahaiza-manavaka+ tanteraka. 10  Mivavaka foana koa aho mba hamantaranareo tsara izay zava-dehibe kokoa.+ Amin’izay dia tsy hisy tsiny+ ianareo sady tsy hampihemotra+ ny sasany amin’ny finoana mandra-pahatongan’ny andron’i Kristy, 11  ary ho feno vokatry ny fahamarinana,+ izay azo amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana+ an’Andriamanitra. 12  Ary tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa vao mainka aza nampandroso ny vaovao tsara+ ny zavatra manjo ahy. 13  Vokatr’izany, dia lasa fantatr’olona maro+ eo amin’ireo Mpiambina an’i Kaisara sy ny olona hafa rehetra+ fa noho ny amin’i Kristy no mahatonga ahy ho voafatotra.+ 14  Koa vao mainka sahy mitory ny tenin’Andriamanitra tsy amin-tahotra ny ankamaroan’ireo rahalahy ao amin’ny Tompo, satria mahazo toky izy ireo noho ny fifatorako ato am-ponja.+ 15  Marina fa fialonana sy fifandrafiana no antony itorian’ny sasany an’i Kristy,+ fa fahatsoram-po+ kosa ny an’ny sasany 16  ka fitiavana no mahatonga azy hitory an’i Kristy, satria fantany fa ny fiarovako+ ny vaovao tsara no mahatonga ahy ho eto. 17  Fitia te hifanditra+ kosa no antony itorian’iretsy voalohany, fa tsy noho ny fo madio, satria ny hampahory+ ahy amin’izao fifatorako ato am-ponja izao no heviny. 18  Koa ahoana àry? Izao ihany: Na amin’ny fomba ahoana, na amin’ny fomba ahoana, na amim-pihatsarambelatsihy,+ na amin-kitsim-po, dia torina i Kristy,+ ka izany no mahafaly ahy. Ary ho faly foana koa aza aho, 19  satria fantatro fa hitondra famonjena ho ahy izany, noho ny fitalahoanareo+ sy noho ny nanomezana ahy ny fanahin’i Jesosy Kristy.+ 20  Faly koa aho satria ny andrasako fatratra+ sy antenaiko,+ dia ny mba tsy hisy hahamenatra+ ahy, fa mba ho amin’ny fahasahiana+ tanteraka, toy ny hatramin’izay ihany, no hankalazana an’i Kristy ankehitriny amin’ny alalako,+ na ho velona aho na ho faty.+ 21  Raha ny amiko, dia i Kristy+ no ahavelomako, ary tombony ho ahy ny fahafatesana.+ 22  Koa raha mbola ho velona ao amin’ny nofo ihany aho, dia vokatry ny asako izany.+ Tsy ampahafantariko anefa izay hofidiko. 23  Sahiran-kevitra aho eo anatrehan’ireo toe-javatra roa ireo.+ Fa ny tena tiako dia ny hafahana sy ny hiaraka amin’i Kristy,+ satria izany tokoa no tsara lavitra.+ 24  Mahasoa anareo+ kokoa anefa ny hitoerako ao amin’ny nofo. 25  Azoko antoka izany, ka fantatro fa hitoetra+ sy hijanona hiaraka aminareo rehetra aho mba handrosoanareo+ sy hahitanareo fifaliana ao amin’ny finoana. 26  Amin’izay dia hitombo be ny fifalianareo amin’ny maha mpianatr’i Kristy Jesosy anareo, noho ny amiko, satria efa ho eo aminareo indray aho. 27  Ny hany teniko dia izao: Aoka ianareo hitondra tena mendrika+ ny vaovao tsara momba an’i Kristy, ka na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho eo, dia mba ho reko ny aminareo, eny, ho reko fa mafy orina sady miray saina+ ianareo, ka miara-miezaka toy ny olona* iray hampandroso ny finoana ny vaovao tsara, 28  ary tsy manaiky hampitahorin’ireo mpanohitra+ anareo mihitsy. Izany tsy fahatahoranareo izany indrindra mantsy no porofon’ny handringanana azy ireny, fa porofon’ny hamonjena anareo kosa.+ Ary avy amin’Andriamanitra izany, 29  satria ianareo no nomena voninahitra noho ny amin’i Kristy, tsy voninahitra haneho finoana+ azy ihany, fa hijaly+ noho ny aminy koa. 30  Izao ady ataoko hitanareo sy renareo izao ihany koa mantsy no ataonareo.+

Fanamarihana

Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.