Filipianina 2:1-30

2  Koa raha misy fampaherezana avy amin’i Kristy,+ raha misy fampiononana avy amin’ny fitiavana, raha misy fifampiahiana, ary raha misy fitiavana lalina+ sy fangoraham-po,  dia ataovy izay hahafeno ny fifaliako ka aoka ianareo hiray saina,+ hiray fitiavana, hiray fo, hiray hevitra.+  Aza manao na inona na inona noho ny fitia te hifanditra+ na noho ny fireharehana,+ fa amim-panetren-tena kosa dia aoka samy hanao ny hafa ho ambony+ noho ny tenany.  Ary aoka ny tsirairay aminareo hihevitra izay hahasoa ny hafa,+ fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.+  Aoka ho ao aminareo foana izao toe-tsaina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa:+  Na dia fanahy tahaka an’Andriamanitra aza izy,+ dia tsy nieritreritra mihitsy ny handrombaka fahefana, izany hoe ny hitovy amin’Andriamanitra.+  Tsia, fa nafoiny kosa ny zava-drehetra ary naka ny endriky ny mpanompo+ izy, ka nanjary nitovy tamin’ny olombelona.+  Ary tsy izany ihany, fa rehefa hitany fa nitovy tamin’ny olombelona+ izy, dia nanetry tena ka nanjary nankatò ary tonga hatramin’ny fahafatesana ny fankatoavany,+ eny, fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana.+  Izany indrindra koa no antony nanandratan’Andriamanitra azy ho amin’ny toerana ambony kokoa+ sy ny nanomezany azy tamin-katsaram-panahy anarana ambony noho ny hafa rehetra,+ 10  mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalik’izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany ary any ambanin’ny tany,+ 11  sy haneken’ny lela rehetra an-karihary+ fa i Jesosy Kristy no Tompo+ ho voninahitr’Andriamanitra Ray.+ 12  Koa tahaka ny nankatoavanareo+ mandrakariva, ry malala, tsy tamin’izaho teo aminareo ihany, fa vao mainka aza amin’izao izaho tsy eo aminareo izao, dia miezaha mafy foana amin-tahotra+ sy hovitra, mba hahazoanareo famonjena. 13  Andriamanitra mantsy no miasa ao anatinareo,+ satria izany no mahafinaritra azy. Amin’izay dia sady maniry ianareo no manatanteraka.+ 14  Izay rehetra ataonareo dia ataovy foana tsy misy fimenomenonana+ sy adihevitra,+ 15  mba tsy hanan-tsiny+ sy hadio ianareo, ary ho zanak’Andriamanitra+ tsy misy tsiny eo anivon’ny taranaka tsy marina sy ratsy fanahy.+ Mamirapiratra eo anivon’izany taranaka izany ianareo, izay mpanazava eo amin’izao tontolo izao.+ 16  Eny, sady mamirapiratra ianareo no mitana mafy ny tenin’ny fiainana,+ mba hananako antom-pifaliana amin’ny andron’i Kristy,+ satria tsy ho very maina fotsiny ny hazakazaka na ny asa mafy nataoko.+ 17  Faly sady miara-paly+ aminareo rehetra anefa aho, na dia atao toy ny fanatitra zava-pisotro+ aza, ka araraka eo amin’ny sorona+ mifandray amin’ny fanompoana ho an’ny besinimaro.+ Ny finoana no nahatonga anareo hanao izany. 18  Mifalia koa ianareo, ary miaraha mifaly amiko.+ 19  Raha ny amiko, dia manantena ny haniraka an’i Timoty ho any aminareo tsy ho ela aho, raha sitrapon’i Jesosy Tompo, mba hifaliako+ rehefa fantatro ny momba anareo. 20  Fa izaho tsy mahita olon-kafa mitovy toetra aminy, izay tena hikarakara+ ny momba anareo. 21  Ny hafa rehetra mantsy samy mitady ny ho an’ny tenany ihany,+ fa tsy ny ho an’i Kristy Jesosy. 22  Fantatrareo anefa fa efa nanaporofo izy hoe mendrika ny tenany. Tahaka ny anompoan’ny zanaka+ ny rainy mantsy no nanompoany ahy teo amin’ny fampandrosoana ny vaovao tsara. 23  Koa izy no olona antenaiko hirahina, raha vao hitako hoe hanao ahoana ny momba ahy. 24  Ary matoky aho fa na izaho koa aza dia ho avy tsy ho ela,+ raha sitrapon’ny Tompo. 25  Heveriko anefa fa ilaina ny maniraka an’i Epafrodito,+ rahalahiko sy mpiara-miasa+ amiko ary miaramila+ toa ahy, fa irakareo kosa sy mpanompo nalefanareo hikarakara izay ilaiko. 26  Maniry mafy hahita anareo rehetra mantsy izy, ary tena kivy be satria efa renareo hoe narary izy. 27  Eny, narary saika maty tokoa izy, nefa namindra fo+ taminy Andriamanitra, ary tsy taminy ihany fa tamiko koa, mba tsy hifanontona ny alaheloko. 28  Koa dodona kokoa aho izao haniraka azy, mba ho faly indray ianareo rehefa mahita azy, sady mba ho afaka kokoa ny alaheloko. 29  Koa raiso tsara+ toy ny efa fanao ao amin’ny Tompo izy, eny, amim-pifaliana lehibe, ary hajao hatrany ny olona tahaka azy,+ 30  satria ny asan’ny Tompo no saika nahafaty azy, ka nanaovany vivery ny ainy,*+ mba hanonitra ny tsy maha eto anareo mba hikarakara ahy.+

Fanamarihana

Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.