Filipianina 3:1-21

3  Farany, ry rahalahy, mifalia hatrany eo amin’ny fanompoana ny Tompo.+ Tsy manahirana ahy ny manoratra aminareo zavatra mitovy, fa mba ho fiarovana ho anareo kosa.  Mitandrema amin’ny alika,*+ mitandrema amin’ireo manimba ny hafa, mitandrema amin’ireo manapaka ny nofo.*+  Fa isika no tena voafora,+ ary manao fanompoana masina amin’ny alalan’ny fanahin’Andriamanitra,+ sady i Kristy Jesosy no reharehantsika+ fa tsy mba mitoky amin’ny nofo+ isika.  Raha misy anefa olona manana antony itokisana amin’ny nofo, dia izaho izany. Ary raha misy olona mihevi-tena ho manana antony itokisana amin’ny nofo, dia izaho mbola mihoatra noho izy,+  satria noforana tamin’ny andro fahavalo+ aho, avy tamin’ny taranak’Israely, avy tamin’ny fokon’i Benjamina,+ Hebreo nateraky ny Hebreo,+ ary Fariseo+ raha ny amin’ny lalàna,  nanenjika ny fiangonana raha ny hafanam-po no resahina,+ ary efa hita fa tsy manan-tsiny aho raha araka ny fahamarinana avy amin’ny lalàna.  Izay nataoko ho tombony anefa dia heveriko kosa ho fatiantoka noho ny amin’i Kristy.+  Eny, tena heveriko ho fatiantoka koa ny zava-drehetra, satria tsy misy toa azy ny hasarobidin’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko.+ Fa noho ny aminy no nidirako fatiantoka ny amin’ny zava-drehetra ary heveriko ho fako miavosa ireny+ mba hahazoako an’i Kristy,  sy mba hahitana fa tafaray aminy aho, ka manana ny fahamarinana, tsy ilay azoko noho ny lalàna+ anefa fa ilay avy amin’ny finoana+ an’i Kristy, izany hoe ilay fahamarinana avy amin’Andriamanitra, miorina amin’ny finoana.+ 10  Amin’izay dia ho fantatro izy sy ny herin’ny fitsanganany amin’ny maty,+ ary ny fiaraha-mijaly aminy,+ ka hanaiky ho faty toy ny nahafatesany+ aho, 11  sao mba mety hahazo an’ilay fitsanganana amin’ny maty aloha kokoa.+ 12  Tsy hoe efa nahazo aho, na efa natao lavorary,+ fa mbola miezaka+ aho sao mba ho afaka hihazona+ koa an’izay nihazonan’i+ Kristy Jesosy ahy. 13  Ry rahalahy, tsy mihevi-tena ho efa nahazo aho. Zavatra iray ihany anefa no ataoko: Manadino ny zavatra any aoriana+ aho ary mikely aina hanatratra ny eo aloha.+ 14  Miezaka ho tonga amin’ny tanjona+ aho, mba hahazoako ny lokan’ny+ fiantsoana avy any ambony,+ izany hoe ny fiantsoan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy Jesosy. 15  Koa aoka àry isika rehetra izay matotra+ hanana izany toe-tsaina+ izany. Ary raha manana sain-kafa ianareo na amin’ny lafiny inona na amin’ny lafiny inona, dia hahariharin’Andriamanitra aminareo io toe-tsaina voalaza etsy ambony io. 16  Na izany aza, dia araka izay fandrosoana efa vitantsika no aoka mbola hizorantsika hatrany, amin’ny fomba milamina,+ araka ny efa nahazatra antsika. 17  Aoka samy hanahaka+ ahy ianareo, ry rahalahy, ary diniho ireo mandeha araka ny ohatra nasehonay taminareo.+ 18  Maro mantsy no mitsangan-ko fahavalon’ny hazo fijalian’i Kristy.+ Efa nilaza momba azy ireny matetika aho, fa ankehitriny dia milaza momba azy ireny amin-dranomaso koa. 19  Fandringanana+ no hiafaran’ireny, ary ny kibony no andriamaniny;+ ny zavatra tokony hahamenatra+ azy no ataony ho voninahitra, ary zavatra etỳ an-tany no ifantohan’ny sainy.+ 20  Fa isika kosa dia olom-pirenen’ny+ lanitra,+ ary avy any koa no iandrasantsika fatratra+ ny mpamonjy, dia i Jesosy Kristy Tompo,+ 21  izay hanova ny vatantsika nambanina+ mba hitovy endrika amin’ny vatany be voninahitra,+ araka ny fiasan’ny+ heriny, dia ilay hery hahatonga ny zava-drehetra hanaiky+ azy.

Fanamarihana

Izany hoe “ireo manao famorana.”
Izany hoe “olona tsy madio.”