Fitomaniana 1:1-22

א [Alefa] 1  Indrisy! Mipetraka irery+ ankehitriny ilay tanàna be olona fahiny.+Nanjary toy ny vehivavy mpitondratena+ ilay tanàna izay be mponina teo amin’ireo firenena!+Manao asa an-terivozona+ ilay andriambavin’ireo faritany! ב [Beta]   Mitomany be izy mandritra ny alina,+ ary mikoriana amin’ny takolany ny ranomasony.+Tsy misy amin’izay rehetra tia azy mba mampionona azy.+Nivadika taminy avokoa ny namany,+ fa lasa fahavalony.+ ג [Gimela]   Lasa an-tsesitany i Joda noho ny fahoriana+ sy ny fanandevozana mafy.+Voatery monina any amin’ireo firenena izy.+ Tsy mahita fiadanana mihitsy izy.Nahatratra azy tampoka tao anatin’ny fahoriana ireo rehetra nanenjika azy.+ ד [Daleta]   Misaona ireo lalan’i Ziona, satria tsy misy mandeha mamonjy fety.+Tsy misy olona intsony eny amin’ny vavahadiny rehetra,+ ary misento ny mpisorony.+Vonton’alahelo ireo virjininy, ary izy koa aza ory dia ory.+ ה [He]   Ireo fahavalony no lasa ambony,+ ary tsy manana ahiahy ireny.+Nampahorin’i Jehovah izy noho ny fandikan-dalàna be dia be nataony,+Ka lasa babo teo anoloan’ny fahavalony ny zanany.+ ו [Vao]   Niala tamin’i Ziona zanakavavy ny famirapiratany rehetra.+Toy ny serfa tsy mahita tanimbilona ireo andrianany,+Ary tsy manan-kery izy ireo mandeha eo alohan’ny mpanenjika azy.+ ז [Zaina]   Tamin’ny andro naha ory an’i Jerosalema ka tsy nanan-kialofana ny olony, dia tsaroanyNy zava-tsarobidy rehetra azony fahiny.+Rehefa lavo teo an-tanan’ny fahavalo ny olony, ary tsy nisy nanampy i Jerosalema,+ Dia nahita izany ny fahavalo, ka nihomehy azy nianjera.+ ח [Heta]   Nanota an-kitsirano i Jerosalema,+ ka lasa zava-maharikoriko.+Izay rehetra nanome voninahitra azy, dia lasa manao tsinontsinona azy+ satria nahita ny fitanjahany.+Misento koa izy+ ary mitodi-damosina. ט [Teta]   Eo amin’ny akanjony ny fahalotoany.+ Hadinony ny hoaviny.+Mahagaga ny fomba ianjerany. Tsy misy mpampionona izy.+Jehovah ô, jereo ny fahoriako,+ fa mirehareha ny fahavalo.+ י [Yôda] 10  Naninjitra ny tanany haka ny zava-tsarobidiny rehetra ireo fahavalo.+Nahita firenena niditra tao amin’ny toerany masina izy,+Nefa ianao efa nandidy hoe tsy mahazo miditra eo amin’ny fiangonanao ireny. כ [Kafa] 11  Misento avokoa ny olony. Mangataka hanina izy ireo,+Ary nanome ny zava-tsarobidiny izy ireo mba hatakalo zavatra hohanina, ka hamelombelona azy.+Jehovah ô, jereo ka diniho fa nanjary toy ny vehivavy tsy misy vidiny aho.+ ל [Lameda] 12  Tsinontsinona aminareo mpandalo rehetra ve izany? Jereo ka diniho:+Mba misy fijaliana mafy toy izao manjo ahy izao ve,+Izay fahoriana avy amin’i Jehovah, amin’ny andro ampiharany ny fahatezerany mafy?+ מ [Mema] 13  Avy any amin’ny avo no andatsahany afo ho amin’ny taolako,+ ka ataony manaiky azy ny taolako tsirairay.Namelatra harato hamandrihana ny tongotro izy.+ Nampihemotra ahy izy.Nahatonga ahy ho vehivavy nafoy izy. Ary marary foana aho.+ נ [Nona] 14  Mailo foana izy ka hitany ny fandikan-dalàna ataoko.+ Mifamatopatotra eo an-tanany ireny.Ary miakatra eny amin’ny vozoko ireny.+ Mangozohozo ny heriko.I Jehovah efa nanolotra ahy teo an-tanan’ireo tsy voatohitro.+ ס [Sameka] 15  Nailik’i Jehovah tsy ho eo anivoko ny olo-maheriko rehetra.+Nampanao fivoriana izy hamelezana ahy, mba hamotipotehana ny zatovoko.+I Jehovah dia nanitsakitsaka ny lavaka famiazam-boalobok’i+ Joda zanakavavy virjiny.+ ע [Aina] 16  Noho izany rehetra izany, dia mitomany aho+ ka vonton-dranomaso.+Fa nanjary lavitra ahy ny mpampionona, izay tokony hamelombelona ahy.Nanjary nafoy ny zanako,+ fa mirehareha ny fahavalo.+ פ [Pe] 17  Namelatra ny tanany i Ziona.+ Tsy misy mpampionona izy.+Nodidian’i Jehovah ireo rehetra manodidina an’i Jakoba mba ho tonga fahavalony.+Lasa zava-maharikoriko teo amin’izy ireo i Jerosalema.+ צ [Tsade] 18  Rariny ny an’i Jehovah+ fa efa nikomy tamin’ny teniny aho.+Mihainoa, ry firenena rehetra, ary jereo ny fijaliako.Lasa any amin’ny fahababoana ny virjiniko sy ny zatovoko.+ ק [Kôfa] 19  Nantsoiko ireo tia ahy fatratra,+ nefa namitaka ahy ireny.Ny mpisorona sy ny lahiantitra teo amiko dia niala aina tao an-tanàna,+Eny, niala aina teo am-pitadiavana zavatra hohanina mba hamelombelomana ny tenany.+ ר [Resa] 20  Jehovah ô, jereo fa azom-pahoriana mafy aho. Mangotikotika ny tsinaiko.+Feno tebiteby ny foko tao anatiko tao,+ fa nikomy tanteraka aho.+Tany ivelany dia nandripaka ankizy ny sabatra,+ ary tao an-trano koa nisy fahafatesana.+ ש [Shina] 21  Ren’ny olona hoe misento aho.+ Tsy misy mpampionona aho.+Ren’ny fahavaloko rehetra ny loza manjo ahy.+ Mifaly izy ireo satria ianao no nanao izany.+Hataonao izay hiavian’ilay andro efa nambaranao,+ mba hahatonga azy ireo ho tahaka ahy.+ ת [Tao] 22  Enga anie ho eo anatrehanao ny faharatsiany rehetra! Ary asio mafy izy ireo,+Toy ny namelezanao ahy mafy noho ny fandikan-dalàna rehetra nataoko.+Fa be ny fisentoako,+ ary marary ny foko.+

Fanamarihana