Fitomaniana 2:1-22

א [Alefa] 2  Indrisy! Nataon’i Jehovah saron-drahona i Ziona zanakavavy, fa tezitra Izy.+Nazerany avy any an-danitra ho amin’ny tany+ ny hatsaran-tarehin’ny Israely.+Ary tsy tsaroany ny fitoeran-tongony,+ tamin’ny andro fahatezerany. ב [Beta]   Nolevonin’i Jehovah ireo fonenan’i Jakoba, ka tsy nisy niantrany.+Tao anatin’ny fisafoahana no nandravany ireo toerana voaro mafin’i+ Joda zanakavavy.Nazerany tamin’ny tany+ sy nozimbazimbainy ilay fanjakana+ sy ny andrianany.+ ג [Gimela]   Nokapainy tamin-katezerana mafy ny tandroka* rehetran’ny Israely.+Nampihemotra ny tanany havanana teo anoloan’ny fahavalo izy.+Ary eo amin’i Jakoba izy dia mirehitra toy ny afo miredareda izay mandevona ny manodidina.+ ד [Daleta]   Namatotra ny tadin-tsipìkany izy, toy ny ataon’ny fahavalo.+ Ny tanany havanana+ dia naka toeranaToy ny fahavalo,+ ka novonoiny izay rehetra nahafinaritra ny maso.+Nalatsany toy ny afo tao amin’ny tranolain’ny+ zanakavavin’i Ziona ny fahatezerany.+ ה [He]   Nanjary toy ny fahavalo i Jehovah.+ Naripany ny Israely.+Nolevoniny avokoa ny tilikambo fonenana,+ ary noravany ireo toerany voaro mafy.+Nampitomboiny ny fisaonana sy ny fitomaniana tao amin’i Joda zanakavavy.+ ו [Vao]   Nopotehiny toy ny trano bozaka eny an-jaridaina+ ny trano rantsankazony.+ Noravany ny fetiny.Nataon’i Jehovah hadino ny fety+ sy ny sabata, tao Ziona.Ary tsy nohajainy ny mpanjaka sy ny mpisorona, rehefa nanameloka tamin-katezerana izy.+ ז [Zaina]   Nafoin’i Jehovah ny alitarany.+ Nolaviny ny toerany masina.+Natolony teo an-tanan’ireo fahavalo ny mandan’ny tilikambo fonenana.+Nihorakoraka toy ny amin’ny andro fety izy ireo, tao an-tranon’i Jehovah.+ ח [Heta]   Noeritreretin’i Jehovah horavana ny mandan’i+ Ziona zanakavavy.Nohenjaniny ny tady fandrefesana.+ Tsy nampihemotra ny tanany tsy handripaka izy.+Ary nataony nisaona ny tovon-tany sy ny manda.+ Samy ketraka ireny. ט [Teta]   Tafalentika ao anaty tany ny vavahadiny.+ Ary nanimba sy namotipotika ireo bara hidiny Izy.Any amin’ireo firenena izao ny mpanjakany sy ny andrianany.+ Tsy misy lalàna.+Ary tsy mahazo fahitana avy amin’i Jehovah ireo mpaminaniny.+ י [Yôda] 10  Mitombina amin’ny tany sady mangina+ ny anti-panahin’i Ziona zanakavavy.Asian’izy ireo vovoka ny lohany,+ ary misikina lamba gony izy.+Ary ny virjinin’i Jerosalema dia miondrika ka mitehika amin’ny tany ny lohany.+ כ [Kafa] 11  Reraka ny masoko noho ny ranomaso be loatra.+ Mangotikotika ny tsinaiko.+Mipotsaka amin’ny tany ny atiko+ satria lavo ny oloko zanakavavy,+Ary safotra eny amin’ny tany malalaky ny tanàna ny ankizy sy ny zaza minono.+ ל [Lameda] 12  Miteny amin-dreniny foana izy ireo hoe: “Aiza ny sakafo sy ny divay?”+Fa safotra toy ny olona voavono eny amin’ny tany malalaky ny tanàna izy ireo,Ary miala* aina eo an-tratran-dreniny. מ [Mema] 13  Inona re no porofo azoko aseho anao e? Hampitoviko amin’inona ianao, ry Jerosalema zanakavavy ô?+Hampitahaiko amin’inona ianao mba hampiononako anao, ry Ziona zanakavavy virjiny ô?+Fa lehibe toy ny ranomasina ny fahavoazanao.+ Iza no hahasitrana anao?+ נ [Nona] 14  Zavatra tsy misy ilana azy sy tsy mahafa-po no tao amin’ny fahitana nambaran’ny mpaminaninao taminao.+Tokony ho naharihariny ny fahadisoanao mba tsy hahalasa babo anao, nefa tsy nataony izany,+Fa mbola zavatra tsy misy ilana azy sy mamitaka ihany no tao amin’ny fahitana nambarany taminao.+ ס [Sameka] 15  Mitehaka maneso anao avokoa izay mandalo eny an-dalana.+Misioka+ sy mihivingivin-doha+ mandatsa an’i Jerosalema zanakavavy izy ireo, ka manao hoe:“Io ve ilay tanàna nolazaina fa ‘tonga lafatra amin’ny hatsaran-tarehy, sy fifaliana ho an’ny tany manontolo’?”+ פ [Pe] 16  Manoka-bava hamelezana anao avokoa ny fahavalonao.+Misioka izy ireo ary mihidy vazana,+ ka milaza hoe: “Harapatsika izy.+Ity mihitsy ilay andro efa nandrasantsika.+ Azontsika e! Hitantsika e!”+ ע [Aina] 17  Nataon’i Jehovah izay tao an-tsainy.+ Notanterahiny ny teniny,+Dia ny didiny efa hatramin’ny ela be.+ Nandrava izy, ary tsy nangoraka mihitsy.+Ary ataony faly amin’izay manjo anao ny fahavalo.+ Nasandrany ny tandroky* ny fahavalonao.+ צ [Tsade] 18  Mitaraina mafy amin’i Jehovah ny fon’izy ireo,+ ry mandan’i Ziona zanakavavy ô!+Mandrotsaha ranomaso be toy ny riaka, na andro na alina.+Aoka ianao tsy ho mafy fo. Aza avela haka aina ny anakandriamasonao. ק [Kôfa] 19  Mitsangàna! Aoka ianao hitaraindraina isan’alina, rehefa manomboka ny fiambenana maraina.+Aborahy eo anatrehan’i Jehovah ny ao am-ponao+ ka avelao hikoriana toy ny rano.Asandrato ho aminy ny tananao+ noho ny amin’ny ain’ny zanakao,Izay safotra eny an-joron-dalana rehetra eny, noho ny mosary.+ ר [Resa] 20  Jehovah ô, jereo ka diniho+ ilay nasianao mafy toy izao.Moa ve ireo vehivavy mbola hihinana ihany an’izay aloaky ny kibony, dia ireo zaza salama tsara aterany?+Ary hovonoina ao amin’ny toerana masin’i Jehovah ve ny mpisorona sy ny mpaminany?+ ש [Shina] 21  Niampatrampatra teny an-dalambe+ ny fatin’ireo zazalahy sy ny lahiantitra.+Lavon-tsabatra ny virjiniko sy ny zatovoko.+Namono ianao tamin’ny andro fahatezeranao.+ Nandripaka ianao,+ ary tsy nangoraka mihitsy.+ ת [Tao] 22  Toy ny amin’ny andro fety,+ dia nantsoinao ny mponina any amin’ireo tanànako manodidina misy ny mpivahiny.Ary tsy nisy afa-nandositra na tafavoaka velona, tamin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.+Naripaky ny fahavaloko ireo zaza salama tsara naterako sy notezaiko.+

Fanamarihana

Jereo 1Sa 2:1 f.a.p.
A.b.t.: “mandraraka.”
Jereo 1Sa 2:1 f.a.p.