Fitomaniana 3:1-66
א [Alefa]
3 Izaho ilay lehilahy tomady nahita fahoriana+ noho ny tsorakazon’ny fahatezerany.
2 Izaho ilay notarihiny sy nampandehaniny tao amin’ny haizina fa tsy tao amin’ny mazava.+
3 Eny, izaho no nasian’ny tanany imbetsaka tontolon’ny andro.+
ב [Beta]
4 Nataony mihalany ny nofoko sy ny hoditro.+ Notapatapahiny ny taolako.+
5 Nanangana zavatra hamelezana ahy izy, ka fahoriana sy zavamaniry misy poizina+ no nataony manodidina+ ahy.
6 Napetrany tao amin’ny toerana maizina+ aho, toy ny olona maty efa ela.+
ג [Gimela]
7 Nofefeny manodidina aho, toy ny hoe nofefena rindrim-bato, mba tsy ho tafavoaka.+ Nasiany gadra varahina+ mavesatra ny tongotro.
8 Sakanany koa ny vavaka ataoko, rehefa mitady fanampiana sy miantso vonjy aho.+
9 Nosakanany tamin’ny vato voapaika ny lalako,+ sady nataony niolakolaka be.+
ד [Daleta]
10 Amiko dia toy ny orsa mamitsaka hamely izy,+ ary toy ny liona ao amin’ny toeram-piafenana.+
11 Nokorontaniny ny lalako, ary navelany nipetra-potsiny teo aho. Nataony tsy nisy mponina intsony tao amiko.+
12 Nafatony ny tadin-tsipìkany,+ ary natsangany ho lasibatry ny zana-tsipìka aho.+
ה [He]
13 Nataony nitsatoka tamin’ny voako ny zana-tsipìkany.+
14 Nanjary nanao ahy ho fihomehezana+ ireo rehetra nanohitra ahy, sady nanao ahy ho ambentin-kira nandritra ny andro manontolo.+
15 Novokisany zava-mangidy aho,+ ary nataony tofoka zavamaniry mangidy.+
ו [Vao]
16 Ataony tapatapaka ny nifiko noho ny vato kely.+ Ataony mitampify ao anaty lavenona aho.+
17 Arianao koa aho ka tsy mahita fiadanana. Tsy tsaroako intsony izay tsara.+
18 Ary miteny foana aho hoe: “Nanjavona ny voninahitro sy izay nantenaiko tamin’i Jehovah.”+
ז [Zaina]
19 Tsarovy fa ory sy tsy manam-ponenana aho,+ ary mihinana zavamaniry mangidy sy zavamaniry misy poizina.+
20 Hahatsiaro izany tokoa ianao* ka hiondrika eo amiko.+
21 Izany no hatamberiko ato an-tsaiko.+ Noho izany, dia ho vonona hiandry aho.+
ח [Heta]
22 Ny hatsaram-panahy feno fitiavana+ asehon’i Jehovah no tsy maharipaka tanteraka antsika,+ satria tsy ho lany ny famindram-pony.+
23 Vaovao isa-maraina izany.+ Tena mendri-pitokisana tokoa ianao.+
24 Hoy aho: “I Jehovah no anjarako.+ Noho izany, dia ho vonona hiandry azy aho.”+
ט [Teta]
25 Tsara i Jehovah amin’izay manantena azy,+ eny, amin’izay* mitady azy foana.+
26 Tsara ny miandry+ amim-panginana+ ny famonjen’i Jehovah.+
27 Tsara ho an’ny lehilahy tomady ny mitondra zioga mandritra ny fahatanorany.+
י [Yôda]
28 Aoka izy hipetraka irery sy hangina,+ rehefa novesarany an’izany.+
29 Aoka izy hanohoka ny vavany amin’ny vovoka.+ Angamba misy fanantenana ihany.+
30 Aoka izy hanolotra ny takolany amin’izay mamely azy.+ Aoka izy ho afa-baraka tanteraka.+
כ [Kafa]
31 Fa i Jehovah tsy hanary mandritra ny fotoana tsy voafetra.+
32 Fa na dia nahatonga fahoriana aza izy,+ dia hamindra fo tokoa araka ny haben’ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.+
33 Fa tsy sitraky ny fony ny mampahory sy manao izay hampalahelo ny zanak’olombelona.+
ל [Lameda]
34 Fa ny manosihosy+ ny voafonja rehetra eto an-tany,+
35 Sy ny mamoaka didim-pitsarana tsy ara-drariny eo anatrehan’ny Avo Indrindra,+
36 Ary ny mamadika ny rariny ho an’izay tokony hahazo izany eo amin’ny fitsarana, dia tsy ankasitrahan’i Jehovah.+
מ [Mema]
37 Iza no milaza fa misy zavatra hitranga, nefa i Jehovah aza tsy nandidy ny amin’izany?+
38 Tsy miara-mivoaka amin’ny vavan’ny Avo Indrindra ny ratsy sy ny tsara.+
39 Nahoana moa no hitaraina lava+ ny olombelona noho ny fahotana vitany?+
נ [Nona]
40 Aoka isika handinika sy hamantatra ny lalantsika,+ ka hiverina amin’i Jehovah.+
41 Aoka isika hanandratra ny fontsika sy ny tanantsika amin’Andriamanitra any an-danitra,+ ka hanao hoe:
42 “Efa nandika lalàna sy nikomy izahay.+ Tsy namela heloka ianao.+
ס [Sameka]
43 Nosakananao tamin-katezerana izahay tsy hanatona anao,+ ary manenjika anay foana ianao.+ Namono ianao, ary tsy nangoraka mihitsy.+
44 Rahona matevina no nataonao sakana tsy ahafahana manatona anao,+ mba ho voasakana ny vavaka.+
45 Nataonao zavatra fanary sy fako teo amin’ireo firenena izahay.”+
פ [Pe]
46 Niloa-bava nanohitra antsika ny fahavalontsika rehetra.+
47 Horohoro sy lavaka,+ ary fahafoanana sy fahavoazana no anjarantsika.+
48 Mikoriana toy ny renirano ny ranomasoko noho ny fahalavoan’ny oloko zanakavavy.+
ע [Aina]
49 Mirotsa-dranomaso tsy an-kijanona ny masoko, ka tsy misy fiatoana,+
50 Mandra-piondrik’i Jehovah hijery avy any an-danitra.+
51 Nampahory ahy izay hitan’ny masoko,+ noho ny amin’ny tanàna keliko rehetra.+
צ [Tsade]
52 Tena nihaza ahy tsy amin’antony,+ toy ny mihaza vorona,+ ny fahavaloko.
53 Nanafoana ny aiko tao anaty lavaka izy ireo,+ ary nitora-bato ahy.
54 Nandifotra ny lohako ny rano,+ ka hoy aho: “Tena ho faty aho!”+
ק [Kôfa]
55 Jehovah ô, niantso ny anaranao avy tao amin’ny lavaka lalina dia lalina aho.+
56 Ho renao tokoa ny feoko.+ Aza manampin-tsofina tsy hanafaka ahy. Aza manampin-tsofina rehefa miantso vonjy aho.+
57 Nanatona ianao tamin’ilay andro niantsoako anao,+ ka niteny hoe: “Aza matahotra.”+
ר [Resa]
58 Niady ho ahy teo amin’ny fitsarana ianao, Jehovah ô!+ Navotanao ny aiko.+
59 Hitanao ny ratsy natao tamiko, Jehovah ô!+ Aoka ianao hiady ho ahy eo amin’ny fitsarana.+
60 Hitanao ny valifatiny rehetra, sy ny teti-dratsy rehetra namelezany ahy.+
ש [Sina] na [Shina]
61 Jehovah ô, efa renao ny fanalam-baraka nataony sy ny teti-dratsy rehetra namelezany ahy,+
62 Ary koa ny tenin’ireo mitsangana hanohitra ahy,+ sy ny bitsibitsika ataony tontolon’ny andro mba hamelezana ahy.+
63 Jereo ny fipetrany sy ny fitsangany.+ Nataony ambentin-kira aho.+
ת [Tao]
64 Hamaly azy araka izay nataony ianao, Jehovah ô!+
65 Hataonao lasa mpanivaiva izy,+ ka izany no fanozonanao azy.+
66 Henjehinao amin-katezerana izy, Jehovah ô, ka haripakao+ tsy ho etỳ ambanin’ny lanitrao.+