Fitomaniana 4:1-22

א [Alefa] 4  Indrisy! Lasa vasoka ilay volamena mamirapiratra, eny, ilay volamena tsara.+ Indrisy! Miparitadritaka eny an-joron-dalana rehetra eny ny vato masina.+ ב [Beta]   Sarobidy toy ny volamena voadio ny zanaka sarobidin’i Ziona taloha,+Nefa indrisy fa heverina ho toy ny sinibe tany nataon’ny mpanefy tanimanga!+ ג [Gimela]   Na ny alikadia aza manome nono ho an’ny zanany, eny, mampinono azy.Fa ny oloko zanakavavy kosa nanjary lozabe,+ toy ny aotirisy any an-tany efitra.+ ד [Daleta]   Main’ny hetaheta ny zaza minono ka niraikitra tamin’ny lanilaniny ny lelany.+Nangataka hanina ny ankizy,+ nefa tsy nisy nanome.+ ה [He]   Nivadi-po teny an-dalana ireo mpihinana sakafo matsiro,+Ary nisarangotra tamin’ny antontan-davenona+ ireo nanao akanjo mena midorehitra hatry ny fony kely.+ ו [Vao]   Ny sazin’ny oloko zanakavavy vokatry ny fahadisoany, dia lehibe noho ny sazin’i Sodoma vokatry ny fahotany,+Eny, i Sodoma izay noravana indray mipy maso, ary tsy nisy tanana namonjy.+ ז [Zaina]   Nadio+ be* ny Naziritany,+ sady fotsy noho ny ronono.Mena+ noho ny haran-dranomasina* izy ireo, sady nangirana toy ny safira.+ ח [Heta]   Lasa mainty noho ny mainty anefa izy ireo ka tsy fantatra intsony teny an-dalana.+Nikainkona sy niraikitra tamin’ny taolany ny hodiny,+ ary lasa maina toy ny kitay. ט [Teta]   Tsara kokoa ny nanjo an’ireo matin-tsabatra+ noho ireo matin’ny mosary,+Satria noho ny tsy fisian’ny vokatra eny an-tsaha, dia reraka toy ny hoe voatrobaka ireo matin’ny mosary. י [Yôda] 10  Ny tanan’ny vehivavy be fangoraham-po no nahandro ny zanany naterany.+Lasa sakafo fampiononana ireny nandritra ny fahalavoan’ny oloko zanakavavy.+ כ [Kafa] 11  Navoakan’i Jehovah daholo ny fahatezerany.+ Nanampatra ny fahatezerany mafy izy.+Ary mandrehitra afo ao Ziona izy, dia afo mandevona ny fototr’i Ziona.+ ל [Lameda] 12  Tsy nino ny mpanjakan’ny tany sy ny mponina rehetra amin’ny tany,+Fa ho tonga eo amin’ireo vavahadin’i Jerosalema ny mpanohitra sy ny fahavalo.+ מ [Mema] 13  Noho ny fahotan’ny mpaminaniny sy ny fahadisoan’ny mpisorony,+Dia nisy mpandatsaka ran’olo-marina teo anivony.+ נ [Nona] 14  Niraparapa toy ny jamba+ teny an-dalana izy ireo.+ Mihosin-dra izy,+Ka tsy misy afaka mikasika ny akanjony.+ ס [Sameka] 15  “Mialà eo! Maloto e!”,+ hoy ny antsoantsony. “Mialà eo! Mialà! Aza mikasika anay!”+Fa tsy nanan-trano izy ireo,+ ary nirenireny.+ Ary hoy ny olona tany amin’ireo firenena: “Tsy ho mpivahiny intsony ireny.+ פ [Pe] 16  Nozarazarain’i Jehovah ireny,+ ary tsy hijery azy intsony izy.+Ny olona dia tsy hiraharaha ny mpisorona,+ sady tsy ho tsara fanahy amin’ny lahiantitra.”+ ע [Aina] 17  Na ankehitriny aza, dia reraka ny masonay miandry mpamonjy nefa tsy misy,+Toy ny tamin’izahay nitazana, ka nanantena firenena izay tsy mahavonjy akory.+ צ [Tsade] 18  Narahiny akaiky izahay+ ka tsy nisy olona nandeha intsony teny an-tany malalaka.Efa akaiky ny farany ho anay. Tapitra ny andronay, fa tonga ny farany.+ ק [Kôfa] 19  Haingam-pandeha noho ny voromahery eny amin’ny lanitra ny mpanenjika anay.+Nanenjika anay mafy teny an-tendrombohitra izy ireo,+ ary niafina tany an-tany efitra mba hanafika anay.+ ר [Resa] 20  Voasambotra ao amin’ny lavaka be nataon’izy ireo+ ilay fofonain’ny vavoronay,+ izany hoe ilay voahosotr’i Jehovah,+Eny, voasambotra ilay nolazainay hoe: “Eo ambany alokalony+ no hitoeranay eo anivon’ireo firenena.”+ ש [Sina] 21  Mifalia sy miravoravoa,+ ry zanakavavin’i Edoma,+ izay mipetraka any Oza.+Hampandalovina eo aminao koa ny kaopy,+ ka ho mamo ianao ary hiboridana.+ ת [Tao] 22  Tapitra ny sazy vokatry ny fahadisoanao, ry zanakavavin’i Ziona ô!+ Tsy halefany any an-tsesitany intsony ianao.+Mandinika ny fahadisoanao indray izy, ry zanakavavin’i Edoma ô! Aharihariny ny fahotanao.+

Fanamarihana

Jereo Jb 28:18 f.a.p.
A.b.t.: “nadio kokoa noho ny lanezy.”